Borona [admin] | : | p.t. : Lany fananana tamin'nY loka na sitra-po ; tsy manana na inona na inona intsony : Borona tamin' ny loka Rabe ka mitakiky vava foana ankehitriny. Ahitsio |
Borôna [admin] | : | a. : Karazan-kazo madinika nolazain'ny Ntaolo ho mahaboka raha atao kitay, nefa nataony fanafody amin' ny ferifery sy nanasitranany ny fivontosana mahavoa ny biby ompiana. Ahitsio |
Borbka [admin] | : | a.: Mitovy hevitra amin'ny Baraka. Ahitsio |
Borobosy [admin] | : | p.t. : Enti-milaza ny olona vaventy ranjanana sady matavy botrefona. Ahitsio |
Borobonjy [admin] | : | (Ski) a. : Nofy mampiteniteny sy mampandehandeha ny olona. Ahitsio |
Boroboana [admin] | : | a.: Karazana mangahazo malemy ary tsara aoka izany raha atao sola-dena. Ahitsio |
Boroboaka [admin] | : | a : Karazan'akondro, mania somary mirirana ny hodiny, ary ny voany, la-va vaventy, mamy maisamaisatra kely. Ahitsio |
Borobaka [admin] | : | p. t.: Jer. Boroaka. Ahitsio |
Boroaka [admin] | : | p. t. : Loaka tanteraka hatrany ambadika, gorobaka. - t.i.f.: Boroahana, aboroaka 1 voaboroaka, tafaboroaka 1 manaboroaka, fanaboroaka, mpanaboroaka / anaboroahana, fanaboroahana I miboroaka, fihoroaka / iboroahana, fiboroahana / mahaboroaka / boroadroaka. Ahitsio |
Boroahana [admin] | : | (boroaka) mt.ih. (boroaho na boroahy) : Loahana tanteraka hatrany ambadika ; loahana an-daniny roa : Boroahy io hazo fisake io. Ahitsio |
Borizano [admin] | : | (fr. bourgeois) a.: A-narana niantsoana taloha ny olona sivilina tsy miaramila; ankehitriny, ny mpitondra posy sy filanjana ary ny mpitaona entana no lazaina amin'io teny io. Ahitsio |
Boritika [admin] | : | Boritsika p.t. : Mitovy hevitra amin'ny Bolitika. Ahitsio |
Boririke [admin] | : | (Ski) a : Bibikely misy Poizina. Ahitsio |
Boriky [admin] | : | (fr. bourrique) a. : Am-pondra. • H.i. : Olona donendrina, tsy mahalala na inona na inona fa bado velona : Ilay boriky vavy ital. Ahitsio |
Borigedry [admin] | : | (angl. brigade) a : Antoko-miaramila tamnn'ny tafika malagasY fahiny, Ahitsio |
Boridana [admin] | : | a. : Fandosirana sy fitsoahana tampoka (taloha, ary amin'ny foko sasany ankehitriny). ? Tsy fitafiana, tsy fiakanjoana (ankehitriny). - t.i.f.: Aboridana / manaboridana, fanaboridana, mpanaboridana / anaboridanana, fanaboridanana 1 miboridana, fiboridana, mpiboridana / iboridanana, fiboridanana I mahaboridana 1 boridandridana. Ahitsio |
Boriborina [admin] | : | (boribory) mt.ih. (boriborio) : Atao boribory, tsy asiana motiny na ambiny kely mihoatra, na banga hofenoina : Boriborio ho ariary zato re ny uidin'it? latabatra nataonao folo amby zato t? e! Ahitsio |
Boribory [admin] | : | p.t. : Enti-milaza vaingan-javatra tsy misy zoronjorony na lavany sy sakany fa toy ny laoranjy na ny baolina : Boribory ny kanety ilalaaouan'ny ankizy. * F.-p.: Haxo boribory : hazo tsy nofisahana fa nendahan-koditra f otsiny, ka ampi'_ asaina atao andry, rairaindrihana.... / Valy boribory : valin-teny tsy mifanendrihendry fa ataotao fotsiny noho ny tsy fahampian-tsaina na ny hatezerana. / Olona boribory : olona tsy manan-kavana fa izy irery tsy ambra tsy lambo no sisa velona eto antany. - t.i.f.: Boriborina / manaboribory, fanaboribory, mpanabofibory / anaboriboriana, fanaboriboriana. Ahitsio |
Bory [admin] | : | (Mer) p. t.: Anarana ilazana karazan'omby tsy misy tandroka na zara fa misy, ka ny fiantso azy matetika dia hoe omby bory. * F.p-.: Manao toton'omby bory: manao an-drezatra na an'aina ary tsy am-piheverana. Ahitsio |
Boretaka [admin] | : | p.t. : Malemy mandrevo na bodaka : Vary son boretaka. • Enti-milaza olona mipetraka mitsotra amin' ny tany tsy maharay tena. - t.i.f, : Aboretaka, voaboretaka, tafaboretaka 1 manaboretaka, fanaboretaka, mpanaboretaka 1 anaboretahana, fanaboretahana / miboretaka, fiboretaka, mpiboretaka / iboretahana, fiboretahana 1 mahaboretaka 1 boretadretaka. Ahitsio |