Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanandrina: (handrina)a :Fomba fijerena manatrika an-katezerana : Nampihoron-koditra ahy ny fanandriny ahy. ? p. t. : Azo jerena tsara mana-enta an-katezerana. Ahitsio
Fanandrinana: (handrina) a : Fijerena manatrika an-katezerana, mova tsy ny hamely mihitsy, Ahitsio
Fanandroana: (andro) a. : Vinany ataon'ny mpanandro momba ny zavatra ho avy, avy amin'ny fijexena ny tonon' andro sy ny vintana. Ahitsio
Fanandrohana: (tandroka) a Fametrahana tandroka ampiasaina ho toy ny vantozy. Ahitsio
Fanandroka: (tandroka) a. Fomba entina manandroka. Ahitsio
Fanangana: Fanangany a.:Nofon-ken malemy voahodidina taolana ao amin'ny soroky ny omby, Ahitsio
Fanangana: (tsangana) a Fomba entina manangana. - p.t. : Azo atsangana :Tay fanangana ny zozo maditra toy ireny. Ahitsio
Fananganana: (tsangana) a. Fanarenana zavatraamin'ny haavony : Tsy sarotra akory ny fananganana io sarivongana nianjera io. ? Fampijoroana : Tsy mora velively ny fananganan-trano, indrindra amin'izao andro izao. ? Fametrahana zavatra amin'ny toerana avo mba hahitana azy : Alohan'ny fidirana no fananganana ny saino. ? Filazana olona eo anatrehan'ny fanjakana, na ny fokonolona taloha, ho toy ny zanaka ma-haro mandova : Zaua-dehibe amin'ny Malagasy ny fananganan-jaza. (Ny fanangananjaza taloha dia nandoavana ny hasin'andriana sY nY orfmbaton'ny fokonolona, izay vavolombelona afaka manamarina ny fananganana noho izy nanatri-maso; ankehitriny ny fananganan-jaza dia soratana amin'ny bokimpanjakana eo anatrehan'ny vavolombelona). Ahitsio
Fanangasanga: (sanga) a.: Fomba na toetran' ny zavatra manangasanga, izany hoe mise-ho lany ka ny tendrony ihany no hita. Ahitsio
Fanangasangana: (sanga) a.: Fisehoana lany ka ny tendrony na ny sangany fotsiny no hi-ta fa ny vatany tsy tazana. Ahitsio
Fanangerona: (ngerona) a. : Fomba entina manangerona, mandoto, manamainty izaitsizy, Ahitsio
Fanangeronana: (ngerona) a : Fandotoana, fanamaintisana. Ahitsio
Fanangetany: (Atm) a : Fatidra ifanaovan' ny olona rehetra. Ahitsio
Fanangiana: (tangy) a. : Fanomezana tangy na vola anambazana vehivavy alaina. Ahitsio
Fanangilo: (ngilo) a. : Fomba entina manangilo,manamaintY. Ahitsio
Fanangiloana: a, : Fanaovana izay hahatonga ngilo, mainty mangilohilo. Ahitsio
Fanangita: (ngita) a. : Fomba entina manangita, manao izay hahangita (ny volo). Ahitsio
Fanangitana: (ngita) a, : Fanaovana izay hahangita. Ahitsio
Fanangizina: (ngizina) a.: Fomba entina manangizina, mahatonga mainty maizina. Ahitsio
Fanangizinana: (ngizina) a. :Fanaovana izay hahangizina, hahatonga maintY maizina. Ahitsio