Teny nampidirina farany

Boeriboerika
[admin]
: a.: Teny tsy azo, teny tsy fantatra; fiteny misafotofoto sy miradarada sady mikorontana. ? H. 1.: Fiboredehana rehefa entin-katezerana. - t.i.f.: Boeriboerehina, aboeriboerika 1 miboeriboerika, fiboeriboerika, mpiboeriboerika j iboeriboerehana, iboeriboerehana I mahaboeriboerika. Ahitsio
Boeriboerehina
[admin]
: (boeriboerika) mt. ih, (boeriboereho): A-naovana boeriboerika, itenenana teny misafotofoto sy miradarada ary mikorontana; enti-milaza izay olona mahatezitra. Ahitsio
Boenga
[admin]
: (Ski) a,: Anaram-biby karazan'ny vontsira. Ahitsio
Boediboedika
[admin]
: a.: Jer. Boeriboerika. Ahitsio
Bodofotsy
[admin]
: a.: Firakotra mate-vina vita amin'ny fahana vaventy landihazo na volonondry: Bodofotsy mainty ny an'ny miaramila. / Mitafy bodofotsy rehefa mangatsiaka ny olona eny ambanivohitra. Ahitsio
Bodofo
[admin]
: na Bodofony a.: Tsimoka amin'ny bararata. Ahitsio
Bodobodony
[admin]
: p. t.: Mpanao toetr'ankizy, be haitraitra, • Vaventiventy mahafatifaty toy ny zazakely. Ahitsio
Bodoana
[admin]
: na Bodoina (bodo) mt. ih. (bodoY): mania na tazonina an-keriny ho an'ny tena: Bodoin'ny zanakao fotsiny ny kilalaon-janako. / Tsy valahara izany raha lehilahy: nobodoany ny vadin' olona. Ahitsio
Bodo
[admin]
: a.: Fitanana, fitazonana zavatr'olona an-keriny ho an' ny tena. - t.i.f.: Bodoana, bodoina, voabodo, tafabodo / manabodo, fanabodo, mpanabodo 1 anabodoana, fanabodoana j mibodo, fibodo, mpibodo / ibodoana, fibodoana 1 mahabodo. * F.-p,: Manao bodo ngerona: mitana zavatr'olona ka tsy mety mamerina na inona na inona atao azy. Ahitsio
Bodo
[admin]
: p, t.: Manao toe-jaza, toetr'ankizy, tsotra loatra; enti-milaza koa olona antitra miverina amin'ny fahazazana. Ahitsio
Bodo
[admin]
: a. sy p. t.: Zaza saina sy fihevitra: Izay bodo adala iny ve hahalala hanao izany? / Zaza dobo tokoa ianao, ry Koto! izany avy ka tsy ho fantatra. * F,-p,: Bodokely: zazavavy tanora manambady lahiantitra. Ahitsio
Bodisma
[admin]
: (fr bouddhisme) a.: Antokom-pivavahana naorin' i Bouddha arahin'ny mponina any Inde, Sina..., nandray betsaka tamin'ny Brahmanisma. Ahitsio
Bodisy
[admin]
: (t.tr.) p. t.: Ratsy. • a : Andriamanitra mpandringana. Ahitsio
Bodioro
[admin]
: (fr. bout-dehors du foc) (Ski) a.: Ilay hazo mahitsy eo andohan'ny botry. Ahitsio
Bodika
[admin]
: ft.: Enti-milaza zavatra misavorovoro, misavoritaka. i t.i.f.: Bodehina, abodika 1 manabodika, fanabodika, mpanabodika 1 anabodehana, fanabodehana 1 mibodika, fibodika / ibodehana, fibodehana. Ahitsio
Bodehina
[admin]
: (bodika) mt. ih, (bodeho): Asavorovoro, asavoritaka: Aza bodehina re, ry Koto, ny kofehy. / Nobodehiny teo ny fitenenana ka tsy hita intsony izay yentinkevitra Ahitsio
Bode
[admin]
: na Kibode (Ski) a.: Zana-borona sarahina amin-dreniny ka velomina mitokana. Ahitsio
Bodaina
[admin]
: (boda) mt. 1h. (bodao): Atao izay hahalemy azy, lemena. Ahitsio
Boda
[admin]
: Bodaka p, t.: Malemy: Vary bodaka. / Vomanga bodaka, Boda ny vomanga. ¶ M. h.: Modaka. - t.i.f.: Bodaina, voaboda 1 manaboda, fnboda, mpanaboda / anabodana, fanabodana 1 mahaboda, bodaboda. Ahitsio
Bobovola
[admin]
: (t,tr.): Sinibe vola. Ahitsio