Teny nampidirina farany

Daroka
[admin]
: a. : Vono amin'ny kapoka; vely, tonta. - t.i.f. Darofana na darohana,adaroka,voadaroka/ mandaroka, fandaroka, mpandaroka / andarohana, fandarohana / mahadaroka. Ahitsio
Darofana
[admin]
: na Darohana (daroka) mt.ih. (darofy na darohy) : Kapohina, velezina, tontana. Ahitsio
Darodarony
[admin]
: p.t. : Varivarin'ny toaka, mamomamo. Ahitsio
Daroboka
[admin]
: a : Fianjerana anaty rano na fianjerana re midoboka. - t.i.f. : Adaroboka, voadaroboka, tafadaroboka I manadaroboka, fanadaroboka, mpanadaroboka / anadarobohana, fanadarobohana I midaroboka, fidaroboka, mpidaraboka I idarobohana, fidarobohana I mahadaroboka. Ahitsio
Daröba
[admin]
: (Tsm) a. : Onjan-dranomasina mahery. Ahitsio
Daro
[admin]
: a. Teny ilazana amin'ny fitenim-paritany maro ny hoditr'omby maina. Ahitsio
Daridary
[admin]
: a : Diridiry, fibontsinana sy fahahenjanana. - t.i.f.: Midaridaxy, fidaridary. Ahitsio
Daresaka
[admin]
: p. t. : Jer. Danesaka. Ahitsio
Darazay
[admin]
: (fr. dragée) a. : Vatomamy, zava-mamy voavoatra ho boribory kely omena ho an'ny ankizy indrindra. Ahitsio
Dararaka
[admin]
: p.t. : Enti-milaza olona mipetrapetra-poana malai-mihetsika ary toa adaladala varimbariam-poana ka raraka hatramin'ny iviny. - t.i.f. : Midaraxaka, fidararaka, mpidararaka f idararahana, fidararahana. Ahitsio
Daraboka
[admin]
: o. : Fahapotrahana na fianierana mafy, - t.i.f. : Adaraboka, voadaraboka, tafadaraboka / manadaraboka, mpanadaraboka I anadarabohana, fanadarabohana / midaxaboka, fidaraboka, mpidaraboka / idarabohana, fidarabohana f mahadaraboka. Ahitsio
Darà
[admin]
: a : Karazan-damba tsara tenons. Ahitsio
Daondaona
[admin]
: a. : Feo midobodoboka amin'ny zavatra velezina na mikodiadia. 1 H.o. : Teny alefalefa fotsiny, tsy voahevitra, matetika mampiseho avonavona sy fanambaniana ny hafa. - t.i.f. : Midaondaona, fidaondaona, mpidaondaona / idaondaonana, fidaondaonana / mahadaondaona. Ahitsio
Daomy
[admin]
: (fr, domino) a : Karazan-kilalao misy vato valo amby roapolo misy masony; zaraina mitovy isa amin'ny mpilalao telo ny iraika amby roapolo amin'ireo vato ireo, ka mifandimby mandahatra ny azy raha misy vato miady masony amin'izay mivoaka ny mpilalao; izay mahalany vato any aminy voalohany no mahazo amin'ny indray mihodina, ka dia isaina ho azy ny masom-baton' ireo sisa tsy mbola nahalany ny azy. Ahitsio
Dao
[admin]
: a. : Feon-javatra miantonta amin-javatra, na feon-kapoka midoboka : Miasa amin'olona tsy mifaditrovana : manao, dao; tsy manao, dao ! Ahitsio
Danty
[admin]
: a, : Jer. Dantelina. Ahitsio
Dantelina
[admin]
: (fr. dentelle) a : Rary kofehy madinika mitarehin-tranon-kala fanao hain-)gon'akanjo. Ahitsio
Danoka
[admin]
: Danona a. : Fandeha miangoty sy miaingitra ampisehoana fahamboniana na enti-milaza amin'ny hafa fa miadana sy sambatra. - t.i.f. : Midanoka,fidanoka, mpidanoka I idanohana, fidanohana. Ahitsio
Danise
[admin]
: (fr. danse) a. : Dihy vahiny nentin'ny Vazaha, mitovy amin'ny hoe bal, izay iarahan'ny lehilahy sy ny vehivavy misonenika amin'ny feo-mozika, ka mifanatrika ary mifampisakambina izy amin'izany. Ahitsio
Danika
[admin]
: a. : Famelin'ny herin' ny hainandro; hafanana avy amin'ny hainandro. - t.i.f. : Danihina,voadanika / midanika, fidanika, mpidanika f idanihana, fidanihana / mahadanika / danidanika. Ahitsio