Teny nampidirina farany

Sahato
[admin]
: a.: Ozona na ompa mirivirivy. - t.i.f.: Sahatoina, asahato, voasahato / misahato, fisahato, mpisahato / isahatoana, fisahatoana / mahasahato / sahatohato. Ahitsio
Sahary
[admin]
: a.: Karazan-damba misy soratsorany ny sisiny. Ahitsio
Sahanina
[admin]
: (sahana) mt. ih. (sahano): Atao, iandraiketana, vonjena miaraka: Sahaniny avokoa ny zavatra rehetra ka tsy misy vitany tsara. Ahitsio
Sahana
[admin]
: a.: Fiandraiketana, fanatrehana asa na raharaha. ? Mitovy amin'ny sakana. * t.i.f. : Sahanina, voasahana / misahana, fisahana, mpisahana / isahanana, fisahanana / mahxsahana / sahantsahana / mifanahantsahana. Ahitsio
Sahala
[admin]
: p. t.: Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin'izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo. / Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roc ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa. ? ppk.: Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sa-hala amin'ny mangalatra ihan y. - F.-p.: Tsy mahazo an-tsahala: resy. / Tsy manan-tsahala: tsy misy mitovy aminy, ambony dia ambony. ¶ M. h.: Sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry. Ahitsio
Sahafa
[admin]
: a.: Hazo mitapelaka lehibe, matetika boribory, fanofana vary (misy koa vy na ravina natao hanofana vary ka notondroina mazava tsara hoe: sahafa vy, sahafa harona). - F.-p.: Sahafa volamena: teny ampiasain'ny mpanoratra matetika hilazany an' ohatra ny masoandro. Ahitsio
Sahady
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza fotoana tsy da., fa haingana tsy tahaka ny nanampoizana azy: Vao volana septambra izao; nefa toa tonga sahady ity ny orana. * t.i.f. : Manahady. Ahitsio
Sahabo
[admin]
: p. mt.: Teny enti-milaza habe na isa, na refy, na halavirana, na lanjan-javatra, tsy tena marina fa eo ho eo fotsiny: Sahabo ho valo kilaometatra avy eto no misy ny tanànanay. ¶ M.h.: Tokony, tokotokony ho. Ahitsio
Saha
[admin]
: a.: Tany malalaka tsy misy ala na tanàna fa saika fambolena fotsiny (mitovy amin' ny "ambanivohitra" izy amin'ity hevitra ity) : Mahafinaritra fa tsara rivotra ny mipetraka any an-tsaha. ? Tany voavoly somary lehibebe izay saika matetika voafaritra; tanimboly: Kisolosolo tsara ny saham-boalobokay. / Hatreto no ho miantsinanana no misy ny sahanay. * t.i.f. : Antsahabeny, kisahasaha. Ahitsio
Safovava
[admin]
:: Teny milaza hafenoana raha mamatra vary, ohatra, ka mifarana amin' ny vava kapoaka ny vary (jer. avo loha, kapavava). - t.i.f. : Manasaha. Ahitsio
Safotra
[admin]
: p. t.: Rendrika ao anaty...; tototra ao anaty...: Safotry ny rano ny tanimbolinay tamin'ny fahavaratra lasa teo. ? h.o.: Feno, rakotra, tototra, henika: Safotry ny hafaliana ny reniko nahita ahy tafaverina. / Safo-kenatra izy namakivaky ireo olona maro be teo an-tokotaniny. ? Tsy mahatsiaro tena na very saina noho ny fangirifiriana vokatr'aretina na noho ny fihetsehampo be loatra: Notenenin-drainy mafy izy dia safotra foana tao. * t.i.f.: Saforana, asafotra, voasafotra / manafotra, fanafotra, mpanafotra / anaforana, fanaforana / mahasafotra. - F.-p.: Safo-drano: fihoaran'ny rano ivelan'ny masondrano noho ny habetsahan'ny orana ka mahatonga azy hihanaka eran'ny manodidina. / Safo-drazana: lambamena arakotra faty mitandahatra ho solon-dambampamadihana ho azy ireo. / Safo-drorohany: ny jabora mandrakotra ny rorohan' omby. / Safononoka: feno hatreny amin'ny molony. / Safo-tany: aretina tsy dia manahoana loatra nefa mahavoa ny olon-drehetra. ¶ M. h.: Po-tany. Ahitsio
Safotofotoina
[admin]
: (safotofoto) mt. ih. (safotofotoy): Akorontana sy afangaroharo. Ahitsio
Safotofoto
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra toy ny kofehy, mikorontana sy mifangaroharo izaitsizy ka tsy hita harahina fa mifampidipiditra ny lohany sy ny vodiny. ? Toetran'ny rivotra mitambolimbolina manao tampody fohy eo no ho eo. * Safotofotoina, asafotofoto, voasafotofoto, tafasafotofoto / manasafotofoto, fanasafotofoto, mpanasafotofoto / anasafotofotoana, fanasafotofotoana / misafotofoto, fisafotofoto, mpisafotofoto / isafotofotoana, fisafotofotoana / mahasafotofoto. Ahitsio
Safotina
[admin]
: Mitovy amin'ny Safontina. Ahitsio
Safotaka
[admin]
: ft.: Loto misolitika amin'ny tarehy na ny rantsam-batana na amin'ny va-va. - t.i.f : Misafotaka, fisafotaka. Ahitsio
Safosiaka
[admin]
: a.: Siatsiaka ataon' ny olona misambo-balala mba hampamitsaka azy ka hahamora ny fisamborana azy. ? h.o.: Teny mamy na a-sa mahafinaritra atao mba hanangolena izay tiana hofitahina: Tsy izaho akory no ho uoafitaky ny safosiaka ataonao. - F.-p.: Manao safosiaka mampandry adrisa: manao resaka mamy mba hampahalefaka olona tiana hangolena. Ahitsio
Safosafoina
[admin]
: (safosafo) mt. ih. (safosafoy): Lambolamboina amin'ny tanana. ? h.o.: Kasihina, tenenina kely fotsiny: Nosafosafoiny fotsiny ny amin'ny toe-karena, fa ny politika no noresahiny be. Ahitsio
Safosafo
[admin]
: a.: Tambitamby atao amin'ny tanana mandambolambo moramora mba hamalifaliana: Safosafo no mampatory an'io zaza io. ¶ M. h.: Tambitamby, tehatehaka. * Teny mamy feno fitiavana sady mandambolambo: Aza mihevitra ianao fa ho azonao amin'ny safosafo aho. ¶ M. h.: Tambitamby, fanambatambazana, kolikoly, fanolikolena, fanejokejoana, fanojikojiana, famalifaliana. ? Entina milaza ny firefarefan'ny fitafiana amin'ny tany na ny fanidin'ny vorona mila hikasika ny tany. Ahitsio
Saforana
[admin]
: (safotra) mt. ih. (safory): Totorana: Nosaforan' ny rano ny tanimbary etsy atsimo. ? Hosorana zavatra, lalorana. ? Rakofana. Ahitsio
Safontina
[admin]
: a. (jer. Sampotina): Fihodinana miverimberina, fiverenan'ny efa lasa ka tonga indray. ? Fisavorovoroana. ? Fisafotofotoana, fisaritahan-dresaka. * t.i.f : Asafontina, voasafontina, tafasafontina / matiasafontina, fanasafontina, mpanasafontina / anasafontenana, fanasafontenana / misafontina, fisafontina, mpisafontina / isafontenana, fisafontenana / mahasafontina / safotimpontina. Ahitsio