Teny nampidirina farany

Boresa
[admin]
: p,a : Votsa fihetsika, mitavozavoza. - t.i.f.: Miboresa, fiboresa, mpiboresa 1 iboresana, fiboresana / boresaresa. Ahitsio
Boreraina
[admin]
: (borera) mt.ih. (borerao) : Atao migorera, atao mivaroraka : Noborerainao ny entana ka aiza no tsy ho be uery. Ahitsio
Borera
[admin]
: p.t.: Malemilemy sy o-sa ; gorera : Zaza borera. - t.i.f.: Boreraina / manaborera, fanaborera, mpanaborera 1 miborera, fiborera / iborerana, fiborerana / mahaborera 1 borerarera. Ahitsio
Boredika
[admin]
: a : Tenin'olona ankisesy izay tsy azo tsara ny lazainy noho ny hafainganam-piteniny sy ny fanononany ratsy ny teny. • Teny tsy fantatra, teny baiko. - t.i.f.: Boredehina, aboredika 1 manaboredika, fanaboredika, mpanaboredika / anaboredehana, fanaboredehana miboredika, fiboredika, mpiboredika 1 iboredehana, fiboredehana / mahaboredika boredidredika. Ahitsio
Boredehina
[admin]
: (boredika) mt.ih. (boredeho) : Tenenina baingana : Tsy fantatro izay teny noberedehiny teo. Ahitsio
Boreda
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry. Ahitsio
Borataka
[admin]
: p. t. : Ngeza sy vaventy vahana ary matavy ; makadiry sady botrefana na botabota. Ahitsio
Borasaka
[admin]
: a : Mitovy amin'ny hoe Boraraka. Ahitsio
Boraraka
[admin]
: a.: Fandrarahana rano ka atao mitosaka sy mitobaka be. - t.i.f.: Borarahana, aboraraka / manaboraraka, fanaboraraka, mpanaboreraka 1 anaborarahana, fanaborarahana 1 miboraraka, fiboraraka / i-' borarahana, fiboraahana 1 mahaboraraka / boraradraraka. Ahitsio
Borarahana
[admin]
: (boraraka) mt.pdr. (boraraho) : Andrarahana zavatra, rano be dia be : Noborarahana rano ny lohany uao nisava ny hamamoany. Ahitsio
Boramena
[admin]
: p.t. : Enti-milaza tarehy tezitra na menatra ka mena : Boramena teo no ho eo izy raha uao norahonandRakoto. f' a : Anarana omen'ny olona ny karazan'olona fotsy somary mena mba hanarabiana sy hanesoana azy. Ahitsio
Boraketra
[admin]
: (angl. brochet) a. : Efi-teny ( ). Ahitsio
Boraka
[admin]
: a : Anaran-javamaniry fampiasa atao fanafody. Ahitsio
Boraka
[admin]
: Mivaha fatorana, misokatra fonosana, mivoraka. - t.i.f. : Borahina, aboraka, nobonoraka, voaboraka, tafaboraka 1 mamboraka na manaboraka, famboraka na fanaboraka, mpmmboraka na mpanaboraka 1 amborahana na anaborahana, famborabana na fanaborahana 1 miboraka, fiboraka 1 iborahana, fiborahana / mahaboraka / boraboraka. Ahitsio
Boraingina
[admin]
: na Boraingona a.: Fanaovana jadona amin-kery, fiteniko fe lehibe: Loza izany raha olona hanao didy boraingina: na tiana na tsy tiana, na mety na tsy mety, tsy maintsy atao. - F.-p.: Valy boraingona : valin-teny jadona tsy mifanaraka akory amin'izay tokony ho izy. Ahitsio
Borahina
[admin]
: (boraka) mt.ih. (boraho) : Alaina ary vahana hisaratsaraka : Noborahin'ny Polisy nY entany tao an-tranony ka nahitana zauatr'olona maro. • Ambara, aseho tsy misy afenina : Borahy amiko ny ao an-tsainao. Ahitsio
Boradaka
[admin]
: Jar. Baradaka. Ahitsio
Boraboraina
[admin]
: (borabora) mt.ih. (boraborao) : Atao miborabora. Ahitsio
Borabora
[admin]
: p.t. : Ratsy fehy, malemy fatotra : Borabora ny fehin'ny en tana fa ataouy mafimafy aloha vao mande-ha. • VaventY fa malemy Zazalahy borabora i Naivo vauenty fa kely aina. ? Mi-harda vatana, na ratsy fitafy : Borabora fitafY lava izao iny olona iny. • Malai-mihetsika, mitavozavoza : Olona borabora amin'izay rehetra ataony Rakoto. - t.i.f.: Boraboraina, aborabora, voaborabora, tafaborabora / mamorabora na manaborabora, famorabora na fanaborabora, mpamborabora na mpanaborabora 1 amoraborana, famoraborana / miborabora, fiborabora / iboraborana, fiboraborana 1 mahaborabora. Ahitsio
Bora
[admin]
: (Ski) a : Enti-milaza ny katsaka izay vao miantomboka miforona ny voany. Ahitsio