Teny nampidirina farany

Bo
[admin]
: a.: Zavatra mora mirehitra sahala amin'ny vohavohandandihazo natao handraisana afo amin'ny vato kapaika na vatoafo. Ahitsio
Bo
[admin]
: a.: Enti-milaza ny fidoboky ny zavatra mianjera na mipoaka mafy. i Mibo. Ahitsio
Bo
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa mba hampitombo na hanamafy ny hevitry ny fototeny tsotra voalohany: Bosesika (sesika). Ahitsio
Bizizioka
[admin]
: a: Jer. Biririoka. Ahitsio
Bitsika
[admin]
: p. t.: Kely dia kely, pitiny kely. Ahitsio
Bitsika
[admin]
: a.: Teny lazaina malemilemy eo akaikin'ny sofina fa tsy tiana ho ren'ny hafa. - t.i.f.: Bitsihina, abitsika, binitsika, voabitsika 1 mainbitsika, fombitsika, mpambitsika I ambitsihana, fambitsihana / mibitsika, fibitslka, mpibitsika j ibitsihana, fibitsihana. Ahitsio
Bitsihina
[admin]
: (bitsika) mt. ih. (bitsiho): Ilazana zavatra malemilemy eo akaikin'ny sofina: Bitsiho kely Rangahy io fa mitady azy ao alatrano ny zanany. Ahitsio
Bitro
[admin]
: (angl. rabbit) a.: Biby fiompy fihinana sahala habe amin'ny saka, saingy lava sofina sy mihinana ahitra na zavamaniry. * F.-p.: Manao tera-bitro: enti-milaza am-bazivazy vehivavy miteraka matetika. Ahitsio
Bitongoa
[admin]
: (Tsm.) a.: Fombantolona omby: ny tanana roa mamikitra amin'ny trafo, ny tongotra roa mikiraviravy. Ahitsio
Bitika
[admin]
: p. t.: Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika, / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo. * F.-p.: Kely sy bitika: entimilaza am-panetren-tena ny toetran'ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika ad anaty ala atS. (Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin'ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...) Ahitsio
Bitaka
[admin]
: a.: Fitsinjahana noho ny hafaliana, - t.i.f.: Mibitaka, fibitaka, mpibitaka / ibitahana, fibitahana / bitabitaka. Ahitsio
Bitabita
[admin]
: p. t,: Entina hilazana ny kibo voky mitsinatsinaka. Ahitsio
Bisioka
[admin]
: a.: Fiviliana mba hihataka. 1 t.if.: Abisioka,voabisioka, tafabisioka / manabisioka, fanabisioka, mpanabisioka / anabisiohana, fanabisiohana / mibisioka, fibirioka, mpibisioka l ibisiohana, fibisiohana / mahabisioka. Ahitsio
Bisikoy
[admin]
: (fr. biscuit) ci.: Mofokely efa-joro na boribory vita amin'ny nonono sy dibe-ra. Ahitsio
Bisikilety
[admin]
: (fr. bicyclette) a.: Fita ov am -pan dehanana misy familiana sy kodiarana roa mifanao aloha sy aoriana, ka fivoy, eo afovoany, misy rantsany roa havia sy havanana izay hitsahin'ny tongotra no mampihodina ny kodiarana ka mampandeha azy; nomena anarana koa hoe Tongomalady. Ahitsio
Biritika
[admin]
: Biritsika p, a.: Jer. Bilitika. Ahitsio
Biririoka
[admin]
: a.: Fanenon-javatra toa misiaka mandalo mafy, toy ny an'ny karavasY, baba miserana. - t.i.f.: Mibiririoka, fibiririoka. Ahitsio
Birioka
[admin]
: a: Fiviliana any amie' ny tsy izy. - t.i.f.: Abirioka, voabirioka, tafabisioka / manabirioka, fanabirioka, mpanabirioka 1 anabiriohana, fanabiriohana / mibirioka, fibirioka, fibiniohana. Ahitsio
Biriky
[admin]
: (fr. brique) a.: Feta ampandrina ka alatsaka anaty lasitra (hazo lavalava efa-joro) ka ananganana trano rehefa maina; misy karazany roa ny biriky: ireo atao amin'ny tany tsotra, izay atao hoe biriky tany, ary ireo a-tao amin'ny tanimanga na tany dilatra, izay atao hoe biriky tanimanga; ireto faharoa dia tsy maintsy dorana ao anaty lafaoro amin'ny fompotra na amin'ny kitay hazo. Ahitsio
Biraina
[admin]
: (bira) mt. ih. (birao): Amosavina, vorehina. Ahitsio