Bobongolo [admin] | : | a.: Zavatra miendri-kolatra madinika mandroadroatra mipetaka amin' ny zavatra nipetraka maharitra tamin'ny mando: Azon' ny bobongolo ny kiraroko nipetraka herinandro tao anjoron-trano tao. • p. t,: Mihintsana be ihany fa efa lo, simba, lomorina: Fanaka bobongolo no hita tao an'efitrano made. Ahitsio |
Boboka [admin] | : | p. t.: Vonton-drano: Bobo-drano ireto hazo ireto ka tokony hafindra toerana. • Voky na feno be loatra ka manjary leo: Boboky ny divay ny anao lahy uao niala tao ka mamo nidarabodraboka eran'ny arabe fotsiny.H. o.: Lao, tofoka, tsy tia herika: Boboky ny fianarana, hono, Rabe. ? Rakotra bobongolo noho ny hamandoana be loatra ka manomboka ho simba: Boboka tato lahy ireto boky ireto no-ho ny hamandoana - t.i.f.: Bobohana, aboboka, voaboboka 1 manaboboka, fanaboboka, mpanaboboka / anabobohana, fanabobohana / miboboka, fiboboka, mpiboboka / mahaboboka / boboboboka. Ahitsio |
Bobohana [admin] | : | (boboka) mt. 1h. (bobohy): Vontoson-drano, ampisotroina tafahoatra, a-tao izay hahaleo: Nobobohiny toaka lahy ny zanako! Ahitsio |
Boboboboina [admin] | : | (bobobobo) mt. ih. (boboboboy): Asitrika ao anaty rano. • Atao mibobobobo, izany hoe ampanenoina mba hanome feo migoboka sesilany: Boboboboy ny anjombona sao tsy mahare ny er? an-dafin-drano. Ahitsio |
Bobobobo [admin] | : | a.: Ny feon-drano toa mitapatapaka ary migobongobona miditra anaty tavoahangy na aidina avy ao anaty tavoahangy. • Ny feon' ny anjombona na ny feon-javatra migoboka manao sesilany ary lavareny. - t.i.f,: Boboboboina, abobobobo / manabobobobo, fanabobobobo, mpanabobobobo / anaboboboboana, fanaboboboboana. Ahitsio |
Bobo [admin] | : | p. t.: Fotsy dia fotsy, fotsy botsiaka. - F,-p,: Fotsy bobo: enti-milaza olona mana volon-koditra fotsy hafahafa vokatry ny toe-javatra manokana, dia ny tsy fisian'ilay zavatra mpandoko ny hoditra sy ny volo raha miforona ao an-kibon-dreniny ny zaza. Ahitsio |
Bobaka [admin] | : | ft.: Enti-milaza fivontosana be, fizihirana makadiry, • p, t. (t. t. m. ): Be dia be, zavon-tany: Bobaka ny manga ao an-tsena. - t.i.f.: Mibobaka, fiboboka / ibobahana, fibobahana. Ahitsio |
Bobaina [admin] | : | (boba) mt. ih. (bobay): Vidin mora dia mors: Nobobaiko ireto voankazo ireto. Ahitsio |
Boba [admin] | : | p. t.: Mora vidy izaitsizy, ambany vidy aoka izany: Varo-boba it? ny eto an-tsena fa hariva ny andro no avy ny orana. / Boba ny uoankazo. - t.i.f.: Bobaina 1 mamboba, famboba, mpamboba / ambobana, fambobana. Ahitsio |
Boaty [admin] | : | (fr. boîte) a.: Vata kelY vita amin'ny hazo na baoritra na metaly: Boatin-dronono. Ahitsio |
Boanana [admin] | : | (boana) mt. ih. (boa-no): Vohana mafy ka mikotrokotroka sy mirefotra: Aza boanana ny varavarana fa mahasosotra. Ahitsio |
Boana [admin] | : | ft.: Enti-milaza fivoahan-javatra, toy ny varavarana, amim-peo mafy; figoana; fidridro na fidridroka. - t.i.f.: Boanana mamboana, famboana, mpamboana, miboana, fiboana I iboanana, fiboanana. Ahitsio |
Boalaboala [admin] | : | ft.: Enti-milaza ny toetran'ny hazo mifanety, mifanizina. - t.i.f.: Miboalaboala, fiboalaboala. Ahitsio |
Boaiza [admin] | : | a: Sarivazo kely maitso. Ahitsio |
Boafa [admin] | : | (t.tr,) p. t.: Goay, makadiry. Ahitsio |
Boafa [admin] | : | p, t.: Vaventy matavy; botrefona sady lehibe. - t.i.f.: Boafaboafa. Ahitsio |
Boadaka [admin] | : | Boadaboadaka: Jer. Boada: Boadaboada. Ahitsio |
Boada [admin] | : | Boadaboada a.: Teny misafotofoto tsy hita laniny, miboredidredilta. - t.i.f.: Aboadaboada / miboadaboada, fiboadaboada, mpiboadaboada liboadaboadana, fiboadaboadana. Ahitsio |
Bo [admin] | : | a.: Feo avoakan'ny vavafivalanana rehefa mangetotra: Manao bo. Ahitsio |
Bo [admin] | : | a.: Zavatra malemy mibofoka. • Tendron'ny tahon'afokasoka misy ny vanjany. Ahitsio |