Teny nampidirina farany

Rotaka
[admin]
: a.: Fanehoana ts? fa- ROI hafaliana ataon' olona maro, izay mamakivaky arabe ka manimba izay rehetra sendra azy. * t.i.f.: Rotahana / mirotaka, firotaka, mpirotaka / irotahana, firotahana. Ahitsio
Rotay
[admin]
: (fr. rotin) a.: Rantsan' ny tsontsoraka anaovana tehina, seza... Ahitsio
Rotahana
[admin]
: (rotaka) mt. ih. (rotahy): Anehoana tsy fahafaliana ka simbana ny fananany. Ahitsio
Rota
[admin]
: p. t.: Rovitra, simba. - t.i.f.: Mandrota 1 rotarota. Ahitsio
Rosoana
[admin]
: (roso) mt. pdr. (rosoy): Enti-milaza olona omena zavatra hohanina ka atao eo anoloany izany zavatra izany: Rosoana uary ny uahiny. Ahitsio
Roso
[admin]
: rat.: Efa miainga; efa lasa: Roso ny dia. - t.i.f.: Rosoana, aroso, voaroso, tafaroso 1 mandroso, fandroso, mpandroso I androsoana, fandrosoana 1 miroso, firoso, mpiroso / irosoana, firosoana / maharoso / rosoroso. Ahitsio
Rosianina
[admin]
: (fr. russe) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Rosia (Eoropa atsinanana sy Azia avaratra): Hatramin'ny taona 1917, ny mpanjaka atao hoe Tsar no nitondra ny Rosianina. ? p. t.: Momba an'i Rosia, an'i Rosia na avy any Rosia: Misy boky na tantara malagasy efa uoadika amin'ny teny rosianina. Ahitsio
Rosia
[admin]
: (fr. reçu) a.: Taratasy fanamarinana ny nandraisana vola tamin'olona; tapakila. Ahitsio
Rosarosa
[admin]
: a,: Anisan'ny randrana fihaingoana fatratra nahameva ny tovovavy fahizay: randramadinika milahadahatra manodidina izy io ka mivona ny tendrony. (Ny miaramilan-dRadama I koa, ho-no, nanao rosarosa ka io no nahatonga ny fitenenana hoe "fony nanao rosarosa", mba hilazana hoe "fony nanao volo lava ny miaramila"). Ahitsio
Rosana
[admin]
: mt. ih.: Mitovy amin' ny Orosana. Ahitsio
Rorotra
[admin]
: Mitovy amin'ny Roritra. Ahitsio
Rorona
[admin]
: a.: Fietrena, fidinana amin'ny fahambaniana, fitambotsorana mahamenatra sy mahafa-baraka. 6 f.: Arorona, tafarorona 1 mandrorona, fandrorona, mpandrorona 1 androronana, fandroronana / maharorona / rorondrorona. Ahitsio
Roroka
[admin]
: ft.: Fitomboana haingana, fahalehibeazana vetivety. • fi, f.: Maroroka 1 maharoroka 1 marorodroroka f haroroka, faharoroka, harorohana, faharorohana. Ahitsio
Roroha
[admin]
: a.: Karazana kitapo anangonan'ny biby mandinika sasantsasanY, toy ny omby, ny ahitra raotiny eny antsaha, ka rehefa mipetraka milamina izy, dia ampiakariny avy ao indray ireo ahitra ireo mba hitsakoany azy tsara. Ahitsio
Roroa
[admin]
: p. t.: Roa, ka entina milaza indrindra vehivavy roa na lehilahy sy vehivavy mivady na mahazo mivady: Lasa any an-tanàna izy roroa. (jar. Roa). Ahitsio
Roritra
[admin]
: a.: Fisintonana zavatra mafy; fanaovana izay hahahenjana zavatra iray tsy hi-garera; fit arihan a zavatra mankamin'ny tena. - t.i.f.: Roritina, aroritra, voaroritra / mandroritra, fandroritra, mpandroritra 1 androritana, fandroritana 1 miroritra, firoritra, mpiroritra 1 iroritana, firoritana / maharoritra 1 roridroritra. Ahitsio
Roritina
[admin]
: (roritra) mt. ih. (rorito): Sintonina, tarihina, sarihana: Aza roritinao mafy toy izao ny sandriko. ? Henjanina: Nororitiny ny lamboridin-tsoaualy dia nijanona tampoka ilay biby. ? Halavaina, itarina, taritina ho la-va: Nororitiny ny filazan-jauatra ka nanjary nahasosotra. ? Vivitina: Rorito ny sofin'io zaza io fa mandainga. Ahitsio
Rorirory
[admin]
: ft.: Toetran'izay rehetra manify sy malemy, toy ny lamba izany, ohatra. - t.i.f.: Mirorirory, firorirory. Ahitsio
Rorika
[admin]
: ft.: Ketraka, borerarera, gorera. - t.i.f. : Arorika, voarorika, tafarorika / mirorika, firorika, mpirorika / roridrorika. Ahitsio
Roria
[admin]
: ft.: Fijerena mitsipendrampendrana be ihany ka toa manjary roa daholo izay zavatra jerena. * t.i.f. : Mandroria. Ahitsio