Teny nampidirina farany

Bira
[admin]
: ci.: Ody famosaviana. Ahitsio
Bipany
[admin]
: (Tsm.) a.: Sikin-dahy matevina, misy soratra sy be velarana. Ahitsio
Biovara
[admin]
: (fr. buvard) a: Fanamainan-tsoratra vao nosoratana amin'ny ranomainty, bilaotra. Ahitsio
Bintsy
[admin]
: a.: Karazan-damba soga, madini-tenona sady mikitroka ka mafy kokoa noho ny saga tsotra ary malama tsy misy volony. Ahitsio
Binitsika
[admin]
: (bitsika) mt. ih. misy tsofoka in: Voabitsika, bitsihina, ilazana zavatra lazaina malemilemy eo am-poto-tsofina: Inona no nobinitsiny taminao tao! Ahitsio
Bingona
[admin]
: a,: Karazan-javamaneno tsofina avo feo sy karantsana: Mpitsoka bingona. Ahitsio
Bingom-po
[admin]
: (t.tr.) a.: Haitraitra. Ahitsio
Bingo
[admin]
: p. t.: Bila, filaza indrindra amin'ny tongotra; ny olona bingo dia manana tongotra tsy mba mahitsy fijoro fa somary mibaraingo toa miditra (mifanohitra aminy: tsivaka). * Ohab.: Bingo manao matso ka misalouana ny an'ny sasany: ny olona tsy mahay nefa miditriditra amin'ny raharahan'ny sasany dia tsy manao afa-tsy ny manimba zavatra fotsiny. / Bingo ny mpitarika ka tsy mahitsy fandeha ny mpanaraka: izay toetra sy fihetsiky ny mpitondra ihany no toetra sy fihetsiky nt' olona entina. - F.-p.: Bingo tanana: entimilaza ny olona izay toa miditra atf anatiny ny tanany ka mivoaka kosa ny kihony. Ahitsio
Bineda
[admin]
: (beda) mt. ih. misy tsofoka in: Voabeda, bedaina, fihinina amin'ny sandry: Ho nobinedan'ny fahaualo aho raha tratrany tao. Ahitsio
Binata
[admin]
: (bata) mt. ih. misy tsofoka in: Voabata, bataina: Nobinatako ilay entana fa tsy zakako. Ahitsio
Binango
[admin]
: (bongo) mt. 1h. misy tsofoka in: Voabango, bangoina: Tsy mba volo nobinango izao, ry Ketaka! Ahitsio
Binanga
[admin]
: (banga) mt. misy tsofoka in: Voabanga, ban-gaina, simahana: Nahoana no nobinanganao ny tsofako? Ahitsio
Binala
[admin]
: (bala) mt. ih. misy tsofoka in: Voabala, balana, asiana bala: Nobinalan'ny fahavalo ny sandriny. Ahitsio
Binàka
[admin]
: (baka) mt. ih. misy tsofoka in: Atao mihataka toy ny tarehintsoratra V (tandrok'omby). Ahitsio
Binaiko
[admin]
: (baiko) ,nt. ih. misy tsofoka in: Voabaiko, baikoina, omena baiko: Nobinaikony tamin'ny masony fotsiny ilay alika dia nanatona. Ahitsio
Binabina
[admin]
: Binaka: Jer. Bina. Ahitsio
Binaby
[admin]
: (baby) mt, ih. misy tsofoka in: Voababy, baba-na, atao am-babena: Nobinabiny ny zanany dia lasa iz y. Ahitsio
Bina
[admin]
: Binaka, Binabina, Binabinaka ft.: Milaza fivontosana, fibontsinana. - t.i.f.: Mibinaka, mibinabina, mibinabinaka / fibinaka, fibinabina,fibinabinaka. Ahitsio
Bimora
[admin]
: (Tsm.) a.: Karazan' oviala misy poizina mahafaty. Ahitsio
Bilogoma
[admin]
: (angl. blue-gum) a.: Anarana iantsoana ny hazo kininina. Ahitsio