Teny nampidirina farany

Biaka
[admin]
: (t.tr.) p.t.: Tiana, lalaina. Ahitsio
By
[admin]
: p. t.: Fatratra, mahay: Sady hanta) no by. Ahitsio
Bezôma
[admin]
: a.: Karazan-javamaneno misy fivoaham-peo lehibe natao mba hanamafy nt' feony sy ny firohondrohony. Ahitsio
Bezanozano
[admin]
: a.: Foko kely dia kely, mitoetra amin'ny tany lemaka manodidina an'i Mangoro, voafaritry ny tanin'i Sihanaka, avaratra; ny Betsimisaraka, atsinanana; ary ny Marina, andrefana. Tanàndehibebe: Moramanga, Beparasy, Anliro. Ahitsio
Bezabeza
[admin]
: p, t.: Mitanatana, mangotanatana (t.t.m.). ¶ M. h.: Vezaveza. Ahitsio
Bevoina
[admin]
: a.: Teny tsy dia manaja laatra enti-milaza ny mats' tsy tiana hohajaina firy, (Tsy fampiasa firy fa Rabevoina no ampiasaina matetika). Ahitsio
Bevohoka
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny vehivavy manana anaka. ¶ M. h.: Manana anaka, mitoe-jaza, manaizana, mavesatra, mitondra rano. Ahitsio
Betsimisaraka
[admin]
: a: Foko lehibe, monina amin'ny tandavandemaka mahatratra 60-60 km ny sakany manaraka ny morontsiraka atsinanana hatrany amin'ny reniranon'i Bemarivo, avaratra, ka hatrany amin'ny onin'i Mananjary, atsimo (800 km eo ho eo). Mizara roa ny Betsimisaraka: ny tavaratra (Maroantsetra, Fenerivo, Soanierana-Ivongo); ny tatsimo: (Toamasina, Vatomandry, Mahanoro, Andevoranto). Ahitsio
Betsimihilana
[admin]
: a.: Anarana entimilaza ny ravin'ny tatamo (ny vonin'ny tatamo dia atao hoe voahirana na tsiazonafo, ary ny fakany voalefoka). Ahitsio
Betsimiasa
[admin]
: a.: Anarana entimilaza ireo mpiandry omby any an'etitra. Ahitsio
Betsileo
[admin]
: a.: Foko lehibe monina amin'ny tany voafaritry ny ony Mania, avaratra; ny tanin'ny Tanala, atsinanana; ny tendrombohitr'Andringitra, atsimo, ary ny tandavantendrombohitr'i Bongolava, andrefana. Mizara telo ny Betsileo: ny avaratra (renivohitra: Ambositra), ny afovoany (Ambohimahazo, Ambohinamboarina), ary ny any atsimo, izay mitsinjara telo indray: Isandra, Ilalangina ary Iarindrano. Tanàn-dehibe: Fianarantsoa, Am bositra,Ambohimahasoa, Ambalavao. Ahitsio
Betsaka
[admin]
: p. t.: Be isa, be dia be: Betsaka ny karazan'olona eto ambonin'ny tany. / Misy voay ve at? aminareo? Betsaka azy at? avarabaratra ot/, tompoko. - t.i.f,: Manabetsaka 1 mahabetsaka 1 mihabetsaka 1 habetsaka, habetsahana, fahabetsahana / ankabetsahana 1 imbetsaka. Ahitsio
Betsabetsa
[admin]
: a: Fisotro mahamamo atao amin'ny fary na tantely. Ahitsio
Betroka
[admin]
: a.: Fanabontsinana nY tena, na noho ny avonavona na noho ny hatezerana, toy ny fanaon'ny tanalahy mainbontsina ny vozony rehefa ilay tezitra vonon-kiady iny izy. • H. i.: Rahona, fandrahonana. - t.i.f.: Abetroka, tafabetroka 1 mibetroka, fibetroka, mpibetroka 1 ibetrohana, fibetrohana 1 betrobetroka. - F.-p.: Mamaky betroka: mampangaihay, mahakepoka, mamolaka avonavon'olona. Ahitsio
Betro
[admin]
: (fit.-p.) a: Atidoha. Bet Ahitsio
Betra
[admin]
: (Tsm.) a: Tondro molotra ka ny ambany no atao la-va sy velarina; potsa-molotra. Ahitsio
Betongoa
[admin]
: a: Lalao mahery vaika itolomana omby eo amin'ny trafony (ny fitolomana omby eo amin'ny tandrony kosa dia atao hoe: savika omby). Ahitsio
Betefaka
[admin]
: a,: Sirahazo avy amin'ny zavamaniry iray atao hoe Tefaka. Ahitsio
Betro
[admin]
: (fr. béton) o.: Vato kely mifangaro fasika sy simenitra. Ahitsio
Betaly
[admin]
: a.: Rojo misy masombolafotsy sy vakana fitondran'ny manamboninahitra sy ny lehibe mianjaika, indrindra amin'ny fotoana fanaovana hasoavan-jaza. Ahitsio