Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitafasiry: (tafasiry) mt. s.: Miresaka zavatra mahasoa. Ahitsio
Mitafitafy: (tafitafy) mt s.: Mivoha sasaka; sady tsy mikatona no tsy midanadana. Ahitsio
Mitafo: (tafo) mt. s.: Misy tafo: Hitanao ue ilay trano a vara-dalana mbola tsy mitafo io? / Trano mitafo vifotsy. Ahitsio
Mitafoaka: (tafoaka) mt. s.: Fe-no be loatra ka mihoa-pefy: Efa mitafoaka ny rano ka esory amin'izay ny sininao. • Mamorivory, man droatra, misafoaka:Mitafoaka nyoorimbauan'ny soaualy. Ahitsio
Mitafofotra: (tafofotra) mt, s.: Mitsoka m afy. Ahitsio
Mitafotafo: (tafotafo) mt. s.: Feno hatramin'ny molony. f> h.o.: Be dia be: Fisaorana rnitafotafo no atolotray. Ahitsio
Mitafy: (tafy) mt. s. (mitafia): Manarona ny tena amin'ny lamba: Ny olombelona ihany no mahalala mitafy, fa ny biby mandeha mihanjakaamin' izao. 1 mt, p.: Mitondra, misampina lamba: Akory ny fahaizan'ny uehivauy malagasy mttafy lamba) * Ohab.: Mitafy lamba fe manara: enti-milaza fa noho ny hatsiaka no itafiana lamba, fa tsy ny henatra intsony. / Mitafy lamba eo imason'ny tompony: ny lamba nindramina tamin'izy tompony no entina mirehareha eo anoloany — anambarana hakevohana mihoapampana ka ny hevitr'olona fa tsy ny an'ny tena no ideraderana. Ahitsio
Mitaha: (taha) mt. s. (mitahà): Milahatra miaraka amin'ny hafa mba hahitana izay tsara amin'izy ireo: Latsaka ambany itsy trano itsy raha mitaha amin 'ity (mitovy amin' ny Miolotra). • Mahazo na mandray onitra noho ny fakan'ny lehilahy rafy na vady hafa. Ahitsio
Mitahiry: (tahiry) mt. p. (mitahiriza): Manokana amin'ny toerana iray mba tsy ho lany na ho very na ho simba: Mitahiry vola hampianarany ny zanany rahatrizay izy. 1 Mitana: Tsy nitahiry afa-tsy izay boky ilainy izy fa namidiny daholo ny sisa rehetra. • Mitana amim-pitandremana, mampaharitra amin'ny toetra tsara: Nitahiry ny hadiovam-pony izy mandra-pahafatiny. • Mampaharitra: Mitahiry izao tontolo izao Andriamanitra. - F.-p.: Mitahiry an-karondoa-body: enti-milaza izay olona tsy mba manangona fa mandany izay rehetra azony. / Mitahiry an-karona tsy azom-boalavo: fiteny ilazana ny sakafo efa tonga any an-kibo. / Mitahiry te-na: mikarakara sy mitandrina ny fahasalaman'ny tena. Mpitahirin'Andriana: mpitandrina ny fananana sy ny zavajavatry ny andriana. / MPitahiry sampy: ilazana ireo olona nitahiry ny sampy fahagola, na ireo nitana sampY ivavahany. Ahitsio
Mitaho: (taho) mt. s. (mitahoa): Mizara na mitantana toaka, manovo sy mizara ho an'ny olona. Ahitsio
Mitahontahona: (tahontahona) mt. s.: Mitavozavoza, mitaraikiraiky, midrahodraho:Mitahontahona koa izany raha zaza! Ahitsio
Mitahy: (tahy) mt. s. (mitahia): Manampy, mamonjy: Nitahy azy marina Andriamanitra tamin'ny fahafahany teo ampelatanan'ny fahaualo. Ahitsio
Mitaika: (taika) mt. s.: Milatsaka tsirairay ny vongan-dranonorana, mipatraka: Mitaika ny orana ka andeha isika ho-d y. Ahitsio
Mitaikataika: (taikataika) mt. s.: Mandeha somary mitsamboamboatra, ny tanana sy ny tongotra amin'izany mikipilipily. Ahitsio
Mitaikotaiko: (taikotaiko) mt. s.: Mamindra mitsiparaka na somary mievotrevotra noho ny hakevohana. Ahitsio
Mitailana: (tailana) mt. s.: Vilana, misomaradimbana, mitongilana ny ilany. Ahitsio
Mitaina: (taina) mt. p. (mitainà): Mandrehitra, mampiasa ho kitay: Betsaka va' any ambaniuohitra no mbola mitaina bozaka? Ahitsio
Mitaingina: (taingina) mt. s. (mitaingena): Miakatra na mipetraka eny ambony: Mi-dîna fa aza mitaingina eny ambony hazo eny sao mianfera. • Mipetraka eo ambony na ao anaty fiara mandeha: Mitaingina bisikilety, mitaingina posiposy. Ahitsio
Mitaingo: (taingo) mt, s. (mitaingoa): Mitango na manapaka ny laingon-javamaniry. Ahitsio
Mitaino: mt.: Mitovy amin'ny Mihaino. Ahitsio