Teny nampidirina farany

Bontsinina
[admin]
: (bontsina) mt.ih. (bon tsino) : Atao mizihitra : Bontsino ny baolina fa noana izy izany. •H.o.: Ambosina, vokisana : Nobontsinin' olona izy maton nahavita izany. Ahitsio
Bontsina
[admin]
: a. : Fivontosana ; fizihirana na fibibahana fa somary malemy mievotrevotra. ? H.o.: Fampirisihana hanao ratsy ; famokisana. - t.i.f.: Bontsinina, abontsina, voabontsina i manabontsina, na mambontsina, fanabontsina, mpanabontsina / anabontsinana, fanabontsinana / fibontsina, mpibontsina / ibontsinana, fibontsinana / mahabontsina / bontsimbontsina. Ahitsio
Bontèna
[admin]
: a.: Karazan-kazo vaventy, anisan'ny ngeza eto ambonin'ny tany. Ahitsio
Bontolo
[admin]
: p. t.: VaventY makadiry ary iray tsy mivaky Kanety bontolo. - F.-p.: Bontolo fo : tokanteny, izany hoe tsY mba mivadibadika amin'ny teny ataony fa rehefa izay dia izay. / Lamba bontolo : lamba tsy mivitrana. / Olona bontolontolo : olona fohy nefa vaventy, boribory. / Manao bontolo fotsiny amin'izao : manao an'aina sy amborivory fotsiny, milaza hevitra an-terisetra sy tsy maintsy arahina na marina na diso. Ahitsio
Bontanaka
[admin]
: a. : Biby maintimainty toy ny fandaibe, sady volovoloina ihany koa saingy tsy mba mandratra ny lainy ; mipetaka mivangongo mitambatra ranoray eny amin'ny vatan-kazo loaka no mazàna ahitana azy. Ahitsio
Bontàna
[admin]
: (Ski) a.: Hazandrano kely be kibo, tsy azo hanina atody fa mahafaty. Ahitsio
Bontana
[admin]
: a. : Karazam-bibikely mivelona eny amin'ny ravim-paraky. Ahitsio
Bontana
[admin]
: p. t. : Fizihirana mitokana ; fivontosana izay miavaka. - t.i.f.: Mibontana, fibontana i ibontanana, fibontanana. Ahitsio
Bontana
[admin]
: o.: Taovolo atao mihorongorona hisy bokony eo an-katoka. - t.i.f.: Manabontana, f na abontana, mpanabontana J anabontanana, fanabontanana. a F.-p.: Tsy mahavaly bontana : matetika no mifanabontana ny vehivavy taloha, ka raha nisy olona nanabontana ny volonao, nefa aty aoriana tsy mba mety manabontana ny azy ianao, dia natao hoe Tsy mahavaly bontana ianao, izany hoe tsy mahavaly ny soa nataon'ny olona anao. Ahitsio
Bonory
[admin]
: (bory) mt ih. misy tsofoka on : Voabory, borina na boriana : Tsy nobonoriny tsara ny rambon'it? alika US) ka hafahafa. Ahitsio
Bonoraka
[admin]
: (boraka) mt. ih. misy tsofoka on : Voaboraka, borahina, vahana : Nobonoraka ny entany ka inona no tao hoy ianao Vato kely. Aposaka, ambara, aseho : Nobonorany tamiko ny tao am-pony. Ahitsio
Bononoka
[admin]
: a.: Mangahazo voavaofy ary nalona tao anaty rano mandeha nandritry ny efatra na dimy andro; rehefa tapitra io fetr' andro io dia sasana tsara ary andrahoina amin'ny entona, ary azo hanina amin'izay; ny bononoka izay toy ny an'ny faorimazy "camembert" ny fofony dia ankafizin'ny tantsaha, indrindra amin'ny faritr'Ambatolampy sy Arivonimamo. Ahitsio
Bonoky
[admin]
: (Atf) a.: Toto-mangahazo afangaro amin'ny akondro ka andrahoina anaty ravin-dravinala. Ahitsio
Bonoka
[admin]
: a.: Fifonosana amin' ny fitafiana maf ana. - t.i.f.: Bonohina, abonoka, voabonoka, tafabonoka I manabonoka, mambonoka, fanabonoka, fambonoka, mpanabonoka, mpambonoka J anabonohana, fanabonohana / mibonoka, fibonoka, mpibonoka J ibonohana, fibonohana J mahabonoka J bonobonoka. Ahitsio
Bonohina
[admin]
: (bonoka) mt. ih. (bonohy): Rakofana tsara mba hafana. Ahitsio
Bonobonoka
[admin]
: a.; t.v.r.: Bonoka. Ahitsio
Bonibony
[admin]
: a.: Aretina mamorofotra madinika mpamely ny zaza; ny bonibony dia manomboka amin'ny fanaviana maivamaivana sy aretin'andoha ary aretin-tenda kely, dia miseho amin'izay ny mamorofotra rehefa afaka indray na indroa andro; indraindray anefa, mety tsy hiseho ny bonibony, atao hoe milentika izy amin'izay, ka ratsiratsy kokoa aza izy amin'izay noho ny raha mise-ho. Ahitsio
Bonia
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra tsara mahafinaritra, mahatehotia, baliaka. ¶ M. h.: Baholy. Ahitsio
Bonia
[admin]
: a. sady p. t.: Enti-milaza olona mahira-tsaina sy mahatsinjo lavitra ary mahavita zava-mahagaga amin'ny angano. Ahitsio
Bony
[admin]
: a.: Jer. Abony. Ahitsio