Teny nampidirina farany

Bombo
[admin]
: (Ski) a: Aretin-jaza mitohana. Ahitsio
Bomba
[admin]
: a.: Fahan-tafondro, izay bala lehibe misy vy sy vanja. Ahitsio
Bomba
[admin]
: a.: Mitovy hevitra amin'ny Omba. - t.i.f.: Mambomba, fun-bomba, mpambomba. Ahitsio
Bolozy
[admin]
: (fr. blouse) a.: Akanjo fotsy lava atao arom-pitafiana eo am-panaovan-draharaha. `a - Sintom.bolozy: Tomba fanidianavozon'akanjo na pataloa amin'ny kofehy voazaitra ao anatin'ny si-sin 'akanj o. Ahitsio
Boloky
[admin]
: a.: Gadra famaizana ny olon-dratsY fahizaY, izay natao amin'ny vozona sy ny tanana ary ny tongotra koa aza mba tsy hahafahany mihetsi-mahery. -( Ahitsio
Boloky
[admin]
: a.: Anaram-borona mitovy amin'ny boaiza, fa lehibe, izay afa-mianatra nt' fitenin'ny olona. * Ohab.: Bolokilahy homamboantseva: fy ny atsy, mamy ny aroa: enti-milaza ny olona sady mifankahazo amin' ny atsy no mifankahazo amin'ny aroa. ¶ M. h.: Manao sotrobe lava tango; mahay atsy , mahay aroa. Ahitsio
Bolofotra
[admin]
: a: Fisesin'ny setroka na vovoka mitora-jofo. 4 t.i.f.: Mibolofotra. Ahitsio
Bolobolo
[admin]
: a.: Fisaritahan'ny volo, na bozaka na fako misavoritaka. ? Volomalemin' ny vorona. - t.i.f.: Mibolobolo, fibolobolo. Ahitsio
Bolivianina
[admin]
: (fr. Bolivien) a.: Ny firenena tompon-tant' any amin'ny tanin'i Bolivia (Amerika atsimo): Vitry nt' Bolivianina fa tsy mahatratra afa-tsy 4 tapitrisa mahery keiy monta. • p.t.: Momba an'i Bolivia, an'i Bolivia na avy any Bolivia: Ny tobimbolafotsy no foto-karena bolivianina. Ahitsio
Bolitika
[admin]
: p. a.: Jer. Bilitika. Ahitsio
Bolisatra
[admin]
: a: Fikorisan'ny tongotra tsy mahafahatra noho ny tany malama. ¶ M. h.: Bolasitra, bolaly. - t.i.f.: Bolisarana, abolisatra, tafabolisatra J mibolisatra, fibolisatra, mpibolisatra J ibolisarana, fibolisarana J mahabolisatra l bolisadisatra. Ahitsio
Bolila
[admin]
: Mitovy heuitra amin' ny Bolaly. Ahitsio
Bolila
[admin]
: a.: Fibolisarana kely, fikororosiana amin'ny tany malama, saingy kelikely ihany. • H. o.: Filefana, fiporitsahana. ¶ M. h.: Bolaly, bolasitra, bolisatra. - t.i.f.: Abolila, tafabolila f manabolila, fanabolila, mpanabolila f anabolilana, f anabolilana / mibolila, fibolila, mpibolila 1 ibollana, fibolilana f bolilalila. Ahitsio
Boliky
[admin]
: (Skl) a.: Ody heverina ho mitondra olona ho ao amin'ny toerana nahaverezan' ny zavatra tadiavina. Ahitsio
Bolidy
[admin]
: a.: Fialana, fandosirana tsy hanao adidy; fiporitsahana, fihatahana. - t.i.f.: Abolidy tafabolidy / mibolidy, fibolidy, mpibolidy / ibolidiana, fibolidiana / bolidilidy. Ahitsio
Bolidaozera
[admin]
: (Angl.-Am, : bulldozer) a.: Fiasana goafbe enti-milna ampiasaina mba hampikoy tany. Ahitsio
Boliaka
[admin]
: Jer. Bolia. Ahitsio
Bolia
[admin]
: Boliaka p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra mazava tsara mahafinaritra: Bolia maso, bolia manoro: teny fahita amin'ny angano, ilazana olona izay tsy misy zavatra tsy fantany. - t.i.f.: Miboliaka. Ahitsio
Boletaleta
[admin]
: p. t.: Enti-milaza clona fohy zenizeny vaventiventy ka miresaresa, tsy kinga rehefa mamindra. - t.i.f.: Miboletaleta, fiboletaleta / iboletaletana, fiboletaletana / mahaboletaleta. Ahitsio
Boletaka
[admin]
: p, t.: Kely sady iva, midina hifotetaka: Boletaka loatra itS latabatra it9 ka tsy azo anoratana. - t.i.f.: Miboletaka, fiboletaka. Ahitsio