Fanaronana | : | (sarono) o. : Fandrakofana : Fanoronana ny akoho mikotrika. ~ Fanafenana : Ratsy ny fanaronana ny marina. ~ Fanatratrarana: Nigagana ny fanaronan'ny polisy ireo mpangalatra.
Ahitsio |
Fanarotehana | : | (rotika) a : Fanasaritahana, fanakorontanana.
Ahitsio |
Fanarotika | : | o. : Fomba entina manarotika, manasaritaka, manakorontana.
Ahitsio |
Fanasa | : | (sasa) a. : Fomba entina manasa, manadio amin' ny rano. ? p, t. : Azo sasana.
Ahitsio |
Fanasa | : | (asa) a. : Fomba entina manasa, miangavy am-panajana mba ho tonga hisakafo na hanatrika lanonana iray.1 p,t. : Azo asaina.
Ahitsio |
Fanasa | : | (asa) a. : Fomba entina manasa, mandranitra, mandrangitra fitaovam-piasana dombo. ~ p.t. : Azo asaina.
Ahitsio |
Fanasabaka | : | (sabaka) a. : Fomba entina manasabaka, mampihataka ny tongotra roa.
Ahitsio |
Fanasabakana | : | (sabaka) a. : Fampihatahana ny tongotra roa.
Ahitsio |
Fanasabodehana | : | (sabodika) a: Fampifangaroana na fampifandisoana ny teny na ny zavatra atao; fanodinkodinana amin' ny teny na amin' ny fanaovan-iavatra mba hampifamadika amin'izay tena izY sy marina.
Ahitsio |
Fanasabodika | : | (sabodika) a. : Fomba entina manasabodika, mampifangaro na mampifandiso ny teny na ny zavatra atao.
Ahitsio |
Fanasabotrehana | : | (sabotrika) a. : Fambombana, fandrotsirotsiana.
Ahitsio |
Fanasabotrika | : | (sabotrika) a.: Fomba entina manasabotrika, mambomba, mandrotsirotsy.
Ahitsio |
Fanasadika | : | (sadika) a. : Fomba entina manasadika, mampihodidina ny valahana. ? p. Azo a.sadika.
Ahitsio |
Fanasadikana | : | (sadika) a : Fanaovana (zavatra, lamba) mihodidina ny valahana toy ny salaka.
Ahitsio |
Fanasafelehana | : | (safelika) a Fanolahana, fanaovana izay hihodidinan'ny zavatra iray fa tsy handehananY mahitsY mivantana.
Ahitsio |
Fanasafelika | : | (safelika) a. Fomba entina manasafelika, manolaka mampihodidina zavatra iray fa tsy mampandeha azy mahitsy mivantana.
Ahitsio |
Fanasafiana | : | (safy) a. : Fanampiana safy, famenoana.
Ahitsio |
Fanasafofohana | : | (safofoka) a: Fan.ierana.
Ahitsio |
Fanasafofoka | : | (safofoka) a. Fomba entina maniera. + p. t. : Azo azera matetika.
Ahitsio |
Fanasafontenana | : | (safontina) a.: Fampisafotofotoana,fampisavorovoroana, fampisaritahana.
Ahitsio |