Teny nampidirina farany

Bolasitra
[admin]
: a.: Mitovy hevitra amin'ny Bolisatra. Ahitsio
Bolasirana
[admin]
: (bolasitra) mt. ih. (bolasiro): Akorisa. Ahitsio
Bolan-tany
[admin]
: a.: Anarana omena itf tany onenantsika itf a- min'ny maha-planeta azy, i- ray amin'ireo sivy mihodidina ny masoandro; miendrika bola somary fisaka eo amin' ny tendrony roa ny bikany, ka mirefy 6.378.388 m, ny tanany mankany amin'ny ekoatera, ary 6.366.912 m. ny mankany amin'ny tendron-tany. Ahitsio
Bolangina
[admin]
: p. t.: Vaventy sadY salama, dongadonga matavy: Tovolahy bolangina no hitan'ny masoko niditra ny varavarana. - t.i.f.: Mibolangina, fibolangina / mahabolangina / bolangindangina. Ahitsio
Bolaly
[admin]
: a.: Fikorisana noho ny tany malemy, bolasitra, bolisatra. - t.i.f.: Abolaly, / mibolaly, fibolaly, mpibolaly. Ahitsio
Bolaky
[admin]
: a,: Fampakarana zavatra hiainga, ka toy izao ny toetoetran'ny fiasany: misy mahazaka mihodidina vy boribory lavalava, izay mirotsaka an-daniny roa avy ny tendrony anankiroa, ka raha sintonina ny laniny iras dia miakatra kosa ny zavatra a-tao eo amin'ilay laniny faharoa. Ahitsio
Bola
[admin]
: a.: Teny enti-milaza vaingana boribory tanteraka. Ahitsio
Bokotra
[admin]
: d.: Zavatra vita tamin' ny tandroka na hazo na nifin'elefanta voamboatra boribory ka apetaka amin'ny akanjo mba hanidiana ny laniny roa aminy misaraka: Boko-palitao. • Lava-bokotra: lavaka atao amin'ny akanjo izay zairina ny sisiny ary atao hidin'ny bokotra. - H. i.: Zavatra boribory fampandehanana ny vata fandraisam-peo sasantsasany: Ahodino ny bokotra fa tsy tiako izany hira izany. Ahitsio
Bokony
[admin]
: a.: Ravina mihorona ary tonga boribory, na ny vonin'ny tsimo-kazo mbola tsy mivelatra: Bokon-daisoa. Ahitsio
Boko
[admin]
: a: Zavatra boribory izay matetika hita eny amin'ny lohan-javatra: Ny bokon'ny haro fanin -tohatra. - t.i.f.: Mibokoboko, fibokoboko,bokony, Ahitsio
Bokitse
[admin]
: (Ski) a: Nofo ao anatin'ny voan-tsatrana Lena. Ahitsio
Bokitra
[admin]
: a.: Fibontsinana, fibohirana. - t.i.f : Manabokitra, fanabokitra, mpanabokitra / anabokirana, fanabokirana / mibokitra, fibokitra / ibokirana, fibokirana / mahabokitra 1 bokitrakitra. Ahitsio
Boky
[admin]
: (angl. book) a.: Ravintaratasy maro misy sora-pirinty voatambatra ho iras: Ny boky no ioharanom-pahalaiana sy fahaizana. / Manoratra boky / Manonta boky. - F.-p.: Miondam-boky: enti-milaza izay tsy misaraka amin'ny boky, tia fianarana, tia vakiteny. Ahitsio
Boky
[admin]
: (Ski) a.: Biby mampinono mpamono voalavo. Ahitsio
Bokeoke
[admin]
: (Skl) a.: Vorompotsy. Ahitsio
Bokatraka
[admin]
: Jer. Bokatra. Ahitsio
Bokàtra
[admin]
: Bokatraka p.t.: Enti-milaza ny soratra vaventy mibakabaka na rary misy elanelany be, na rary na tenona be maso. Ahitsio
Bokaka
[admin]
: a.: Ditin'akondro mora mirehitra raha vao maharay tselatr'afo avy amin'ny vato kapaika izay nampifampikasohina. Ahitsio
Bokaina
[admin]
: na Habokaina (boka) mt. ih (bokao, habokao): Haratsina izaitsizy, alana baraka, zimbazimbaina: Aza bokainao, habokainao ny entanay. Ahitsio
Bokaboka
[admin]
: p. t.: Misy mivontovonto kely na mivotrovotro: Toa bokaboka itf voankazo itf izany ka tsy tiako. * Ohab.: Ataovy toy ny londy, ny bokaboka mameno ny kely andilana: aoka hifanampy ka ny manana tombony hameno ny tsy ampy. Ahitsio