Teny nampidirina farany

Rovitina
[admin]
: (rovitra) mt. ih. (rouito): Atao rovitra, triarina, tatahana, rotehina: Norouitin'i Naivo ny kahieny. Ahitsio
Rovirovina
[admin]
: (rovy) mt. ih. (rovirouio): Roridroritina, potipotehina. Ahitsio
Rovirovy
[admin]
: ft.: Fanapotipotehana zavatra na lamba. - t.i.f.: Rovirovina / mandrovirovy. Ahitsio
Rovana
[admin]
: (rova) mt. ih. (rovao): Hodidinina rova na fefy. Ahitsio
Rova
[admin]
: a.: Tsatokazo vaventy marani-doha namefy ny lapan'Andriana taloha. ? Lapa na fonenan'ny mpanjaka: Niditra tao an-droua ny vahoaka nanatitra ny hasin'ny mpanjaka nony tonga ny fandroana. - t.i.f.: Rovana, arova, voarova / mandrova, fandrova, mpandrova / androvana, fandrovana / mirova, firova, mpirova / irovana, firovana / maharova / rovarova. - F.-p.: Ambody roua: toerana nitsarana ny ady izay tsy vita tany amin'ny sakaizambohitra sy ny fokonolona./Anaty roua: ny faritra ao anatin'ny rovan'ny mpanjaka na ny solony tany ivelan'Antananarivo, toy ny komandy, governora, izay nanaovana rova hitoerany. / Miaka-droua: ny ady ifandirana tsy vitan'ny fokonolona sy ny sakaizambohitra no nantsoina tamin'izany, ka mandrakariva raharaha na ady lehibe toy ny mikasika ny fikomiana. / Manani-droua: ilazana ny mpangalatra na ny mpikomy ka miditra ny rova hamono ny mpanjaka — ny diso fitondran-tena naka ny vadin'ny mpanjaka koa dia notondroina ho manani-drova fa tena heloka lehibe izany. / Tsy midi-droua: enti-milaza ireo zavatra na olona norarana tsy hididrova; maro tokoa ireo toy ny zava-maranitra (fiadiana) ny olo-meloka,nyhena ratsy, ny toaka sy ny rongony tamin'ny andron'Andrianampoinimerina... Ahitsio
Rotsirotsina
[admin]
: (rotsirotsy) mt. ih. (rotsirotsio): (zaza) Asavilivily eo amin'ny sandry mba hampangina na hampatory azy na hahafinaritra azy fotsiny. Ahitsio
Rotsirotsy
[admin]
: a.: Fanindrahindrana na fanasaviliviliana ny zaza eo ambony sandry mba hampatory na hampangina na hahafinaritra azy. - t.i.f.: Rotsirotsina, voarotsirotsy / mandrotsirotsy, fandrotsixotsy, mpandrotsirotsy / androtsirotsiana, fandrotsirotsiana / maharotsirotsy. Ahitsio
Rotsina
[admin]
: Rotsirotsina (rotsy) mt. ih. (rotsio, rotsirotsio): (hoditra) Atao mibontsimbontsina, marokoroko. Ahitsio
Rotsy
[admin]
: na Rotsirotsy a.: Fivontovontosana kely madinika amin'ny hoditra ka mahatonga hibontsimbontsina na marokoroko. i tif: Rotsina, voarotsy / mandrotsy, fandrotsy, mpandrotsy / androtsiana, fandrotsiana. Ahitsio
Rotsaka
[admin]
: a.: Fampidirana na fandrarahana rano na voa madinika na vovo-javatra ho eo amin'ny toerana ambany tiana hamindrana azy. ? Fidirana ho eo an-tsehatra handray adidy na hianatra na hilalao... - t.i.f.: Rotsahana, arotsaka, voarotsaka, tafarotsaka / mandrotsaka, fandrotsaka, mpandrotsaka / androtsahana, fandrotsahana / mirotsaka, firotsaka, mpirotsaka / irotsahana, firotsahana / maharotsaka / rotsadrotsaka. Ahitsio
Rotsahana
[admin]
: (rotsaka) mt. pdr. (rotsahy): Ampidinana na rarahana zavatra (rano na voa madinika...): Norotsahany rano ilay vain'afo uao maty. Ahitsio
Rotra
[admin]
: a.: Hazo lehibe fahita saika hatraiza hatraiza, fa indrindra manaraka ny moron'ny renirano; maro ny ilana ny rotra: ny voany, me-na antitra, somary boribory lavalava dia anisan'ny voankazo maro mpitia na dia somary maisamaisatra kely aza; ny hazony kosa dia hanaovana hazon-trano, fa indrindra hazon-tsarety sy foiben-kodiarana (Myrtacées eugenia). Ahitsio
Rototra
[admin]
: p.t.: Mafana fo vonona hanao zavatra, mazoto, marisika: Rototra amin'ny fianaran'ny zanany kokoa Rasoa noho Rakoto. ? Mai-ka, dodona: Heuerinao ue fa rototra akory izy nahita ny setroka nidonaka eran'ny trano? - t.i.f.: Maharototra / mifanarototra. - F.-p.: Tsy rototra: tsy miraika, tsy taitra. Ahitsio
Rotorotoina
[admin]
: (rotoroto) mt. ih. (rotorotoy): Atao haingana dia haingana: Aza rotorotoina ny asa fa mahatonga azy ho zara fa uita. Ahitsio
Rotoroto
[admin]
: a.: Fanaovana (zavatra) haingana; fahamaikana sy fandeha mihazakazaka, hadodonana izaitsizy. - t.i.f.: Rotorotoina, moto-roto, tafarotoroto 1 mandrotoroto, fandrotoroto, mpandrotoroto 1 androtorotoana, fandrotorotoana 1 mirotoroto, firotoroto, mpirotoroto / irotorotoana, firotorotoana 1 maharotoroto. Ahitsio
Rotika
[admin]
: mt. ih. sy p.t.: Rovidrovitra be ihany, kotika, potika. * f.: Rotehina, voarotika / mandrotika, fandrotika, mpandrotika 1 androtehana, fandrotehana 1 mirotika, firotika, mpixotika 1 mifandrotika / ifandrotehana, fifandrotehana 1 manarotika, fanarotika, mpanarotika / anarotehana, fanarotehana 1 mifanarotika / maharotika / mikorotika. Ahitsio
Roterote
[admin]
: (Ski) a.: Nofom-biby (hena na hazandrano) ampifangaroina amin'ny menany. Ahitsio
Rotehina
[admin]
: (rotika) mt. ih. (roteho): Rovitina atao kotika tsy misy horaisina. Ahitsio
Rotana
[admin]
: mt. ih.: (Mitovy amin' ny Orotana, jer. Orotra): Ro-sana, tangosana befahatanY sy ataotao fotsiny (ravin-javam aniry ). Ahitsio
Rotaka
[admin]
: sy Rotarota a.: Ilazana ny kibo be, toy ny kibon'ny bevohoka na ny an'ny olona matavy. * t.i.f.: Mirotaka. Ahitsio