Teny nampidirina farany

Tambolavola
[admin]
: a.: Kiborin-javatra maditidity, toy ny vary masaka, fats, tanimanga, ka potsipotsehina sy volavolaina amin'ny tanana. - t.i.f.: Tambolavolaina, voatambolavola / manatambolavola, fanatambolavola, mpanatambolavola / anatambolavolana, fanatambolavolana / mitambolavola, fitambolavola. Ahitsio
Tamboho
[admin]
: a.: Fefy tany atao manodidina ny fonenana. * F,-p.: Tamboho tsy uikinin-dahy: tamboho tsy dia avo loatra, nefa tsy azondehilahy ihoarana amin'ny vikina. Ahitsio
Tambohitra
[admin]
: a.: Ny mponina amin'ny havoana, amin'ny vohitra na tanàna an-tampon-kavoana. Ahitsio
Tamboazily
[admin]
: p.t.: Botrefona. ? Ombalahy. Ahitsio
Tamboavoa
[admin]
: a.: Fivontosana amin'ny lalan'ny hozatra iray izay misy zavajavatra mavomavo ao anatiny: Ny atodintarina dia karazana tamboauoa ihany. Ahitsio
Tambo
[admin]
: p.t.: Ialohan'ny hoe "tsy" mandrakariva io teny io, ka ny heviny amin'izany dia hoe be dia be, lehibe dia lehibe hany ka...: Tsy tamboko holazaina ny fahoriana nampitondrain-dRangahy io ahy (be dia be ka tsy hitako holazaina...). * F.-p.: Tsy tambo isaina: tsy hita isa. / Tsy tambo heverina: tsy tratran'ny saina hosa?ntsainina, na koa enti-milaza zavatra na raharaha maro loba. Ahitsio
Tambitamby
[admin]
: a.: Safosafo na tehatehaka malefaka mitory fitiavana enti-manala alahelo na mamporisika sy mitaona hanao zavatra iray: "Bodo zatra tambitamby / sy tamàna angotingoty, / vao maraina dia somamby / izany andron'ny kamboty". (J.J. Rabearivelo) - t.i.f.: Tambatambazana, atambitamby, voatambitamby, tinambitamby / manambitamby, fanambitamby, mpanambitamby / anambatambazana, fanambatambazana 1 mitambitamby, fitambitamby, mpitambitamby / itambatambazana, fitamb?tambazana 1 mahatambitamby. Ahitsio
Tambiorîo
[admin]
: (Tsm) a: Hevitra na zavatra tonga tampoka ao an-tsaina eo am-pitenenana ka anadinoana ny hevitra na zavatra saika holazaina. Ahitsio
Tambintsy
[admin]
: na Tambitsy a.: Hazo fanao ody hatina ny fakany (Psocospermum androsoemifolium, Baker). Ahitsio
Tambinoana
[admin]
: a,: Anarana karazan'ahitra an-drano. Ahitsio
Tambinana
[admin]
: (tambina) mt. ih. (tambino): Asiana tambiny na fanampiny mba ho tsara fipetraka. ? h.o,: Enti-milaza olona ampiampiana lava fa tsy mahavita tena. Ahitsio
Tambina
[admin]
: a.: Zavatra atao tohana hanamafy zavatra iray hafa fanamp?ny: Asio tambiny io toko io fa mila hiongana. * Tambinana, atambina, voatambina, tinambina / manambina na manatambina, fanatambina, mpanatambina / anatambinana, fanatambinana / mitambina, fitambina, mpitambina / itambinana, fitambinana / mahatambina. Ahitsio
Tambiazina
[admin]
: a.: Ranom-by menamena misodika eny ambony rano mihandrona, na le-voila anaty tanimbary na miraikitra koa amin'ny vato milevina anaty vato, ka malaza ho ratsy. * Ohab.: Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra: enti-milaza olona azon'ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. Ahitsio
Tamby
[admin]
: a.: Karama; vola orne-na noho ny raharaha niangaviana: Aza mihevitra ianao fa ny madinika no be âzon' ny tambim-bola. fa ny lehibe sy vauenty indrindra. - t.i.f.: Tambazana, atamby, voatamby, tinamby/ manamby, fanamby, mpanamby / anambazana, fanambazana / mifanamby, fifanamby, mpifanamby / ifanambazana, fifanambazana / mitamby,, fitamby, mpitamby / itambazana, fitambazana / mampitamby / mahatamby / tambitamby. Ahitsio
Tambý
[admin]
: a.: Mpiasa vy, mpanefy. Ahitsio
Tambezoina
[admin]
: (tambezo) mt. ih. (tambezoy): Angatahina mafy tsy misy fiatoana sy sesilany. Ahitsio
Tambezo
[admin]
: na Tambezona a.: Hataka fatratra, fangatahana tsy misy fiatoana sy sesilany; tampesona; ambezo. - t.i.f•: Tambezoina, atambezo, voatambezo, tafatambezo / mitambezo, fitambezo, mpitambezo / itambezoana, fitambezona na itambezonana, fitambezonana / mahatambezo. Ahitsio
Tambesatra
[admin]
: a.: Fanindriana mafy eo ambony zavatra anankiray mba hampahavesatra azy kokoa. 6 Tambesarana, atambesatra, voatambesatra, tafatambesatra / manatambesatra, fanatambesatra, mpanatambesatra / anatambesarana, fanatambesarana / mitambesatra, fitambesatra, mpitambesatra / itambesarana, fitambesarana/ mahatambesatra. Ahitsio
Tambesarana
[admin]
: (tambesatra) mt. ih. (tambesaro): Tsindriana mafy ka tonga mavesatra: Aza tambesarana io talantalana io sao tapaka. Ahitsio
Tamberivery
[admin]
: a.: Fihodinkodinana amin'ny toerana tsy dia mifanalavitra ataon'ny mpangalatra fetsy, ka sady mihodividivitra izy no mitsikilo. - t.i.f.: Tamberiverina, atamberivery, voatamberivery, tafatamberivery / manatamberivery, fanatamberivery, mpanatamberivery / anatamberiverena, fanatamberiverena / mitamberivery, fitamberivery, mpitamberivery / itamberiverena, fitamberiverena / mahatamberivery. Ahitsio