Demony [admin] | : | (fr. démon) a. : Fanahy ratsy, izay atao koa hoe devoly. (Araka ny fampianarana katolika, ny demony dia ireo anjely niodina tamin'Andriamanitra ka mikely aina lalandava hitarika ny olombelona ho amin'ny ratsy mba hamarina azy any amin'ny afobe miaraka aminy). • H.i. : Olona ratsy fanahy mitarika ny sasany ho amin'ny ratsy. Ahitsio |
Demba [admin] | : | Dembana a. : Banga Misy dembana amin'ny tamboho. • Lempona, lesoka Dembana ny ilan'ny vota uifotsy. (t Kepaka, miditra kely, mikemo : Demba-molotra ny antibavy. - t.i.f. : Dembaina na Dembanina, voademba I manademba, fanademba, mpanademba / anadembana, fanadembana / mahadembal dembademba. Ahitsio |
Dekona [admin] | : | a : Jer. Diakona. Ahitsio |
Deke [admin] | : | (Ski) a : Famavanin'ny tanam-poza. Ahitsio |
Dekà [admin] | : | (fr. aide-de-camp)a : Lefitra ambany amin'ny laharam-boninahitra. ? Miaramila na manamboninahitra lefitra, atokana ho mpanampY sy ho fanirakiraky ny manamboninahitra ambony. - F,-p, : Dekà madinika : manamboninahitra ambany laharana manampy amin'ny raharahan'ny Praiminisitra (taloha). lDekà isan-drainy : dekàn'ny manamboninahitra maromaro, samy andraisana vitsivitsy avy hampanaovina ny raharaha iaraha-miandraikitra. Ahitsio |
Deha [admin] | : | Dehana, Dehandehana ft. : Enti-milaza fandeha somary mibehambehana sy miletaleta. - t.i.f. : Midehandehana, fidehandehana, mpidehandehana / idehandehanana, fidehandehanana. Ahitsio |
Deha [admin] | : | na Dehadeha a : Fandeha misababaka, misoka-pe. 1 t.i.f. : Midehadeha,fidehadeha / idehadehana, fidehadehana. Ahitsio |
Dega [admin] | : | (Ski) a. : Hazo atao solon-tohatra iakarana amin'ny hazo avo. Ahitsio |
Dedaka [admin] | : | p.t. : Enti-milaza olona te hiseho mahay na te hoderaina, na dia amin'ny zavatra tsy fantany na tsy hainy akory aza; kevoka; be haiejoana : Dedaka er? ilay sakaiza nanao tsy an-kitana tamin'ny bisikileta. - t.i.f. : Midedaka, fidedaka, mpidedaka /idedahana,fidedahana, Ahitsio |
Dedadeda [admin] | : | a. : Enti-milaza : Firehetam-ben'ny afo. • Fisamboaravoaram - paniriana tsy hay fefena. - t.i.f. : Adedadeda, tafadedadeda / midedadeda, fidedadeda, mpidedadeda i idedadedana, fidedadedana. Ahitsio |
Deboka [admin] | : | p.t. : Ilazana ny toerana iva sy lemademaka voahodidin'ny havoana na tendrombohitra. - F.-p.: An-deboka : Amin' ny toerana ivaiva takon-drivotra : Toa tsy hahasalama it? tandna it? izany fa an-deboka loatra. Ahitsio |
Deboka [admin] | : | a. : Feon'ny rano voakapoky ny tanana na zavatra hafa. - t.i.f. : Mideboka, fideboka. Ahitsio |
Debodebo [admin] | : | p.t. : Fohy fonetana sady vaventy. Ahitsio |
Debaka [admin] | : | (Tsm) : Zavatra atao antoka apetraka amin'ny tompon-trosa. Ahitsio |
Debadeba [admin] | : | p.t. : Fohifohy sady bebe tarehy ary somary lesoka : Debadeba izay ny tarehin-dRamasabomanga. Ahitsio |
Dasidasy [admin] | : | a. : Fandeha sy famindra milamina sy mihaminkamina, ka tsy mirotoroto no sady maotina. - t.i.f. : Adasidasy, tafadasidasy / midasidasy, fidasidasy. Ahitsio |
Daroroka [admin] | : | a. : Fianjerana mafy mitalakotrokotroka. - t.i.f. : Midaxoroka, fidaroroka. Ahitsio |
Darondarony [admin] | : | a. : Tanora dongadonga, dofodofotra. Ahitsio |
Darondarona [admin] | : | a. : Avonavona miharo hatezerana eo amin' ny fitenenana. ¶ M.h, : Fidaondaom-bava, avom-bava, heto-bava, taim-bava. - t.i.f. : Midarondarona / fidarondarona / mahadarondarona. Ahitsio |
Darona [admin] | : | a, : Famindra na fitenenana miadana sy toa tsy miraidraika, tsy rototra. - t.i.f. Adarona I midarona, fidarona, mpidarona / idaronana, fidaronana / mahadarona. Ahitsio |