Teny nampidirina farany

Demony
[admin]
: (fr. démon) a. : Fanahy ratsy, izay atao koa hoe devoly. (Araka ny fampianarana katolika, ny demony dia ireo anjely niodina tamin'Andriamanitra ka mikely aina lalandava hitarika ny olombelona ho amin'ny ratsy mba hamarina azy any amin'ny afobe miaraka aminy). • H.i. : Olona ratsy fanahy mitarika ny sasany ho amin'ny ratsy. Ahitsio
Demba
[admin]
: Dembana a. : Banga Misy dembana amin'ny tamboho. • Lempona, lesoka Dembana ny ilan'ny vota uifotsy. (t Kepaka, miditra kely, mikemo : Demba-molotra ny antibavy. - t.i.f. : Dembaina na Dembanina, voademba I manademba, fanademba, mpanademba / anadembana, fanadembana / mahadembal dembademba. Ahitsio
Dekona
[admin]
: a : Jer. Diakona. Ahitsio
Deke
[admin]
: (Ski) a : Famavanin'ny tanam-poza. Ahitsio
Dekà
[admin]
: (fr. aide-de-camp)a : Lefitra ambany amin'ny laharam-boninahitra. ? Miaramila na manamboninahitra lefitra, atokana ho mpanampY sy ho fanirakiraky ny manamboninahitra ambony. - F,-p, : Dekà madinika : manamboninahitra ambany laharana manampy amin'ny raharahan'ny Praiminisitra (taloha). lDekà isan-drainy : dekàn'ny manamboninahitra maromaro, samy andraisana vitsivitsy avy hampanaovina ny raharaha iaraha-miandraikitra. Ahitsio
Deha
[admin]
: Dehana, Dehandehana ft. : Enti-milaza fandeha somary mibehambehana sy miletaleta. - t.i.f. : Midehandehana, fidehandehana, mpidehandehana / idehandehanana, fidehandehanana. Ahitsio
Deha
[admin]
: na Dehadeha a : Fandeha misababaka, misoka-pe. 1 t.i.f. : Midehadeha,fidehadeha / idehadehana, fidehadehana. Ahitsio
Dega
[admin]
: (Ski) a. : Hazo atao solon-tohatra iakarana amin'ny hazo avo. Ahitsio
Dedaka
[admin]
: p.t. : Enti-milaza olona te hiseho mahay na te hoderaina, na dia amin'ny zavatra tsy fantany na tsy hainy akory aza; kevoka; be haiejoana : Dedaka er? ilay sakaiza nanao tsy an-kitana tamin'ny bisikileta. - t.i.f. : Midedaka, fidedaka, mpidedaka /idedahana,fidedahana, Ahitsio
Dedadeda
[admin]
: a. : Enti-milaza : Firehetam-ben'ny afo. • Fisamboaravoaram - paniriana tsy hay fefena. - t.i.f. : Adedadeda, tafadedadeda / midedadeda, fidedadeda, mpidedadeda i idedadedana, fidedadedana. Ahitsio
Deboka
[admin]
: p.t. : Ilazana ny toerana iva sy lemademaka voahodidin'ny havoana na tendrombohitra. - F.-p.: An-deboka : Amin' ny toerana ivaiva takon-drivotra : Toa tsy hahasalama it? tandna it? izany fa an-deboka loatra. Ahitsio
Deboka
[admin]
: a. : Feon'ny rano voakapoky ny tanana na zavatra hafa. - t.i.f. : Mideboka, fideboka. Ahitsio
Debodebo
[admin]
: p.t. : Fohy fonetana sady vaventy. Ahitsio
Debaka
[admin]
: (Tsm) : Zavatra atao antoka apetraka amin'ny tompon-trosa. Ahitsio
Debadeba
[admin]
: p.t. : Fohifohy sady bebe tarehy ary somary lesoka : Debadeba izay ny tarehin-dRamasabomanga. Ahitsio
Dasidasy
[admin]
: a. : Fandeha sy famindra milamina sy mihaminkamina, ka tsy mirotoroto no sady maotina. - t.i.f. : Adasidasy, tafadasidasy / midasidasy, fidasidasy. Ahitsio
Daroroka
[admin]
: a. : Fianjerana mafy mitalakotrokotroka. - t.i.f. : Midaxoroka, fidaroroka. Ahitsio
Darondarony
[admin]
: a. : Tanora dongadonga, dofodofotra. Ahitsio
Darondarona
[admin]
: a. : Avonavona miharo hatezerana eo amin' ny fitenenana. ¶ M.h, : Fidaondaom-bava, avom-bava, heto-bava, taim-bava. - t.i.f. : Midarondarona / fidarondarona / mahadarondarona. Ahitsio
Darona
[admin]
: a, : Famindra na fitenenana miadana sy toa tsy miraidraika, tsy rototra. - t.i.f. Adarona I midarona, fidarona, mpidarona / idaronana, fidaronana / mahadarona. Ahitsio