Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanamborana: (sambotra) a. Fanenjehana (biby na vorona). Ahitsio
Fanambosiana: (ambosy) a. Famporisihana, fitaomana, fanangolena. Ahitsio
Fanambosy: (ambosy) o.: Fomba entina manambosy, marnporisika, mitaona, manangoly. • p,t. : Azo ambosina. Ahitsio
Fanambotra: (sambotra) a Fomba entina manambotra, misambotra. 1 p,t. : Azo samborina. Ahitsio
Fanamby: (tamby) a. : Fomba entina manamby, manakarama. ? Fanekena ifanaovan' olona roa na maro izay samy manana ny filazany avy momba ny zavatra iray, ka izay voaporofo fa manana ny diso dia manome vola na manao zavatra ho an'ilay nana-na ny marina : Andeha hanao fanamby isika fa amin' ny telo no ho tonga ny fiaramanidina fa tsy amin'ny dimy. 1 Ny vola omena amin'io fanekena io raha resy : Ohatrinona ny fanombintsika fa tsy maintsy ho afa-panadinana ahof • p,t. Azo tambazana. Ahitsio
Fanamehana: (maika) a. : Fampanaovana (zavatra) olona haingana, fandodonana. Ahitsio
Fanamelohana: (meloka) a,: Filazana ho meloka araka ny didim-pitsarana; fanasaziana, sazy. Ahitsio
Fanameloka: (meloka) a, : Fomba entina manameloka, milaza ho meloka araka ny didim-pitsarana. ~ p,t, : Azo melohina. Ahitsio
Fanamena: (mena) a. : Fomba entina manamena, mahatonga mena. Ahitsio
Fanamenana: (mena) a. : Fanaovana izay hahatonga me-na. Ahitsio
Fanamezahana: (mezaka) a Fampahanifisana, fanaovana izay hahatonga mezaka, manify. Ahitsio
Fanamezaka: (mezaka) a. Fampahanify. Ahitsio
Fanamiana: (amy) a : Fitafiana omban-dravaka milaza ny voninahitr'ilay mitondra azy ary fitondra amin'ny andro malaza : Nanao ny fanamiany mareuaka ny mpiasam-panjakana ambony ta-min 'Ray fanasan'ny Filohan'ny Nosy. ~ Karazan' akanjo manokana ho an'ny antokon' olona iray : Misy sarin'elatra ny fanamian'ny mpamory fiaramanidina, Ahitsio
Fanamika: (tamika) o, : Fomban'ny rano manamika, mitsika, mivoaka kely dia kely avy ao anaty zavatra iray. Ahitsio
Fanamiramirana: (mirana) a, Fomba entina manamiramirana. Ahitsio
Fanamiramiranana: (mirana) a.: Fanaovana izaY hahafalifaly, Ahitsio
Fanamo: (Tsm) a. : Hazo be fofona sy misy poizina izaY fampiasa raha sendra ta hanapoizina ny trondro any anaty rano. Ahitsio
Fanamo: :jer. Famamo, Ahitsio
Fanamohafana: (mohaka) a. : Fanaovana izay hahatonga mohaka, bodaka. Ahitsio
Fanamohaka: (mohaka) a : Fomba entina manamohaka, mahatonga mohaka, bodaka. Ahitsio