Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanambadiana: (vady) a. : Fikambanan'ny lehilahy sy vehivavy mifanaiky hiara-kanorina tokantrano araka ny lalàna sy ny fomban-tany mba hahazo taranaka. (Amin'ny Malagasy, ny fanambadiana dia misy dingana efatra : ny fisehoana na fiantranoana, ny fangatahana, ny fanateram-bodiondry ary ny fampakarana). Ahitsio
Fanambady: (vady) a. : Fomba entina manambady. 1 p.t. : Azo alaina ho vady : Taranak'olona tsy fanambady ireny. Ahitsio
Fanambahamba: (hambahamba) a. : Fomba entina manambahamba, manao na manandrana amim-pisalasalana. ~ p.t. : Azo atao na andramana amim-pisalasalana. Ahitsio
Fanambahambana: (hamba, hambahamba) a. : Fanandramana amim-pisalasalana. Ahitsio
Fanambaniny: (ambany) a. Vody rindrina, vody andry Misy triatra ny fanambanin' ity sarivato it?. ? Ny kibo, ny faritra ambany amin'ny tenan'ny biby, amin'ny zavatra : Zauatra maro tsy tambo iaaina no any amin'ny fanambanin'ny ranomasina a-n y. Ahitsio
Fanambara: (ambara) a. : Fomba entina manambara. ~ p. t.: Azo ambara : Tsy fanambara ny uaovao toy ireny, Ahitsio
Fanambarana: (ambara) a. : Filazana zavatra mbola niafina hatramin'izay : Fanambarana ny tetika nataon'ireo oion-d rats y. 1 Filazana vaovao lehibe ampahibemaso : Nanao fanambarana tao amin' ny fampielezam peo ny Filohan'ny Nosy. Ahitsio
Fanambarana: (tambatra) a. Fanakambanana, fampiraisana, fanatontaliana, fampitohizana : Ataouy ny fanambarana ireto isa ireto : 125, 46, 229. Ahitsio
Fanambatambazana: (tambitamby) a. : Fanafosafoana na fanehatehafana malefaka amim-pitiavana; fiangaviana (olona) amin'ny fanomezanjavatra na karama azy, na fanaovana izay hahafaly azy. fanambadiana Ahitsio
Fanambatra: (tambatra) a Fomba entina manambatra. ~ p,t. : Azo atambatra. Ahitsio
Fanambazana: (tamby) a. : Fanakaramàna; fanaovana fanamby. Ahitsio
Fanambinana: (ambina) a. Vintana tsara avy amin'ny lahatra. ? Tsodrano, fitahiana avy amin' Andriamanitra : Fanambinana lehibe ny nahauitonao fianarana talohan' ny ady, Ahitsio
Fanambiny: a. : Teny ilazana fa raikitra ny fanekena ifanaovana : Fanambiny ny antsika : raikitra ny fanekentsika. Ahitsio
Fanamboarana: (voatra) a. : Fanomezana endrika : Miki fonamboarana kely itY sari' it?. ? Fanomanana, fikarakarana : Iza no hiandraikitra ny fanamboarana ny efitra hampidirana ny mpanambady f 1 Fandrindrana, fandaminana : Ho sarotra ihany ny fanamboarana ny fanambadian'ireto tanora ireto. Ahitsio
Fanamboatra: Famboatra (voatra) a. : Fomba entina manamboatra, manome endrika; manomana, mikarakara; mandrindra, mandamina. Ahitsio
Fanamboho: (voho) a. : Fomba entina manamboho, izany hoe mampitodika zavatra amin'ny lafy ratsiny na manodina ny lamosina hanatrika. Ahitsio
Fanambohoana: (voho) a. Fampitodihana amin'ny lafy ratainy, fanodinana ny lamosina hanatrika. Ahitsio
Fanamboloana: (ambolo) a Ny fitaovan'ny vatana entimamantatra ny fofona; ny orona. Ahitsio
Fanambonimbary: a. : Ny tainpony indrindra amin'ny ampangoro. ? Zavamaniry fahita eny an-tanimbary. Ahitsio
Fanambony: a. : Ny ilany ambony amin' ny zavatra iray. Ahitsio