Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanasara: (saro) a. : Fanofana zavatra tsy maharitra. Ahitsio
Fanasarana: (sara) a, : Fandoavana sarany (hofan-javatra tsy maharitra, miserana). Ahitsio
Fanasarana: (sasatra) a. : Famizanana; fanelingelenana. Ahitsio
Fanasarangotra: (sarangotra) a.: Fomba entina manasarangotra, manasingotra ny tanana, ny tongotra. Ahitsio
Fanasarebahana: (sarebaka) a.: Fampirefarefana (ny lamba) amin'ny tany. Ahitsio
Fanasarebaka: (sarebaka) a. Fomba entina manasarebaka, mampirefarefa (ny lamba) amin'ny tany. Ahitsio
Fanasarirahana: (sariraka) a. Fanasaritahana, fampisafotofotoana, fanasavorovoroana. Ahitsio
Fanasariraka: (sariraka) a. : Fomba entina manasariraka, manasavorovoro, manasaveravera. Ahitsio
Fanasaritahana: (saritaka) a. Fanakorontanana, fampisafotofotoana. Ahitsio
Fanasaritaka: (saritaka) a. Fomba entina manasaritaka, mampisafotofoto be ihany, manakorontana. Ahitsio
Fanasarotana: (sarotra) a. : Fanaovana izay hahasarotra, hahakitokitoina, hahalafo. Ahitsio
Fanasarotra: (sarotra) a. : Fomba entina manasarotra, mahatonga ho sarotra, manahirana, laf o. Ahitsio
Fanasatra: (sasatra) a. : Fomba entina manasatra, mamizana. Ahitsio
Fanasatrohana: Fanatrohana (satroka) a. : Fanomezana (zavatra) hatao satroka. Ahitsio
Fanasatroka: Fanatroka (satroka) a. : Fomba entina manasatroka, manatroka. Ahitsio
Fanasavembena: Fanavembena (savembena) a, : Fomba entina manavembena, mamezivezy, manasavilivily. Ahitsio
Fanasavembenana: Fanavembenana a. : Famezivezena, fanasaviliviliana. Ahitsio
Fanasavenavena: na Fanavenavena (savenavena) a. : Fomba entina manasavenavena, mampitanatana. Ahitsio
Fanasavenavenana: (savenavena) a. : Fanokafana be, fanatanatanana. Ahitsio
Fanasaveravera: (saveravera) a.: Fomba entina manasaveravera, , manasariraka (ny akanjo). Ahitsio