Teny nampidirina farany

Danihina
[admin]
: (danika) mt.ih. (daniho) : May, voadoro, asian' ny herin'ny hafanana : Danihin'ny andro aho eto fa aoka hihisakisaka any ho any. Ahitsio
Danidany
[admin]
: a. : Diridiry„fahafenoana izay mahatonga ho henjana, enti-milaza indrindra ny kibo feno rivotra na voky ioatra, na ny amponga tsara henjana koa ka midoboka er?. - t.i.f. : Midanidany, fidanidany / idanidaniana, fidanidaniana. Ahitsio
Dany
[admin]
: a. : Sitraka, izay tiana, fanaranana amin'ny sitrapo (tsy fampiasa raha tsy amin' ilay fombam-Pitenenana hoe : Danin 'ny kibo: sitraky ny fo : Efa tsy eo ambany mason-drainy intsony izy ka manao ny danin'nY kibony). Ahitsio
Dangory
[admin]
: (Ski) a. : Taolan'ny voan-tsatrana rehefa lany ny nofony eo ivelany. Ahitsio
Dangy
[admin]
: p. t. : Maty eo no ho eo, maty tampotampoka, maty tsy tra-drano, mitsitra eo no ho eo. ¶ M.h. : Jingy, jihitra. ~ H.i. : Enti-milaza ny olona lokin'ny hehy na mihomehy mafy, nefa amin'io hevitra io dia miampy ny teny hoe hehy izy : Dangin'ny hehy. Ahitsio
Dangea
[admin]
: (Ski) a. : Voan-tsatrana efa maniry mihamalemy ny nofony ary azo hanina. Ahitsio
Dangana
[admin]
: ft. : Enti-milaza fisondrotana avo, fahatongavana amin'ny toerana ambony amin'ny tendrony. - t.i.f. : Adangana / manadangana, fanadangana, mpanadangana I anadanganana, fanadanganana f midangana, fidangana, mpidangana f idanganana, fidanganana, mahadangana. Ahitsio
Danga
[admin]
: (Ski) a. : Enti-milaza ny volon'ny alika fotsy vozona : Danga mainty : maintY fotsy vozona. / Danga mena : mena fotsy vozona. / Danga mavo : mavo fotsy vozona. Ahitsio
Danesaka
[admin]
: a. : Fandeha tsY miraidraika, tsy rototra. 1 Fihetsika tsy maka sarotra. • Famindran'ireo matavy izay mamindra miadana sy miresaresa. - t.i.f. : Midanesaka, fidanesaka, mpidanesaka / idanesahana,fidanesahana. Ahitsio
Dananaka
[admin]
: a. sy p.t. : Olona tsY manana eritreritra, tsy mana-na ahiahy, mitsilam odam o-ka, ary mova tsy ny adaladala, dondrona. - t.i.f. : Midananaka,fidananaka, mpidananaka / idananahana, fidananahana. Ahitsio
Danadanaina
[admin]
: (danadana) m t. ih. (danadanao) : Avala hidanadana, hisokatra na hivoha malalaka tsara. Ahitsio
Danadana
[admin]
: ft. : Enti-milaza toetran'ny zavatra, toy ny varavarana, izay mivoha na misokatra tsara. - t.i.f. : Danadanaina, adanadana, voadanadana, tafadanadana I manadanadana / anadanadanana, fanadanadanana / midanadana, fidanadana, mpidanadana / idanadanana, fidanadanana, mahadanadana. Ahitsio
Damongy
[admin]
: (Ski) o. : Tsirin-tsatrana. Ahitsio
Damiaana
[admin]
: (fr. dame-jeanne) a : Karazana tavoahangy makadiry, kely tenda ary be kibo, fasiana divay. Ahitsio
Damadama
[admin]
: (Ski) a. : Vatolampy na tany tsy misy zavamaniry eny amoron-dranomasina izay voasafotry ny rano rehefa misondrotra ny ranomasina ary miseho kosa rehefa mihemotra ny ranomasina. Ahitsio
Dama
[admin]
:(fr. damier) a : Kilalaontsaina misy efitrefitra zato, mainty sy fotsy mifandimbindimby; ny vato dia voalahatra amin'ny laharan'efitrefitra roa farany, amin'ny andaniny sy an-kilany, ka mandroso izy ireo amin'ny laharan'efitrefitra tsy misy vato, ary dia mifampihinana amin' izay; ny an'ny dama, ihoarana no fihinana ny vato fa tsy tahaka ny an'ny fanorona izay aroso amin'ny toerana iray banga ka lany daholo ny vaton'ny ankilany amin'ny hitsin'ny tsipika nandrosoana azy; izay tapitra aloha ny vâto no resy toy ny amin'ny fanoronaihany. Ahitsio
Dama
[admin]
: a : Karazam-panoto be loba fitotoana tany mba hifatratra tsara. Ahitsio
Damà
[admin]
: a. : Karazan-damba. Ahitsio
Dalompy
[admin]
:(fr, varlope) a. : Vankona lehibe misy tahony kely itazonana azy. Ahitsio
Dalo
[admin]
: (t. tr.) p. t. : Fohy, zeny. Ahitsio