Teny nampidirina farany

Bongo
[admin]
: a.: Anarana ilazana ireo fakofako sy zavatra malemilemy angonin'ny biby sasany mba hilafihany. ¶ H. i.: Trano tsizarizary sady iva: Trano bongo. * Ohab.: Trano bongo misy ronono ka sarotra atao maiahelo: enti-milaza fa na ny mahantra aza dia mety hanana izay mahasambatra azy. Ahitsio
Bongo
[admin]
: a.: Anaran-kazo fakana loko mainty handokoana landy na kofehy, ary nampiasaina koa ho fanafody. Ahitsio
Bongo
[admin]
: a.: Sombin-tany mivaingana. Ahitsio
Bongo
[admin]
: (Ski) a: Fitsimponana ny sisa tsy voaotin'ny mpioty kabaro. Ahitsio
Bongo
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny tarehy na ny maso toa mivonto mivindimbindina: Bongo endrika izy. / Bongo maso ny zandrinao fa mahery mitomany. * Ohab.: Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny (ny sitrapony): enti-milaza nY olona voan'ny nataon'ny sitrapony ihany, nandrora mitsilany. Ahitsio
Bongo
[admin]
: a: Trano na lava-boalavo ipetrahany. Ahitsio
Bongo
[admin]
: a: Hazo madinika akana heza fampandairana loko. Ahitsio
Bongaina
[admin]
: p. t.: Mibongabonga: be bonga, ahitana sombin-tany mivaingana betsaka: Hafahafa izany aty aminareo izany fa tany bongaina, tany mibongabonga aoka izany. Ahitsio
Bongabe
[admin]
: a.: Aretina mahatonga ny bonga ho ngezabe sy makadiry. Ahitsio
Bonga
[admin]
: a.: Anarana iantsoana ny sakoivy raha mbola tsy miofo ho voangory (amin'ny foko sasany). Ahitsio
Bonga
[admin]
: a.: Filazana, amin'ny foko sasany, ny vihina, na ireo vongana roa eo ambanin'ny filahiana, 4 Bongabe. Ahitsio
Bonga
[admin]
: a.: Sombin-tany mivaingana, dongona kely. ¶ H. i.: Tendrombohitra na havoana avo sady lehibe: Any ambadiky ny bonga roa ambin'ny foira 6 t.t.f.: Bongaina J mibongabonga. Ahitsio
Bonenika
[admin]
: p. t.: Morabe, tsy moka mahery sady tsy rototra. - t.i.f.: Mibonenika, fibonenika, mpibonenika. Ahitsio
Bonara
[admin]
: a.: Karazan-kazo an'ala maniry indrindra any amin' ny tanin'ny Sakalava izay mampiasa ny hodiny amin' ny fanaovana tombokavatsa. Ahitsio
Bonanaka
[admin]
: p. t.: Sady lehibe no matavy, botrabotra sy botrefona. - t.i.f.: Mibonanaka, fibonanaka, mpibonanaka. Ahitsio
Bofiake
[admin]
: (Ski) a.: Vonin'ny landihazo. Ahitsio
Bonaka
[admin]
: Jar. Bonabona. Ahitsio
Bonaika
[admin]
: p. t.: Malemy paika, mora be sady toa tsy mihetsika mahery; tsy be pelipelika eo am-pipetrahana na eny am-pandehanana: Zazalahy bonaika iny zanakao iny, Ramatoa: fady azy izay hiadiady amin'ny namana na hipelipelika any am-pianarana. - t.i.f.: Mibonaika, fibonaikaJibonehana,fibonehana. Ahitsio
Bonabona
[admin]
: a: Fivontosana toa mizihijihitra nefa mihodrahocha, malemilemy. - t.i.f.: Mibonabona, fibonabona Jibonabonana,fibonabonana. Ahitsio
Bona
[admin]
: a.: Fofon-jabora na me-naira. - Maimbo bona: miss fofo-menaka ratsY. Ahitsio