Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanasaveraverana: (saveravera) a : Fanasarirahana (ny akanjo), tsy fisampinana tsars ny lamba. Ahitsio
Fanasaviliana: (savily) a. : Fanakiviliviliana; fanolahana. Ahitsio
Fanasavily: (savily) a. : Fomba entina manasavily, manakivilivily. Ahitsio
Fanasavoana: (savoana) aa Fomba entina manasavoana, mandefa hiakatra eny amin' ny habakabaka, manipy ambony. 1 p, t. : Azo asavoana. Ahitsio
Fanasavoanana: (savoana) a. Fandefasana hiakatra eny amin'ny habakabaka, fanipazana ambony. Ahitsio
Fanasavohana: (savoka) a : Fanasiana na fanosorana savoka. Ahitsio
Fanasavoka: (savoka) a : Fomba entina manasavoka, manisy na manosotra savoka. Ahitsio
Fanasavorovoro: (savorovoro) a. : Fomba entina manasavorovoro, manasaritaka, manasafotofoto. Ahitsio
Fanasavorovoroana: (savorovoro),a. : Fanasafitahana, fampisafotofotoana. Ahitsio
Fanasavovohana: (savovoka) a.: Fanaovana antontany tsy misy kitotony. Ahitsio
Fanasavovoka: (savovoka) a. Fomba entina manasavovoka, manao antontany tsy misy kitotony. Ahitsio
Fanasavovona: (savovona) a. Fomba entina manasavovona, mampiavosa. ?p,t. : Azo asavovona. Ahitsio
Fanasavovonana: (savovona) a: Fampifangaroana, fanavosana. Ahitsio
Fanasaziana: (sazy) a. : Fanomezana sazy. Ahitsio
Fanasazy: (sazy) a : Fomba entina manasazy. ? p, t : Azo sazina, mendrika hosazina. Ahitsio
Fanaselahana: (selaka) a. : Fanendahana isan'elakelany, fanasilahana. Ahitsio
Fanaselaka: (selaka) a. : Fomba entina manaselaka, manendaka isan' elakelany. Ahitsio
Fanaselarana: (selatra) a. : Fampandalovana zavatra haingana dia haingana eo anoloan' olona. Ahitsio
Fanaselatra: (selatra) a. : Fomba entina manaselatra, mainpandalo zavatra haingana dia haingana eo anoloan' olona. Ahitsio
Fanasendahana: (sendaka) a. Fanendahana hoditra, lamba. Ahitsio