Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanaronana: (sarono) o. : Fandrakofana : Fanoronana ny akoho mikotrika. ~ Fanafenana : Ratsy ny fanaronana ny marina. ~ Fanatratrarana: Nigagana ny fanaronan'ny polisy ireo mpangalatra. Ahitsio
Fanarotehana: (rotika) a : Fanasaritahana, fanakorontanana. Ahitsio
Fanarotika: o. : Fomba entina manarotika, manasaritaka, manakorontana. Ahitsio
Fanasa: (sasa) a. : Fomba entina manasa, manadio amin' ny rano. ? p, t. : Azo sasana. Ahitsio
Fanasa: (asa) a. : Fomba entina manasa, miangavy am-panajana mba ho tonga hisakafo na hanatrika lanonana iray.1 p,t. : Azo asaina. Ahitsio
Fanasa: (asa) a. : Fomba entina manasa, mandranitra, mandrangitra fitaovam-piasana dombo. ~ p.t. : Azo asaina. Ahitsio
Fanasabaka: (sabaka) a. : Fomba entina manasabaka, mampihataka ny tongotra roa. Ahitsio
Fanasabakana: (sabaka) a. : Fampihatahana ny tongotra roa. Ahitsio
Fanasabodehana: (sabodika) a: Fampifangaroana na fampifandisoana ny teny na ny zavatra atao; fanodinkodinana amin' ny teny na amin' ny fanaovan-iavatra mba hampifamadika amin'izay tena izY sy marina. Ahitsio
Fanasabodika: (sabodika) a. : Fomba entina manasabodika, mampifangaro na mampifandiso ny teny na ny zavatra atao. Ahitsio
Fanasabotrehana: (sabotrika) a. : Fambombana, fandrotsirotsiana. Ahitsio
Fanasabotrika: (sabotrika) a.: Fomba entina manasabotrika, mambomba, mandrotsirotsy. Ahitsio
Fanasadika: (sadika) a. : Fomba entina manasadika, mampihodidina ny valahana. ? p. Azo a.sadika. Ahitsio
Fanasadikana: (sadika) a : Fanaovana (zavatra, lamba) mihodidina ny valahana toy ny salaka. Ahitsio
Fanasafelehana: (safelika) a Fanolahana, fanaovana izay hihodidinan'ny zavatra iray fa tsy handehananY mahitsY mivantana. Ahitsio
Fanasafelika: (safelika) a. Fomba entina manasafelika, manolaka mampihodidina zavatra iray fa tsy mampandeha azy mahitsy mivantana. Ahitsio
Fanasafiana: (safy) a. : Fanampiana safy, famenoana. Ahitsio
Fanasafofohana: (safofoka) a: Fan.ierana. Ahitsio
Fanasafofoka: (safofoka) a. Fomba entina maniera. + p. t. : Azo azera matetika. Ahitsio
Fanasafontenana: (safontina) a.: Fampisafotofotoana,fampisavorovoroana, fampisaritahana. Ahitsio