Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanalasalana: (salasala) a.: Fankanesana na famétrahana eo anelanelan-javatra roa. Ahitsio
Fanalasimba: a. : Zavamaniry fanaovana fanafody raha tsy mahalevon-kanina. Ahitsio
Fanalasompatra: a. : Zavamaniry fanao ody matoatoa na lolo, fandroahana angatra. Ahitsio
Fanalava: (lava) a. : Fomba entina manalava. Ahitsio
Fanalavana: (lava) a. : Fanovonana : Hataonao ahoana izao no fanolavana iny tehina iny f ? Fampitarozahana, fanelana : Mahasosotra ny fanalavana ny adintsika nataon'ny mpitsara. 1 Fanohizana : Nasiana fanalavam-potoana ny ady baolina satria nitovy ny isa azon'ny mpilalao roa tonta. Ahitsio
Fanalavavy: a. : Ody mahatonga ny vehivavy tsy tia hiherika lehilahy. Ahitsio
Fanalavirana: Fanalavitana (la-vitra) a. : Fihatahana, na fampihatahana. Ahitsio
Fanalavitra: (lavitra) a. : Fomba entina manalavitra, mihataka na mampihataka. Ahitsio
Fanalefahana: (lefaka) a. : Fanaketrahana; fampitonena; fampihenana. Ahitsio
Fanalefaka: (lefaka) a. : Fomba entina manalefaka, mampihena hery, mampitony, manaketraka. Ahitsio
Fanalehibiazana: (lehibe) a. : Fanalalahana; fampitomboana habe, fanalavana. Ahitsio
Fanalehihe: (lehibe) a. : Fomba entina manalehibe, mampitombo habe, manitatra. Ahitsio
Fanalemena: (lemy) a. : Fanalefahana, fampitonena. Ahitsio
Fanalemy: (lemy) a. : Fomba entina manalemy, manalefaka, mampitony. Ahitsio
Fanalika: (alika) a. : Fomba entina manalika, manambany olona atao toy ny alika. ? p. t. : Azo alikaina, ambanina toy ny alika. Ahitsio
Fanalikana: (alika) a. : Fanambaniana olona izay atao toy ny alika, fanivaivana izaitsizy. Ahitsio
Fanalo: a. : Anarana nentina nilazana ireo tandefona mahay sy be herim-po ary mailaka : Fanalolahy : miaramila na tandefona mahay sady mahery an'ady. Ahitsio
Fanamafiana: Fanamafisana (mafy) a. : Fanaovana izay hahamafy, hanampy, hampitombo zavatra iray; fanantitranterana. Ahitsio
Fanamafy: (mafy) a. : Fomba entina manamafy, mampitombo hery. Ahitsio
Fanamaika: (maika) a. : Fomba entina manamaika, mandodona. ~ p.t. : Azo ampanaovina maika, azo dodonana. Ahitsio