Teny nampidirina farany

Sakoerana
[admin]
: (sakoitra) p. t.: Fe-no sakoitra, na misy sakoitra. Ahitsio
Sakodina
[admin]
: a.: Fivoivoizana, fandehanana ats? sy ar?; fivezivezena betsaka. - t.i.f.: Misakodina, fisakodina. Ahitsio
Sakodiavatra
[admin]
: p. t. : Misalasala tsy mahita izay hatao eo anatrehana toe-javatra manahirana na tonga tampoka. ¶ M.h.: Vaka, sanganehana, saikatra. Ahitsio
Sakody
[admin]
: a.: Karazan-tsifo-dranomasina. Ahitsio
Sakoda
[admin]
: a.: Kilalao fanaon'ny ankizivavy kely: mitorovoka amin'ny voditongony izy dia mitsambikina mova tsy ny sahona, sady mihirahira no mandon-tratra. Ahitsio
Sakobonkomana
[admin]
: a.: Karazamboronan-drano izay toa miafina ao anaty elany izy rehefa mihinana trondro kely, sahona, dinta... Ahitsio
Sakobonina
[admin]
: (sakobona) mt. ih. (sakobony): Entina, afenina ao anaty lamba: Nosakoboniny ny voankazo uao notazany mba tsy hangatahin'ny namany. ? Saronana ao anaty lamba: Sakobony tsara ny marary eo am-pitondrana azy ho ao anaty fiara sao uoan'ny rivotra. Ahitsio
Sakobona
[admin]
: na Sakoboka a.: Fitondrana zavatra afenina anaty lamba fatratra; fandrakofana ao anaty lamba, fanafenana ny tena ao anaty firakotra. - t.i.f.: Sakobonina, asakobona, voasakobona, tafasakobona / manasakobona, fanasakobona, mpanasakobona / anasakobonana, fanasakobonana / misakobona, fisakobona, mpisakobona / isakobonana, fisakobonana / mahasakobona /sakobonkobona. Ahitsio
Sakoa
[admin]
: na Sakoizay tp.: Teny fanakorana ny voa, toy ny milaza hoe "tsara izay!": Nianjera ny anao, sakoizay! kevokevoka loatra. Ahitsio
Sakoa
[admin]
: a.: Hazo fihinam-boa (Spondias Cythoerea). Ahitsio
Sakivy
[admin]
: na Sakoivy a.: Toetra voalohany ananan'ny voangory raha vao foy izy, alohan'ny hiofoany ho monany: biby lavalava kely fotsifotsy mora mikarainkona. (Misy karazany telo ny sakivy: a) ny kely madinika izay miofo ho voangorimbaratra; b) ny salasalany, miofo ho voangorifotsitapaka; d) ny makadiry miofo ho voangoribe. — Rehefa mby lehibebe an-katoky ny hiofo ho monany ny sakivy, dia omena ny anarana hoe Rangahy). Ahitsio
Sakiakia
[admin]
: p. t.: Falifaly, miramirana, sariadriaka. Ahitsio
Saky
[admin]
: Mitovy amin'ny Saiky. Sakia a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Saketraka
[admin]
: Mitovy amin'ny Soketraka. Ahitsio
Sakeliny
[admin]
: a.: Tsirin-javamaniry miainga avy amin'ny tahony. Ahitsio
Sakelika
[admin]
: a.: Havana, mpanam-PY akaiky. - F.-p.: Sakelik'andriana: havana akaikin'ny andriana. Ahitsio
Sakelika
[admin]
: a.: Ny rindrin-kazo amin'ny trano kotona. - F.-p.: Sakeli-mihoa-Joro: enti-milaza izay rehetra mihoatra ny tsy tokony hihoarany (ny zoro amin'ny trano kotona dia ny hazo atao amin'ny zoron-trano efatra, ka raha ny rindrina indray no mihoatra ireo zoro ireo dia hafahafa). Ahitsio
Sakelika
[admin]
: a.: Tsirin-javamaniry miseho amin'ny tahony, na solofon-javamaniry eo ampotony toy ny fomban'ny saonjo na ny akondro: Tandremo sao tapaka ny sakeliky ny foto-bonindraozy. ¶ M.h.: Tsiry, tsimoka, taro-ka, — solo fo, zanaka. ? h.i.: Havana akaiky, namana, fanampiny: Sakelik'andriana. - t.i.f.: Sakelehina asakelika, voasakelika / manakelika, fanakelika, mpanakelika / misakelika , fisakelika, mpisakelika / isakelehana, fisakelehana / mahasakelika / sakelikelika. - F.-p.: Iray sakelika: zavatra azo entina indray mitondra ao ambany helika. / Sakelik'andriana: fianakaviana iray akaiky amin'ny Andriamanjaka. / Sakeli-dalana: lalan-kely miala amin'ny arabe Inhibe. l Sakeli-drano: sarnpana na lahin-drano miray amin'ny ony na renirano. / Sakelik 'anana, sakeli-boatavo, sakeli-paraky, sakeli-pary: sampans madinika fa tsY tena ny vatany lehibe amin' ny anana, voatavo, paraky, ary fary. Ahitsio
Sakelidrano
[admin]
: a.: Sampan-drano madinika mivarina any andrenirano. Ahitsio
Sakelidrafara
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio