Teny nampidirina farany

Betaimparasy
[admin]
: p, t.: Teny entina ilazana lamba na akondro na hodi-tava koa aza, izay misy pentimpentina maintY. Ahitsio
Betafoaka
[admin]
: a.: Karazan-kazo mandadina, izay ampiasain' ny olona hanamanimanitra ny toaka. Ahitsio
Besofina
[admin]
: a: Zavamaniry fanao kofehy ny hodiny. Ahitsio
Beso
[admin]
: a.: Amin'ny hiia misy feo maro, ilay fizaram-peo ambany indrindra, feo ambany sy migoboka: Ny lehilahy lehibe no matetika manao ny beson-kira. - F.-p.: Beso fisaka: beso tsy dia migoboka loatra, beso maivana. Ahitsio
Besisika
[admin]
: a.: Karazan-trondrondranomamy lehibe sady tsara nofo (Megalops cyprinoi, des). Ny ahafantarana azy dia ny volony fotsY mova tsy ny voahoso-bolafotsy vasobasoka, ary ny vonon-damosiny misy tsiratsiraka lava; halavany: 60 sm., fa ny lanjany, misy maro no mihoatra ny 1 kilao sy sasany. Ahitsio
Besavily
[admin]
: a.: Anarana niantsoana ny ondry fahiny. Ahitsio
Beroka
[admin]
: a: Teny tsy mazava, tsy fantatra fa miboredika toa mitabataba fotsiny. - t.i.f.: Berohina I miberoka, fiberoka, mpiberoka 1 iberohana, fiberohana 1 mahaberoka. Ahitsio
Berohina
[admin]
: (beroka) mt. ih. (berohy): Itenenana teny tsy fantatra, teny vahiny. Ahitsio
Beroberoka
[admin]
: a: Anaran-javamaniry toy ny anana fanome ny bitro na ny kisoa. (Marina): Lactuca indica. L. (Composées). (Sihan.): Sonchus aleraceus L. * Ohab.: Anamamy no irai-sana, ka beroberoka no isarahana: Enti-milaza fifankatiavana tsara fanomboka fa nia-faxa tamin'ny ady. Ahitsio
Beroberobazaha
[admin]
: a.: Jer. Anambaraka. Ahitsio
Beritelo
[admin]
: (fr. bretelle) a.: Zavatra toy ny tady vita amin'ny lamba na amin'ny hoditra, fitanana ny pataloa na ny akanjo tsy hiborotsaka. Ahitsio
Beririnina
[admin]
: a.: Anarana nilazana ireo mpandranto fahiny izay tsy niala teto Imerina tamin' ny fotoanan'ny tazo, ka tsy nidina tany ambany ravinkazo raha tsy tamin'ny ririnina, fotoana tsy misy tazo. Ahitsio
Beriberia
[admin]
: (fr. béribéri) a: Aretina mahatonga reraka sy malemy ary manirano eo amin'ny ranjo, vokatry ny tsy fisian'ny vitamina B1. Ahitsio
Beravina
[admin]
: a.: Enti-milaza karazan-javamaniry anankiroa, izay ny iray mamoa mitandahatra misy fofony (Cretalaria Soltiana-Légumineuses) ary ny faharoa, irony begonia fanaovana haingon-tanimboly. Ahitsio
Beo
[admin]
: a.: Feo manahaka ny fibarareokan'ny ondry ka entina miantso io karazam-biby io. Ahitsio
Benoara
[admin]
: Jer. Bonara. Ahitsio
Benjamina
[admin]
: a.: Kaxazan-javamaniry misy voninkazo me-na madinidinika izay matetika totototoin'ny ankizy ka apetany amin'ny hohony ka mahatonga ny hoho ho menamena (Impatiens balsamina L. na I. notitangore Balsaminacées na I. Sultani Hook). Ahitsio
Benitra
[admin]
: (fr. bai'onnette) a.: I-lay lohan'ny basy izay misy toy ny sabatra maranitra. ? F.-p.: Tsatsi-benitra: fanohizana amin'ny benitra (toy ny fitonoana zavatra amin' ny afo). Ahitsio
Bengy
[admin]
: (Bd) a.: Osy. Ahitsio
Bengelahimena
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazandrano menamena. Ahitsio