Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misongadina: (songadina) mt. s.: Miavaka tsara, mivongady. ? Voaenda-damba, miboridana. ¶ M.h.: Mivongady, mivaingana, miharihary, mitojanjina, hita vatana, tsy takona afenina, tsy takona afenina ohatra ny masoandro bendohataona, azo tsapain-tanana, miharihary ohatra ny kary am-pamoloana, miharihary ohatra ny vay an-kandrina. Ahitsio
Misongona: Fisongona, Fisongonana (songona) mt. s.: Mitovy amin'ny man ongona, fanongona, fanongonana. Ahitsio
Misongy: (fit.-p,) mt. s.: Entimilaza omby sady mitrongy tany amin'ny tandrony no somary mitrifana ary manainga rambo. Ahitsio
Misononôka: (sononoka) mt. s.: Mandeha moramora misosa tsy misy manelingelina, misosa miadana toa lakana ambony rano tony: Nisononàka tsara ny fiondranako. 1 Mizotra tsara amim-pilaminana sy fifaliana: Misononoka ny fiainan'io fianakaviana io. Ahitsio
Misoratra: (soratra) mt. s na p. t. ( misorata): Mandatsaka anarana, manoratra ny anarana: Efa nisoratra omaly aho. ? Misy sorany na volon-doko: Tsy tiako ny lamba misoratra. Ahitsio
Misorera: na Misorery (sorera) mt. s.: Tonga osa sy marezodrezoka, mitavozavoza. Ahitsio
Misoretra: (soretra) mt. s.: Tonga kivikivy, ketraketraka. Ahitsio
Misoritra: (soritra) mt. s.: Misy tsipika miavaka: Nisoritra teny amin'ny handriny ny havizanana. Ahitsio
Misoroka: (soroka) mt. p, (misoroha): Manala tany na ahitra amin'ny angady izay asosa hisafosafo ny tany: Antsoy Ikoto hisoroka ny tokotanintsika. • Midify, miala amin'ny..,: Mahay misoroka ny.totohondrin'ny ankilany izy saingy tsy mahay marnely. Ahitsio
Misorona: (sorona) mt. s. (misorona): Manafina na tsy milaza raha tahiny ka misy kilema mahavoa ny namana nefa tsy hitany noho ny fahamenarana: Aza misorona, tompoko, raha misy toetra tsy mahomby hitanao amin' ny zanako any am-pianarana. * Ohab.: Misorom-bady antrano ka ny tena ihany no visa: raha misy kilemam-bady nefa tsy lazaina azy mba hialany dia ny tena ihany no ho afa-baraka. Ahitsio
Misorona: (sorona) mt. P. (misorona): Mikarakara ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana kitay ao am-patana: Misorona afo. Ahitsio
Misorona: (sorona) mt, s. (misordna): Manao sorona: Nisorona ny ondriny tsara indrindra i Abela. Ahitsio
Misosa: (sosa) mt. s. (misosà): Mizotra tsy miato: Nisosa ny fianarany ka tsy niato raha tsy tany amin'ny tanjon' ny bakalorea. ? Mandeha mi-lamina tsy misy misakantsakana na manelingelina: Misosa ny fiainana raha misy vola, hoy ireo tsy miheuitra afa-tsy ny ara-nofo. ? Mikorisa amin-javatra malama: Nahahitsaka hoditr'akondro aho teo an-tokonana ka avy hatrany dia nisosa ter? an-tokotany. • Misononoka eo ambony rano: Nisosa ny lakana nitondra anay fa nitsoka malefaka ny rivotra. Ahitsio
Misosoka: (sosoka) mt. s.: Misy sosoka na kofehy nasisika amin"ny fahan'ny lamba: Efa nisosoka ity lamba ity ka tsy tiako. ? Misalovana eo anoloana na mipetraka eo amin' ny toeran'ny sasany: Nisy olona ngezabe nisosoka teo anoloako ka tsy nahita na inona na inona tamin'ilay fampisehoana aho. / Nisosoka teo amin'ny foerako ilay zazalahy tsy mahalala fomba. ? h.o.: Mitsabaka amin' ny raharahan'ny sasany: Aza misosoka amin'ny raharahako ianao. Ahitsio
Misosona: (sosona) mt. s.: Misy sosona, misy atiny misisika, misy laharana faharoa manarakaraka: Mafana ny akanjo misosona. / Tsy afaky ny jiolahy ve hoy ianareo, ny hady misosona? Ahitsio
Misosososo: (sosososo) mt, s. (misosososoa): Mandroso sahisahy tsy am-pihambahambana: Vao niditra izy dia nisosososo nankery auara-patana. Ahitsio
Misosy: (sosy) mt. s.: Misompatra. Ahitsio
Misotasota: (sotasota) mt. s. (misotasotà): Mila ady. Ahitsio
Misotisoty: (sotisoty) p.t.: Malotoloto be ihany, misolitika: Misotisoty matetika ny zazakely rehefa mihinan-kanina. Ahitsio
Misotrasotra: (sotrasotra) mt. s.: Mihinana mambosibosika. Ahitsio