Teny nampidirina farany

Daboboka
[admin]
: a. : Fianjerana ka ny tena manontolo no indray miantonta mafy. • Fidabohana mafy aharenesana feo midoboka. i tif f. : Dabobohana, adaboboka / manadaboboka na mandaboboka, fanadaboboka, mpanadaboboka / anadabobohana,fanadabobohana( midaboboka na miandaboboka, fidaboboka, mpidaboboka )idabobohana,fidabobohana. Ahitsio
Dabobohana
[admin]
: (daboboka) mt. ih. (dabobohy) : Ianjerana : Teto amin'ny simd teto ve no nodabobohany ? Ahitsio
Dabo
[admin]
: p.t. : Tsy manana antondraharaha fa ny mipetraka na mandrimandry na mandehandeha foana ary ny homan-kanina no ataony. ¶M.h,:Kama. Ahitsio
Dabo
[admin]
: a : Valala karazan'ambolo. Ahitsio
Dabilio
[admin]
: (fr. établi) a. : Akalandava fipetrahana any an-tsekoly na amin'ny trano fivoriana. Ahitsio
Dabebaka
[admin]
: p.t. : Fohy vatana nefa lehibe sy mivelatra ny vavany : Iza no hahalany vary bebe kokoa araka ny hevitrao : ity harona dabebaka it?y sa Iroa lavalava kely vava iroa ? ¶ M,h, : Tabebaka. - t.i.f. : Midabebaka, fidabebaka. Ahitsio
Dabe
[admin]
: p. t. : Makadiry sady matavy, na boribory lehibe. Ahitsio
Dabarà
[admin]
: (Ski) a : Omby fotsy, na sada fotsy, akana ra hasotroin'ny bila ka tonga mova tsy ny fatidrany ka na matY aza, tsy ihinanany akory. Ahitsio
Dabaka
[admin]
: p.t, : Ilazana ny nahandro be rano loatra. i t.i.f. : Midabaka, fidabaka. Ahitsio
Dabadaba
[admin]
: a. : Izay atao raha manatsikobana rano, raha mitsobo-drano na milomano. 1 Ny fikotaban'ny rano eo am-pirobohana na eo am-pilomanosana. - t.i.f. f. : Dabadabaina, adabadaba / midabadaba, fidabadaba ) idabadabana, fidabadabana. Ahitsio
Dababaka
[admin]
: p.t. : Enti-milaza ny rano feno be loatra, mihoatra ny mety : Dababaka ioatra indray rano amin'ny tanin'anandrano ka sao dia mahald azy. - t.i.f, : Midababaka, fidababaka. Ahitsio
Daba
[admin]
: a. : Vata vifotsy fasiana solitany na menaka. Ahitsio
D
[admin]
: : Tarehintsoratra fahatelo ary renisoratra faharoa amin' ny abidy malagasy, mitonona hoe di na de • Fiovan'ny l amin'ny fanakambanan-teny (lalana lavitra = lalan-davitra). 1 Ny 1 amin'ny fitenim-paritany koa indraindray dia d amin'ny fiteny marina : lily =didy, Ahitsio
Broety
[admin]
: na Labroety (fr. brouette) a.: Karazana sarety kely misy kodiarana tokana sy tanany roa ampiasaina amin' ny fitaterana zavatra madinidinika. Ahitsio
Brezilianina
[admin]
: (fr. Brésilien) a,: Ny firenena tompon-tany amin'ny tany midadasik'i Brezila: Miteny portogaly ny Brezilianina. • p.t.: Momba an'i Brezila, an'i Brezila na avy any Brezila: Ny kafe no vokatra brezilianina malaza indrindra. Ahitsio
Brahmanisma
[admin]
: (fr. brahmanisme) a: Antokom-pivavahana aubin 'ny mponina Indianina saiky eran'ny taniny manontolo, mivavaka amin'andriamanitra maro, fa ny telo lehibe dia Brahma, Vishnou ary Civa. Ahitsio
Bozy
[admin]
: na Bojy (Ski) a : Kabaro andrahoina tsy misy fangarony. Ahitsio
Bozy
[admin]
: a : Fiasan'ny dokotera entina hangaronana fery na ny lalan-drano amin'ny tenan'ny olombelona mba hampandehanana ny fivalanan-drano. Ahitsio
Bozy
[admin]
: a.: Anaram-bosotra fiantsoana mazàna ny zazavavy kely : Andeha mantsaka, ry Bozy a Ahitsio
Bozenizeny
[admin]
: na Bozeny (ft.) p. t.: Fohy vaventy ary mbola iva indray noho ny zeny fotsiny : Bozenizeny kely iahy ilay f ofom badin 'Isam bilo. Ahitsio