Teny nampidirina farany

Salana
[admin]
: (fr. chaland) a.: Karazan-dakana lehibe, botry. Ahitsio
Salamo
[admin]
: (angl. psalm) a.: Anaran'ny boky iray ao amin' ny baiboly, izay mirakitra tononkira samihafa fiderana an'Andriamanitra, musa dimampolo amby zato. Ahitsio
Salamanga
[admin]
: a.: Anarana nilazan' ny olona ny voan'ny aretina ramanenjana izay nampandihizina mba ho sitrana. Ahitsio
Salamaloha
[admin]
: na Sapelatsa (Btl) p. t.: Enti-milaza tandrok' omby mivelatra mahitsy miakatra. Ahitsio
Salama
[admin]
: p. t.: Tsy marary, tsy marofy. - t.i.f. : Mahasalama, hasalamana, fahasalamana. - F.-p.: Salama tsy marofy: tsy marary ary matanjaka. / Salama hogo: enti-milaza ny volo voahogo sy voalamaka tsara. ¶ M.h.: Tsy marofy, finaritra, tsara fanahy, seheno, tsy maninon-tsy maninona, soamadina, bolangina. Ahitsio
Salakana
[admin]
: (salaka) mt. ih. (salakao): Omena salaka. Ahitsio
Salakaina
[admin]
: (salaka) mt. ih. (salakao): Asiana salaka: Salakao ilay kely fa hiady (ankamantatra enti-milaza ny fanjaitra, izay tsofohana kofehy, dia entina manjaitral. Ahitsio
Salaka
[admin]
: a.: Lamba lavalava nahodidin'ny lehilahy ny valahany taloha dia nasadikany amin'ny elakela-peny hifandray amin'ilay manodidina ny valahana (raha indray mihodina monja izy dia atao hoe salaka tokan'olona). - t.i.f. : Salakaina, salakana, asalaka / voasalaka, tafasalaka / manasalaka, fanasalaka, mpanasalaka / anasalakàna, fanasalakàna / misalaka, fisalaka, mpisalaka / isalakàna, fisalakàna / mahasalaka. - F.-p.: Salaka am-piraka: ilazana ny salaka izay misy vakana ho haingonkaingony. / Salaka fohy: enti-milaza herimpo amin'ny asa (manao salaka fohy rambo). /Salaka halo: salaka ahodidina fotsiny manodidina ny valahana fa tsy asadika eo an'elakela-pe. / Salaka lambotapaka: salaka anaovana amin'ny famorana ary hatreny ambony lohalika izy io. / Salaka miamboho vody: h.o. entimilaza zavatra tonga aoriana loatra fa tsy amin'ny fotoana ilana azy, mitovy amin'ny hoe: ranomaso tsy miaraka amam-paty. / Ny any an-tsalaka no miala: maty antoka. Ahitsio
Salahy
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny fandiafasika. Ahitsio
Salady
[admin]
: (fr. salade) a.: Karazan' anana vahiny mitovitovy amin'ny laisoa fa kely, asiana menaka sy vinaingitra na ranom-boasary makirana dia hanina manta. Ahitsio
Salabata
[admin]
: (Ski) a.: Bibikely fihinana sahalahala amin'ny jorery, miraikitra amin'ny vato eny amoron-dranomasina. Ahitsio
Sakrilezy
[admin]
: (fr. sacrilège) a.: Fanazimbana ny zavatra masina (Fiv. kat.). Ahitsio
Sakoririka
[admin]
: a.: Tandroky ny bibikely. Ahitsio
Sakonoka
[admin]
: a.: Karazana kapaoty. - t.i.f. : S akonohina, asakonoka, voasakonoka / misakonoka, fisakonoka, mpisakonoka / isakonohana, fisakonohana / mahasakonoka / sakonokonoka. Ahitsio
Sakonohina
[admin]
: (sakonoka) mt. ih. (sakonohy): Entina afenina ao anaty lamba. Ahitsio
Sakondry
[admin]
: a.: Karazana famakiloha. Ahitsio
Sakondry
[admin]
: (Btm) a.: Bibikely marani-doha mipetraka amin'ny vahy sasantsasany, toy ny tsidiny na ny kalamaka. Ahitsio
Sakoko
[admin]
: p. t.: Jer. Takoko. Ahitsio
Sakoitra
[admin]
: a.: Karazana kankana mivelona ao anaty tsinain'ny biby lehibebe sy ny olombelona; misy karazana roa ny sakoitra: ireo avy amin'ny hen'omby ary ireo avy amin' ny henan-kisoa; mety hahatratra valo metatra ny halavan'ny sakoitra ary mety hiteraka aretina amin'ny lalankanina na mamely ny hozatra. - t.i.f.: Sakoerana. Ahitsio
Sakohaza
[admin]
: a.: Karazanabibikely. ? h.o.: Mahia dia mahia, mahia kaozatra. Ahitsio