Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanakosoka: (kosoka) a.: Fomba entina manakosoka, mikosoka mafy hialan' ny loto. Ahitsio
Fanakotana: (kotana) a. : Fomba entina manakotana, manakotaba. Ahitsio
Fanakotanana: (kotana) a:Fanakotabana, fanakorontanana, fampikomiana. Ahitsio
Fanakotikotehana: (kotika) a.: Fandrovitana sY famotipotehana zavatra. Ahitsio
Fanakotikotika: (kotika) a : Fomba entina manakotikotika, mandrovitra sy mamotipotika. ~p.t. : Azo kotikotehina. Ahitsio
Fanakotra: (takotra) a : Fomba entina manakotra, manarona amin'ny takotra. ? p, t.: Azo takofana. Ahitsio
Fanakotrana: (kotrana) a. : Fomba entina manakotrana, manofokofoka, manakorontana. Ahitsio
Fanakotràna: (kotra) a : Fandaniana tsiro ny tany amin' ny tsy fanovaovana ny fambolena atao aminy, fandevonana, fanimbana. Ahitsio
Fanakotranana: (kotrana) a. : Fanofokofohana, fanelingelenana, fanakorontanana, fampikorontanana. Ahitsio
Fanakotrehana: (kotrika) a : Fametrahana akoho mba hikotrika, fampikotrehana. Ahitsio
Fanakotrika: (kotrika) a. : Fomba entina manakotrika, mametraka akoho mba hikotrika. ? p.t. : Azo akotrika. Ahitsio
Fanakotsa: (kotsa) a. : Fomba entina manakotsa, mandena ho vonto. ~ Azo kotsaina. Ahitsio
Fanakotsana: (kotsa) a. : Fandemana tanteraka. Ahitsio
Fanakovilavila: (kovilavila) a : Fomba entina manakovilavila, izany hoe manao tarehy ratsy, na mampandeha tsy mahitsy tsara fa mivilambilana be ihany na manakovilivily (sandry) rehefa mande-ha. Ahitsio
Fanakovilavilana: (kovilavila) a. : Fampiolikolehan, fanasaviliviliana. Ahitsio
Fanala: (ala) a. : Fomba entina manala, manesotra. ~ P. t. : Azo alana, azo esorina : Tsy fanala ny harato roha tsy efa mitohy tsars ny taolana tapaka. Ahitsio
Fanala: Fanalana a. : Asa marika, fanesorana isa kely amin'ny isa Inhibe noho izy : Firy ny valin'ny fanalana te-Io ambin'ny folo amin'ny roapolo ! Ahitsio
Fanala: a. : Jiro voafefy fitaratra miaro azy amin'ny rivotra. Ahitsio
Fanala: a. : Ranonando man-dry hita mivaingana fotsifotsy kely eny an-tendron'ny ahitra na miendrika tranonkala eny am-potony. • Hatsiaka fatratra : Matin'ny fanala ny tsaramasonay. Ahitsio
Fanaladiana: (halady) a. : Fialan-tsiny, fitsapana alahelo, famangiana amin'ny fahoriana. Ahitsio