Teny nampidirina farany

Talanolo
[admin]
: (fit.-p.) a.: Lahimatoa na vavimatoa, zoky be toa ray, zoky be toa reny. Ahitsio
Talanjona
[admin]
: p. t.: Gaga, vanana izaitsizy: Talanjona Ikoto nahita ity vy be misondrotra eny amin'ny habakabaka. i t.i.f : Mitalanjona, fitalanjona, mpitalanjona / italanjonana, fitalanjonana / mahatalanjona / hatalanjonana, fahatalanjonana. Ahitsio
Talaky
[admin]
: p. t.: Mora hitan'ny maso; tazana tsara; mierinerina sy tsy miafina: Aza esorina eo ambony eo io sary io fa talaky maso tsara izy eo. Ahitsio
Talaky
[admin]
: tp.: Fihasimban'ny hoe: "Halaky" (malaky) amin'ilay fiteny hr,e: "Talaky mandeha", fampiasa mba hampirisihana hampianarana ny zaza van miana-mandeha, ka ny heviny dia hoe: enga anie ka vetivety dia handeha! Ahitsio
Talahoana
[admin]
: na Talahoina (talaho) mt. ih. (talahoy): Angatahina arahim-piangaviana fatratra: Ny hahafahany miteny no notalahoiny. Ahitsio
Talaho
[admin]
: a.: Fangatahana arahim-piangav?ana fatratra; fangataham-pitahiana amin-Janahary ho ana marary, ho an' olona 'ndeha hivahiny: Resin'ny talahony aho ka nanaiky ihany tamin'ny farany. - t.i.f.: Talahoana, talahoina, atalaho, voatalaho, tafatalaho / mitalaho, fitalaho, mpitalaho / italahoana, fitalahoana / mahatalaho. Ahitsio
Talagaga
[admin]
: na Tolagaga p.t.: Gaga izaitsizy, talanjona. * t.i.f.: Mitalagaga, fitalagaga, mpitalagaga / italagagana, fitalagagana. Ahitsio
Talaboboka
[admin]
: ft.: Habetsahana; enti-milaza koa zavatra miavosa sy mitoby be dia be. i t.i.f.: Mitalaboboka. Ahitsio
Taksia
[admin]
: (fr. taxi) a.: Fiarakodia mikarama mitondra olona mifamezivezy amin'ny tanàn-dehibe;fiarakaretsaka. Ahitsio
Takovana
[admin]
: a.: Hatevenan-javatra betsaka mifanongoa. ? Takopery mifanosontsosona. * Teny enti-milaza ovana izay mivongovongo sy lehibe ny fijery azy. - t.i.f.: Atakovana, voatakovana / manatakovana, fanatakovana, mpanatakovana / mitakovana, fitakovana. Ahitsio
Takotroka
[admin]
: a.: Fipoahana mafy; fidoboky ny zavatra ngeza mianjera. - t.i.f.: Atakotroka, voatakotroka, tafatakotroka / manatakotroka, fanatakotroka, mpanatakotroka / anatakotrohana, fanatakotrohana / mitakotroka, fitakotroka, mpitakotroka / itakotrohana, fitakotrohana / mahatakotroka / takotrokotroka. Ahitsio
Takotra
[admin]
: a.: Sarom-bilany. - t.i.f• : Takofana, atakotra, voatakotra, tinakotra / manakotra, fanakotra, mpanakotra / anakofana, fanakofana / mitakotra, fitakotra / m ahatakotra. - F.-p.: Tako-doha: haronkely mitovy ny sakany sy ny lavany ary misy takony fampiasan'ny Betsimisaraka hitondrana faham-bary ho an' ny vahiny. / Tako-pery: ny saron'ny fery efa ho sitrana. / Ranomason-takotra: ny entona avy amin'ny rano nampangotrahina. ,t Ohab.: Taitra ny o.lona tsy mba taitra, ka taitra irery vao mamaky takotra (jer. Taitra). / Tanimanga voahevitra ka raha miampy kely dia takotra: enti-milaza izay efa tsara karakara na fiomanana ka mora dia mors ny mamita azy ho tonga lafatra. / Tsy mahafoy lasiray hamidy takotra ka manta vary: tsy mahafoy zavatra kely toy inona, ka very soa lehibe nety ho azo tamin'io. / Mandao masaka tahaka ny takotra: enti-milaza ny vahiny tsy mety mijanona hihinana ny sakafo efa vita. Ahitsio
Takotra
[admin]
: p. t. : Tampina ary miafina; tsy hita izay ao ambadika: Takotry ny ratsy ny soa vitany. Ahitsio
Takositra
[admin]
: na Takosotra ft.: Niavian'ny hoe: Mitakositra na mitakosotra. Ahitsio
Takosina
[admin]
: na Takosona p.t.: Boribory lavalava (tahaka ny fanoto). ? Maloto, mihosina vovoka na fotaka. * t.i.f.: Takosenana na takosinina, atakosina, voatakosina, tafatakosina / fanatakosina, mpanatakosina / anatakosinana, fanatakosinana / mitakosina, fitakosina, mpitakosina / itakosinana, fitakosinana / mahatakosina. Ahitsio
Takosenana
[admin]
: na Takosinina (takosina) mt. ih. (takoseno, takosino): Atao tonga boribory lavalava. ? Lotoina. Ahitsio
Takorodambo
[admin]
: a.: Jar. Tangolondambo. Ahitsio
Takoritsoka
[admin]
: a.: Zavamaneno akatroka mitovy feo amin' ny "castagnette": sotro hazo roa no tazonin'ny tanana ha-via ary atao mifampiankina ny vohony; sotro hazo iray hafa kosa no tazonin'ny ta-nana havanana eo amin'ny lelany, fa ny tahony no atsofoka sy avoaka eo anelanelan'ireo sotro roa voalohany ka manaraka ny ngadon-kira. Tsy mba maneno mafy fa toy ny mibitsibitsika fotsiny ny feon'ny sotro hazo, ka izany angamba no nanaovan'ny Ntaolo azy hoe takoritsoka; ankehitriny dia sotro vy no ampiasaina. Ahitsio
Takoritsoka
[admin]
: a.: Teny tsy atao ren'ny olona maro. ? Tsaho mandeha an-katakonana. • t.i.f : Mitakoritsoka. Ahitsio
Takoribabo
[admin]
: na Takorobabo a.: Ilay kitapo kely feno fofon-drano midofaka izay anangonan'ny vorona sy andemeny ny hanina, alohan' ny tena handevonany azy ao amin'ny haranana, izay tena vavoniny. Ahitsio