Fanalady | : | (halady) a. : Fomba entina manalady, miala tsiny rehefa mitsapa alahelo. 1 p. t,: Enti-milaza ny olona tokony hialan-tsiny, hotsapaina alahelo.
Ahitsio |
Fanalafaritra | : | a, : Ody tety.
Ahitsio |
Fanalahidy | : | a. : Tapa-by voavoatra aiditra ao amin'ny hidim-baravarana ka mampihetsika ny lelan' ny hidim-baravarana mba hanidy na ham o-ha ny varavarana.
Ahitsio |
Fanalakalahana | : | (halaha, halakalaka) a. : Fampisarahana; fampihatahana, fanasiana elanelana.
Ahitsio |
Fanalakalaka | : | (halaka, halakalaka) a. : Fomba ampisarahana, ampihatahana.
Ahitsio |
Fanalalahana | : | (lalaka) o. : Fanabeazana sakana, velarana : Tery ny lalana mankany aminay ha voatery nikarahara ny fanalalahana azy ny fokontany. ~ Fanalehibeazana, fanitarana : Mihevitra ny fanalalahana ny tranony Rakoto fa mitombo mitombo ihany ny zanany. 1 Fanasiana elanelana : Asio fanalalahana ireto dabilio ireto fa tsy miss, handehanana. 1 Fanaketrahana : Tsy tokony hisy fanalalahana mihitsy ny fitsipiky ny Fikambanantsika sao tafiditra mora ao ny olona tsy dia manao ahoana.
Ahitsio |
Fanalalahy | : | a. : Ody mahatonga ny lehilahy tsy tia hiherika vehivavy.
Ahitsio |
Fanalalaka | : | (lalaka) a. : Fomba entina manalalaka, manabe sakana, manalehibe, manita-Pa.
Ahitsio |
Fanalalana | : | (alalana) a. : Fomba entina manalalana, manelanelana.
Ahitsio |
Fanalalanana | : | (alalana) a. : Fanelanelanana : Tamin'ny fanalalanany no uita ny fanekem-pihauanana.
Ahitsio |
Fanalamiady | : | a. : Loko na tsipika miloko mampisaraka tokotanin-doko roa samy hafa.
Ahitsio |
Fanalamote | : | (Ski) a. : Voronkely maintimainty izay manidintsidina tsy an-kijanona mandritra ny antoandro.
Ahitsio |
Fanalampiery | : | na Fangalam-piery a. : Karazan-daolao misy ankizy miery izay karohin' ny sasany ka izay hita dia mitady kosa indray ; raha mitady ka tsy mahita dia manao hoe : afa-po, ary dia miseho amin'izay kosa ilay niery.
Ahitsio |
Fanalana | : | (ala) a. : Fanesorana : Tsy nankasitrahan'ny olona ny fanalana ilay mpampianatra.
Ahitsio |
Fanalana | : | na Fangalana a. : Fanesorana isa iray amin'ny isa lehibe noho izy : Efa mahay fanalana (na fangalana) ny zafikeliko vao efa-taona.
Ahitsio |
Fanalanalana | : | (alanalana) a. : Fomba entina manalanalana, mametraka tsy homba ny atsy na ny aroa.
Ahitsio |
Fanalanalanana | : | (alanalana) a : Fametrahana (olona) tsy homba na iza na iza fa mijanona amin' izao fotsiny.
Ahitsio |
Fanalangalana | : | (halangalana) a : Fomba entina manalangalana, mampisaraka, mainpihataka tsy ho tratran'ny loza. ~ P.t. : Azo ahataka tsy ho tratran'ny loza.
Ahitsio |
Fanalangalanana | : | (halangalana) , a. : Fampisarahana (toerana), fampihatahana, fanalavirana tsy ho voan'ny loza.
Ahitsio |
Fanalasala | : | (salasala) a. : Toetran'ny zavatra manalasala; fomba entina manalasala.
Ahitsio |