Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanasamboritra: (samboritra) a : Fomba entina manasamboritra, manodidina lamba mafy ny valahana. Ahitsio
Fanasampazana: (sampy) a.:Fametrahana zavatra hisavily er? am-bozona. Ahitsio
Fanasampina: (sampina) a. : Fomba entina manasampina, manipy ny tendron'ny lamba iray ho eo ambony soroka. 1 p.t. : Azo asampina. Ahitsio
Fanasampinana: (sampina) a : Fanipazana ny tendron'ny lamba iray ho eo ambony soroka. Ahitsio
Fanasampotenana: (sampotina) a. : Fampisafotofotoana, fampisaritahana, fampisangodinana, fampitambolimbolenana. Ahitsio
Fanasampotina: (sampotina)a: Fomba entina manasampotina, mampisafotofoto, mampisaritaka. Ahitsio
Fanasampy: (sampy) a : Fomba entina manasampY, mametraka zavatra hisavily eny am-bozona. Ahitsio
Fanasana: (asa) a. : Fiangaviana am-panalana mba ho tonga handray anjara amin'ny sakafo na lanonana iray: Tsy afaka handd ny fanasako ianao noho ny fifankatiouan tsika. 1 Sasa: Fanadiovana mba hialan'ny loto : Anio no fanasan'ny kilasimandry lamba. ~ Asa: Fandranitana fiasana : Vatoasana no fanasana ny antsy. 1 Fanasan'ny Tompo : (fiv. prot.) Fihinanana ny mofo fahatsiarovana ny nataon'i Kristy tamin'Izy nizara tamin'ny mpianany ny mofo nolazainy hoe vatany indray andro talohan'ny nahafatesany : Mandray fanasan'ny Tompo. Ahitsio
Fanasana: Fanasam-be (asa) a.: Sakafo lehibe iarahan' ny olona maro nasaina mihinana. Ahitsio
Fanasanasana: (sanasona) o. : Fomba entina manasanasana, manokatra ny vava mitanatana be. ? p. t. : Azo asanasana. Ahitsio
Fanasanasanana: (sanasana) a.: Fanokafana be, fanatanatanana. Ahitsio
Fanasandovia: a. : Anaran-kafa iantsoana ny sevabe. Ahitsio
Fanasangazona: (sangazona) a.: Fomba entina manasangazona, mamikitra amin'izay zavatra voaray. Ahitsio
Fanasangazonana: (sangazona) o.: Famikirana amin' izay zavatra voaray. Ahitsio
Fanasangerenana: (sangerina) a.: Fangoronana, famorimborenana (Iamba) manodidina ny tena. Ahitsio
Fanasangerina: (sangerina) a. : Fomba entina manasangerina, mamorimborina (lamba) manodidina ny tena. Ahitsio
Fanasangodina: (sangodina) a,: Fomba entina manasangodina, mampihodidina. Ahitsio
Fanasangodinana: (sangodina) a.: Fampihodidinana. Ahitsio
Fanasaohana: (saoka) a. : Fanampiana lamba amin'ny akanjo mba hanalalahana azy, Ahitsio
Fanasaoka: (saoka) a. : Fomba entina manasaoka, manampy lamba amin'ny akanjo mba hanalalahana azy. H p.t. : Azo saohana. Ahitsio