Teny nampidirina farany

Safononoka
[admin]
: p. t.: Feno hatramin'ny morony: Safononoka ny renirano noho ilay oran-kateloana tsy niato iny. * h.o.: Feno, diboka: Safononoka ny fon'ny Malagasy nahazo ny fahaleouantena. - Ahitsio
Safoina
[admin]
: (safo) mt. ih. (safoy): Enti-milaza ny zavatra ampandalovana moramora ny tanana: Safoiny ny saokany isaky ny hiteny izy. ? Oh-na: Nosafoiny tamin'ny menaka ilay tongotro narary dia sitrana. ? Jerena ny fandehany na ny toetrany: Nosafoin'ny polisy ny tokotaninay aninaraina. Ahitsio
Safofoka
[admin]
: a.: Aretin'andoha mahajenjina, mahafanina, ateraky ny fanaviana. ? Fandroadroatran'ny rano mianjera amin'ny riam-bato. * t.i.f : Asafofoka, voasafofoka, tafasafofoka / manasafofoka, fanasafofoka, mpanasafofoka / anasafofohana, fanasafofohana / misafofoka, fisafofoka, mpisafofoka / isafofohana, fisafofohana / mahasafofoka / safofopofoka / mantsafofoka. Ahitsio
Safoaka
[admin]
: a.: Hatezerana lehibe noho ny hasosorana tafahoatra. * t.i.f.: Asafoaka, tafasafoaka / misafoaka, fisafoaka, mpisafoaka / isafoahana, fisafoahana / mahasafoaka. Ahitsio
Safo
[admin]
: a.: Fikasihana moramora: Tia safo loha io Rangahy io. * Fikosokosohana amin'ny tanana, fanorana. ? Fanorana ny kibon'ny bevohoka. ? Fanamarinana sy fijerena ny asa atao. * t.i.f : Safoina, asafo, voasafo / misafo, fisafo, mpisafo / isafoana, fisafoana / mahasafo / safosafo / misafosafo. * F.-p.: Safo be mantsina: tsy misy fanavahana fa atao fao-be daholo amin'ny filazana. / Safo makirana, safo morona: enti-milaza fahafenoana mifamatra tsara amin'ny molotry ny famarana. / Safo siaka (sioka atao hampatoritory): teny atao hamalifaliana; tambitamby; fanojikojena. / Safo sirana (fisafosafoana iny ambony fe iny): fihetsehana mampiseho fahavoazana. / Misafo sirana: manao fihetsehana sy endrika mampiseho ny fahavoazana. Ahitsio
Safiotra
[admin]
: na Safitra a.: Olona na biby vokatry ny fikambanana karazana roa samy ha-fa. ¶ M.h.: Kiry, zafindraony, metisy. Ahitsio
Safina
[admin]
: (safy) mt. ih. (safio): A-siana safiny. Ahitsio
Safidy
[admin]
: a. : Fahafahan'ny sitrapo maka izay tiany amin'ny zavatra anankiroa eo anoloany na atolotra azy: Manan-tsafidy hanao ny tsara na ny ratsy ny olombelona. ? Fifidianana malalaka: Anao ny safid y. * t.i.f.: Misafidy, fisafidy, mpisafidy / isafidianana, fisafidianana. * F.-p.: Safidim-po: sitraky ny fo, danin'ny kibo. / Tompon-tsafidy: afaka mifidy malalaka. Ahitsio
Safy
[admin]
: Safiny a.: Fanampiny, famenony (akanjo). - t.i.f. : Safina, asafy, voasaf y / manasaf y, fanasafy, mpanasafy 1 anasafena, fanasafena / misaf y, fisaf y, mpisaf y / mahasafy 1 safisafy. Ahitsio
Safelika
[admin]
: a.: Fandehanana any am-badika, fanaovana ankodina fa tsy manatrika. • Famelezana avy any ivoho fa tsy eo anoloana: An-tsafelika no namelezan'ny fahaualo. • Olakolaka, olikolika tsy mivantana: Tsy tsara ny manao safeli-teny fa aleo milaza mivantana. - t.i.f.: Safelehina, asafelika, voasafelika, tafasafelika / manasafelika, fanasafelika, mpanasafelika / anasafelehana, fanasafelehana / misafelika, fisafelika, mpisafelika / isafelehana, fisafelehana / mahasafelika / safelipelika. Ahitsio
Safelehina
[admin]
: (safelika) mt. ih. (safeleho): Iolahana, iolehana, alaina amin'ny fanodidinana: Nosafelehin'ny fahauolo ny tandna. Ahitsio
Safatsiroa
[admin]
: p. t.: (isa fa tsy roa): Tsy manam-paharoa, tsy misy toa azy, ka enti-milaza hatsarana na haratsiana mihoatra noho ny hafa: Safatsiroa ny hakingan'ilay olona nandeha teo ambony tacts,. Ahitsio
Safarina
[admin]
: (safary) mt. ih. (safario): Asiana safary, asana olakola-teny mba hanalavana taris na hanarinariana dia: Aza safarinao amin'ny ohabolana sy hain-teny ny resaka, Randrenja a (Kilalaon' afo — R.R.-R). Ahitsio
Safary
[admin]
: a.: Teny misafelipelika handroboana ny sasany; olakola-teny mba hanalavana ta-ria: Aza be safary eo ianao fa izay heuitrao ambara. - t.i.f.: Safarina, asafary, voasafary 1 misafary, fisafary, mpisafaxy 1 isafariana, fisafariana / mahasafary / safarifary. - F.-p.: Tia ihany ka be safary: miolakolaka ohatra ny mody tsy tia, kanefa tia fatratra. ¶ M. h.: Saroro. Ahitsio
Safaray
[admin]
: a.: Laharan-tsikidy fahadimy ambin'ny foin ka ny heviny dia "lalana". Ahitsio
Safay
[admin]
: ft.: Niavian'ny hoe Misafay. Ahitsio
Sadoda
[admin]
: na Sadodo (BU) a.: Ombikely botrefona. Ahitsio
Sadikaina
[admin]
: (sadika) mt. ih. (sadikao): Hodidinina (lamba) ny valahana. Ahitsio
Sadiadiaka
[admin]
: a.: Lamba natao tamin'ny rofia vaventiventy. Ahitsio
Sadia
[admin]
: na Sadika a.: Salaka; lamba nahodidina ny valahana dia natao toy ny salaka. i t.i.f• : Sadikaina, asadika, voasadika, tafasadika 1 manasadika, fanasadika, mpanasadika / anasadikana, fanasadikana 1 misadika, fisadika, mpisadika / isadikana, fisadikana 1 mahasadika / sadikadika. Ahitsio