Teny nampidirina farany

Rofotra
[admin]
: a.: Fisehoan'aretina mibontsimbontsina, toy ny kitrotro, bonibony..., betsaka. , 4 t.i.f.: Mirofotra, firofotra. Ahitsio
Rofo
[admin]
: Rofoloha a.: Holatry ny hatina efa sitrana. Ahitsio
Rofia
[admin]
: a.: Zavamaniry karazana palmie izay anaovana kofehy ny hoza-draviny ka tenomina ho jiafotsy. Ahitsio
Rofy
[admin]
: a.: Aretina, fahadisadisana: Ho tsy tian-drofy anie ity zaza ity! • Zava-mampijaly, fahoriana: Ety an-tany be rofy. - t.i.f.: Marof y, farofy, marofirofy. - F.-p.: Aza marofy: firariana mba tsy harary. / Afadrofy, tsy tian-drofy: teny a-tao amin'ny zaza raha mievina mba tsy hahavoan'ny aretina azy. / Salama tsy marofy: tena salama, salama tsara. / Aza marofy taiza: firariana atao amin'ny vehivavy vao tera-bao mba ho salama tsara ny zanany. Ahitsio
Rofatra
[admin]
: a.: Haraoraon-javatra, harokoroko. ? h.o.: Raharaha misavoritaka. - t.i.f.: Mirofatra, firofatra, mpirofatra / irofotana, firofotana. Ahitsio
Rodrano
[admin]
: a.: Zavamaniry fihinarn-boa. Ahitsio
Rodorodoina
[admin]
: (rodorodo) mt. ih. (rodorodoy): Asaina mandeha haingana, korodorodosina, aporiatra. ? Atao haingana. Ahitsio
Rodorodo
[admin]
: a.: Feo heno avy amin'ny famindran'olona na andiam-biby maro miaraka, na avy amin'ny firimorimonjavatra mandeha haingana. • Hamaikana, hadodonana. ¶ M. h.: Rotoroto, korododo, korobobo, heninkenina. - t.i.f.: Rodorodoina, voarodorodo, tafarodorodo / mandrodorodo, fandrodorodo, mpandrodorodo / androdorodoana, fandrodorodoana / mirodorodo, firodorodo, mpirodorodo / irodorodoana, firodorodoana / maharodorodo. Ahitsio
Rodonina
[admin]
: (rodona) mt. ih. (rodony): (omby na ondry) Roahina indray miaraka daholo. • (hira) Iarahana mihira daholo: Rodony ny hira "Ry tanindrazanay malala ô!" Ahitsio
Rodona
[admin]
: a.: Feo heno avy amin'ny famindran'olona ma-ro be ; rodorodo, kirodorodo. Ahitsio
Rodo
[admin]
: a.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay teny hoe Rodobe: Fiarahan'ny maro manao zavatra iray: Tsy ifandrenesana azon'ny manao rodobe ianareo rehefa mamaly. Ahitsio
Rodarodaina
[admin]
: (rodaroda) mt. ih. (rodarodao): Lanilanina foana. Ahitsio
Rodaroda
[admin]
: p.t.: Manao izay hampirehi-be ny kitay eo am-patana. • h.i.: Mpandanilany tsy mitsapa ny farany. - t.i.f.: Rodarodaina, arodaroda, voarodaroda / mandrodaroda, fandrodaroda, mpandrodaroda / androdarodana, fandrodarodana / mirodaroda, firodaroda, mpirodaroda / irodarodana, firodarodana / maharodaroda. ¶ M.h.: Rodaka, tobatoba, robaroba. Ahitsio
Rodana
[admin]
: a.: Fanadabohana na fandavoana hiongana amin' ny tany; fianjerana na fikoavana. - t.i.f.: Arodana, voarodana, tafarodana / mandrodana, fandrodana, mpandrodana / androdanana, fandrodanana / mirodana, firodana / irodanana, firodanana / maharodana / rodandrodana. Ahitsio
Rodaka
[admin]
: p.t.: Mirehitra milelalela amin'ny tsy antony. • Mandanilany befahatany, mirobaroba ny ananana. * t.i.f.: Rodahina, arodaka, voarodaka / mandrodaka, fandrodaka, mpandrodaka / androdahana, fandrodahana / mirodaka, firodaka, mpirodaka / irodahana, firodahana / maharodaka / rodadrodaka. Ahitsio
Rodahina
[admin]
: (rodaka) mt. ih. (rodahy): Lanilanina foana, tobatobaina: Norodahiny ny lova napetraky ny ray amandreniny ka uetiuety foana dia nahantra izy. Ahitsio
Roboroboina
[admin]
: (roborobo) mt. ih. (roboroboy): Falifalina, amporisihina na entanina hifaly. * Ohab.: Roboroboin'ny mpanana ka ny mahantra auy no manao be fahandro: aoka tsy ho voatariky ny olona tsy mitovy amin'ny tena ka manao toa azy na dia mety hanimba ny tena aza. Ahitsio
Roboroboana
[admin]
: (roborobo) mt. ih. (roboroboy): Ampirehetina hiredareda fatratra. Ahitsio
Roborobo
[admin]
: a.: Toetran'ny afo miredareda, mirehitra fatratra. * t.i.f.: Roboroboina, roboroboana, aroborobo, voaroborobo, tafaroborobo / mandroborobo, fandroborobo, mpandroborobo / androboroboana, fandroboroboana / miroborobo, firoborobo, mpiroborobo / iroboroboana, firoboroboana / maharoborobo. Ahitsio
Robontsy
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazo misy tsilony. Ahitsio