Teny nampidirina farany

Dady
[admin]
: (Ski) a : Raibe na renibe. Ahitsio
Dadatoa
[admin]
: a : Teny iantsoana na ilazana ny lahimatoa amin'ny iray tam-po amin'ny ray na ny reny : Lasa androany nankany andafy ny dadatoanay. 1 H.i. : Teny iantsoana (fa tsy ilazana) lehilahy lehibe heverina ho mendri-kaja : Aoka re, ry dadatoa, fa marina ny teninao. Ahitsio
Dadasika
[admin]
: p.t. : Toerana na faritra lehibe sy malalaka. - t.i.f. : Midadasika, fidadasika. Ahitsio
Dadanaivo
[admin]
: a. : Teny iantsoana na ilazana lehilahy iray tampo amin'ny ray na ny reny, eo anelanelan'ny lahimatoa sy ny faralahy : Aoka re, ry dadanaiuo, fa tapaka ny tsinaiko amin'ny hatsikana ataonao. Ahitsio
Dadaka
[admin]
: a. : Teny mikorontana sy misafotofoto noho ny fahamaikana hilaza zavatra ; kodedika. 1 t, i f. : Midadaka, fidadaka, mpidadaka ( idadahana, fidadahana. Ahitsio
Dadafara
[admin]
: a. : Teny iantsoana na ilazana ny faralahy amin' ny iray tam-po amin'ny ray na ny reny : Andeha hitsena an'i dadafara izahay fa ho tonga anio izy. Ahitsio
Dadadada
[admin]
: a. : Firadaradana na fitenenana miahotrahotra fanaon'ny ankizy vao mianamiteny. - t.i.f. : Midadadada, fidadadada, mpidadadada ( idadadadana, fidadadadana. Ahitsio
Dadaboka
[admin]
: a : Fianjerana amin'ny tany, fahapotrahana tanteraka. - t.i.f. : Adadaboka, voadadaboka f midadaboka,fidadaboka / idadabohana, fidadabohana. Ny hevitr'ireo dia mitovy amin'ny sampantenin'ny Daboka ihany. Ahitsio
Dadabe
[admin]
: a. : Fiantsoana ny rain'ny ray na ny rain'ny reny : Andeha ho aiza ianao, ry dadabe ? ¶ M.h. : Kakibe, fa azo ampiasaina koa hilazana tsotra ny rain'ny ray na ny rain'ny reny ; raibe : La-sa any an-tsena i dadaben'i Soa. . Teny fanajana ilazana lehilahy efa zokiolona tokony hanana zafikely. Ahitsio
Dada
[admin]
: a. : Dihy tsinjaka mitsamboamboatra arahin'ny amponga, izay fanaon'ny lehilahy ihany : *0hab. : Ny tsinjaka maro mpahay fa ny dada no sarotra ianarana. Ahitsio
Dada
[admin]
: a. : Fiantsoana na filazana ny ray niteraka : Tsy hisaraka aminao aho, ry dada. / Nankaiza dry i dada izay? / H.i. : Teny entina manaja ny lehilahy be taona, tokotokony ho rain'ny tena: Hialoha lalana anao aho,ry dada, fa aza fady. Ahitsio
Dabolera
[admin]
: (fr. doublure) a : Sosony na saikiny zairina ao anatin'ny akanjo na ny satroka mba hampahateza ny eo ivelany ary hahatsara azy sa-tria manenjana sy manatevina azy : Daboleran-tsatroka. Ahitsio
Dabokandro
[admin]
: a. : Enti-milaza ny fiompiana omby atondraka, izany hoe asaina miraoka amin'ny tany be ahitra any an'efitra sy eny amin'ny andro fotsiny eny, ka matavy sy tonga vaventy (daboka). - F.-p. : Mpanao dabokandro : mpampiraoka omby any an'efitra, mpivarotra omby. Ahitsio
Dabbka
[admin]
: a. : Ilazana ny fidob ky ny rano mitobaka maf ., na ny fitobany raha misy vaingan-javatra lehibe nalefa taminy. - t.i.f. : Midabôka, fidabdka. Ahitsio
Daboka
[admin]
: p.t. : Vaventy sy matavy (teny tsy mba fampiasa manokana fa misy fanampiny mandrakariva, dia izay hi-ta amin'ny hoe : dabo-dela, dabo-drano, dabokandro). Ahitsio
Daboka
[admin]
: ft. : Enti-milaza : Fianjerana. 1 Fitsorana mivalampatra. / Halavoana. • Fiaiken-keloka na fibabohana. 1 Famelezana, fanatontana. - t.i.f. : Dabohana na dabofana, adaboka, voadaboka, tafadaboka ( manadaboka na mandaboka, fandaboka, mpandaboka ) anadabohana, fanadabohana( midaboka,fidaboka, mpidaboka (idabohana, fidabohana ( mahadaboka)dabodaboka. Ahitsio
Dabohana
[admin]
: na Dabofana (daboka) mt.ih. (dabohy, dabofy) : Velezina, kapohina, tontaina : Maditra loatra io zaza io ka aoka hodabofandrainy any. Ahitsio
Dabofoka
[admin]
: a. : Fianjerana, ka ny tena manontolo no indray mivongady sy midaboka amin'ny tany, - t.i.f. : Midabofoka. Ahitsio
Dabo-drano
[admin]
: p.t. : Enti-milaza ny zana-borona (vorombe na ganagana ) matavy sy hifotrifotra. Ahitsio
Dabo-dela
[admin]
: p. t. : Enti-milaza ny olona matavitavy lela ka tsy afa-miteny tsara, fa raha miteny izy, dia mitrangatranga ny lelany ka tsy mahavoaka mazava ny teny lazainy ny feony fa toy ny miraikitra. Ahitsio