Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misotrisotry: (sotrisotry) p.t.: Mianjonanjona; be kiry, be tohika. Ahitsio
Misotro: (sotro) mt. p. (misotroa): Mitondra rano ao am-bava na mitroka amin'ny va-va, dia mitelina: Misotro rano amin'ny zinga. • h.i.: Misotro toaka: Mampalahelo fa nanjary nisotro Rakoto tato anatin'ny herintaona. - F,-p.: Misotro ny aleoko maty: vonona hanao zavatsarotra sy manahirana na hihatra hatramin'ny fahafatesana aza. / Misotro rano tsy tiana: enti-milaza ny reny mijaly miaritra ny mafy eo am-piterahana ny zanany. / Misotro ron-danitra: mande-ha milanjalanja loha, miavonavona. (Misotro vokaka: enti-milaza fianianana sy tokimpanompoana natao fehizay raha nisy mpanjaka vao niseho. / Misotro ny mangidy tsy telina: sendra ny mafy mila tsy ho zaka. ¶ M.h.: Manala hetaheta, miala hetaheta, miboboka, mi-, goka, manao gorodana, manao gagaka, manao gok'omby, mitohoka, manao kararana, minons. Ahitsio
Misovoka: (sovoka) mt. s. (misovoha): Mamely tampoka, manampoka: Nisovoka ny fahavalo. 1 Miditra mangina sy misokosoko mba tsy ho hita na ho re: Nisovoka namangy ny hauany izy. ¶ M, h.: Misoko. Ahitsio
Misy: (isy) mt. s. (misia): Teny enti-milaza ny fijoroan'ny maha-izy ny zavatra iray: Misy Andriamanitra. / Misy ny tody. ? Teny ilazana ny maha-eo ny olona na zavatra iray na maro: Misy (olona) mitady anao ao an-tokotany. ? Ary, teraka, velona: Tsy mbola nisy akory ianao tamin'izany fa aza miteny. - Ahitsio
Mita: (ita) mt. p. (mita): Mirobo-drano ho eny an-dafindrano: TerY ambonimbony izahay no nita (rano). ¶ M. h.: Mitsaka. • Mandeha andakana: Nita lakana izahay uao tonga teny an-tanàna. ? Tonga eny an-dafm'ny hady, lohasaha: Nita tory an-dafin' ny lohasaha ny omby ny tolakandro. * Ohab.: Mita be tsy ianin' ny mamba: raha be no miara-manao zavatra, voasoroka ny loza mety hahazo. / Mita rano saro-mamba: mandalo fotoan-tsarotra. Ahitsio
Mita: a.: Karazan'ahitra mantra. Ahitsio
Mitaba: (taba) mt. s. (mitabà): Manakorontana. • Mihinanjavatra ka miosanosana eo am-pihinanana. Ahitsio
Mitabaka: (tabaka) mt. s. (mitabàha): Miely toy ny rano tondraka mihoa-pefy; miparitaka, miditra betsaka: Nitabaka tao an-dohasaha ny omby. Ahitsio
Mitabariaka: (tabariaka) mt. s. (mitabariàha): Miely, mipariaka, miparitaka, mihahaka: Mitabariaka eran'ny lohasaha ny ondry. Ahitsio
Mitabataba: (tabataba) mt s. (mitabatabà): Manao horakoraka na kotaba: Roahy any ireo ankizy ireo fa mitabataba. 1 Misy korontana: Mitabataba ny faritany raha tsy mahay mitondra ny lehibe. Ahitsio
Mitaboika: (taboika) mt. s.: Mivoaka avy anaty tany, vatolampy...: Mitaboika avy amin'ny vatolampy io rano io. Ahitsio
Mitabonaka: (tabonaka) mt, s.: Mibontsina, mivozihitra. Ahitsio
Mitaboretaka: (taboretaka) mt, s.: Mipetraka mibotetaka, mietsy, miletsy: Nitaboretaka ilay kisoa azon'ny tauiny. Ahitsio
Mitaboroaka: (taboroaka) mt, s.: Miseho any ambadika ny loaka, loaka borobaka. Ahitsio
Mitaborobaka: (taborobaka) mt. s.: Loaka tanteraka, migorobaka. Ahitsio
Mitabotetaka: (tabotetaka) mt. s.: Mipetraka amin'ny fanambaniny. Ahitsio
Mitadidy: (tadidy) mt, s.(mitadidiaua): Manao izay hahatsiarovana zavatra na olona: Noarahabaiko izy, nefa tsy namaly ny arahabako, fa mbola nitadidy ny anarako. Ahitsio
Mitady: (tady) mt s.: Vita tady. Ahitsio
Mitady: (tady) mt. p. (mitadiava): Manao izay hahitana, mikaroka, mizaha: Mitady ny uery. / Mitady raharaha Mit izy fa tsy mahita. 1 Maniry: Tsy misy mitady ny ho mahantra akory fa matetika manao izay ho vita ihany saingy tsy ambinina. - Mitady loza: manao kitoatoa ka toa tsy mahatsapa izay hahavoa na hahafaty azy. / Mitady vady: mijerijery na mamotopototra olona halaina ho vady. * Ohab.: Mitady nifin'akoho tsy haniry: maniry zavatra tsy ho tonga na ho azo na oviana na oviana. / Mitady tany malemy hanorenampangady: manararaotra ka tsy maka ny sarotra raha misy hatao fa ny moramora mandrakariva, na dia tsy aradrariny aza. ¶ M.h.: Mizaha, mikaroka, miharana, mangirika, mlkataaka. Ahitsio
Mitafa: (tafa) nit, s. (mitafà): Miresaka lavareny toa entina mandany andro fotsiny. * Ohab.: Mitafa amin'ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano: izay mandany andro miresaka amin' ny mpanankarena, dia ho lany ny efa kely eo an-tanany. Ahitsio