Teny nampidirina farany

Sakaina
[admin]
: (saka) mt. ih. (sakao): Sak (orana, na foza) Alaina, halorina ao anaty lavany; (lehilahy) raisina amin'ny ankasarotany eo am-piadiana. Ahitsio
Sakay
[admin]
: a.: Zavamaniry misy voany fihinana fa masiaka dia masiaka. Karazan-tsakay: sakainala: sakay dia fahita any an'ala; sakaibe: karazan-tsakay lehibe; sakay fantsinakoho: karazany sady lava no vaventy ohatra ny fantsinakoholahy; sakay fonakoho: karazany boribory mavomavo vonivony; sakaipilo: ilay karazany fahita hatraiza hatraiza; sakay tsy lanina dimy bah y: sakay lehibe ohatra ny ankibe masiaka dia masiaka. - F.-p.: Sakay hely rano: sakay masiaka noho ny hakelin'ny rano naharo taminy. ? h.o.: Olona sarotra ifanarahana, lozabe. / SakaY sy maso: enti-milaza olona roa mifanohitra toy ny fahavalo. / Mena ohatra ny sakay: entimilaza ny tarehy miboramena noho ny hatezerana, tahotra, henatra. / Mitohy sakay: very hevitra noho ny alahelo na ny nenina ka lasa adala. * Ohab.: Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana: raha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. / Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany: na inona na inona hasarotan-javatra eo amin'ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. Ahitsio
Sakafoana
[admin]
: (sakafo) mt. ih. (sakafoy): Omena, tolorana haninkanina, vola: Tokony hosakafoana ireo tra-boina ireo. Ahitsio
Sakafo
[admin]
: a.: Zavatra handroina ka hanina isan'andro amin' ny fotoana tsy miova: Tsotsotra ihany ny anay ny sakafo maraina fa uitan'ny uary sosoa sy kitoza fotsiny. / Sotroy eran'ny sotro lehibe alohan'ny sakafo antoandro sy hariva ity fanafody ity. / Mahandro sakafo, manao sakafo, mandroso sahafo. ? Vola, haninkanina, o-mena vahiny: Amin'?zao fitsidihanao izao, tompoko, dia iny misy sakafo kely avy aminay. ? h.o.: Izay rehetra entina mamelona na mampitombo zavatra iray: Ny famakiam-boky no sahafon'ny saina. - t.i.f.: Sakafoana, voasakafo, tafasakafo / misakafo, fisakafo, mpisakafo / isakafoana, fisakafoana / mahasakafo. - F.-p.: Sakafo ambany foitra: sakafo kely dia kely. / Sakafo lanin-tompony: sakafo niandrasana vahiny tsy tonga ka lanin'izy nanao azy ihany. / Sahafo maivana: zavatra kely hanina maraina. ¶ M.h.: Ody lolo, ody ambavafo. / Sakafo manta: hanina tsy nandrahoina omena vahiny. / Sakafom-bahiny: zavatra omena ny vahiny hataony sakafo. / Sahafom-borondolo: sakafo hanina indray mandeha, ka amin'ny alina ihany. * Ohab.: Sakafom-borondolo ka ny alina no miantoka ny antoandro. / Sakafon'akoho: enti-milaza sakafon'olona tsy manan-toniantoerana isakafoana fa vitan' ny mihinana kely atsy mihinana kely aroa. * Ohab.: Sakafon'akoho ka uitan-tsindroha ihany. / Sakafon-tsorohitra: sakafo hanina eny an-dalana rehefa mivahiny: Sakafon-tsorohitra ka amoron-dalana ihany. / Tsindrintsakafo: voankazo na zavatra hafa hanina aorian'ny te-na sakafo. Ahitsio
Sakaba
[admin]
: na Sakabany a.: Elanelana. Ahitsio
Saka
[admin]
: Sakany a.: Home mifanohitra amin'ny lavany: Ohatrinona no haben'ity efitrano ity? —Fit() metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany. ? Habe salasalany, antonintoniny. ? p. t.: Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan'ombiuavy. ? h.i.: Salasalany, atriatry: Sakan-karona. - F.-p.: Tsy misy sakany sy lauany: sady fohy no vaventy. / Sakam-bavy, sakan-dahy: vanto-jazavavy, vantojazalahy. / Sakan-jaza: zaza madinidinika efa afa-mitsoriadriaka. / Sakam-bavy antitra: vehivavy tsy mbola tena antitra. / Sakan-dahy an titra: lehilahy tsy mbola tena antitra. / Sakan-kao: hao salasalany tsy mbola manatody fa kely kokoanoho ny renihao. / Sakan-karona: harona salasalany. Ahitsio
Saka
[admin]
: a.: Karazam-biby mampinono, tia nofom-biby, mitovitovy habe amin'ny bitro ary misy karazany roa lehibe: ny saka dia, atao koa hoe kary, ary ny saka fiompy, izay mihaza voalavo ao an-trano. ? F.-p.: Saka dia: kary, entimilaza olona fatra-pivezivezy ary fatra-piriorio. / Manjary salsa dia: tonga kary tsy ta-mana an-trano ary mihenjy tsy tan-dàlana. / Saka kary, karin-tsaka: sakamanjary kary mangala-pihinana na miova toetra. / Saka lava tanana: saka tsy azo itokiana. ? h. o. : Enti-milaza ny olona fetsy ary tonga mpangalatra. * Ohab.: Voalavolahy mila loza; saka matory ka alamb o lom bava : enti-milaza fa tsy tokony ho sahisahy foana ka manakaiky ny loza mahafaty. ¶ M. h. : Piso. Ahitsio
Saka
[admin]
: ft.: Enti-milaza fihalorana foza na orana amin'ny ta-nana ao anaty lavany; ilazana ny vehivavy maridray ny ankasarotana eo am-piadiana amin'ny lehilahy. - t.i.f.: Sakaina, asaka, vos-salsa, tafasaka / misaka, fisaka, mpisaka / isakana, fisakana / mahasaka / sakasaka. * Ohab.: Izaho mpisaka no ivarotana orana: enti-milaza fa tsy tokony hametsifetsy na hanambaka olona fetsifetsy noho ny tena. Ahitsio
Sajoa
[admin]
: (fit.-p.) a.: Siny. Ahitsio
Saisay
[admin]
: ft.: Raorao, harokoroko malailay misy manindrontsindrona kely. - t.i.f. : Masaisay. Ahitsio
Sainty
[admin]
: a.: Anaram-bakana kely mainty. Ahitsio
Saingona
[admin]
: p. t.: Matavy, mahazo nofo sy mandina. ? h. i.: Enti-milaza olona manomboka hanan-karena. Ahitsio
Saingona
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanao kitay. Ahitsio
Saingisaingy
[admin]
: na Somaingisaingy p. mt.: Sanganehana, mi-ro ahana, matahotahotra. • t.i.f.: Saingisaingena / manaingisaingy. Ahitsio
Saingisaingena
[admin]
: (saingisaingy) mt. ih.: Atao; alaina amintahotra, amim-pihambahambana. Ahitsio
Saingy
[admin]
: p. mt.: Fa: Nanitsy azy ny uato, sa?hgy niondrika izy ka tsy uoa. ¶ M.h.: Nefa, sangy, faingy, kanjo, kango. Ahitsio
Saingy
[admin]
: ft.: Voninahitra, rehareha; fanajana tena, fiheverana ny fahambonian'ny tena. i t.i.f.: Misaingy, fisaingy, mpisaingy / isaingena, fisaingena / mahasaingy / saingisaingy. Ahitsio
Sainina
[admin]
: (saina) mt. ih. (saino): Eritreretina, dinihina: Saino tsara izany, rankizy. Ahitsio
Saina
[admin]
: (fr. enseigne) a.: Tapadamba misy tahony na hazony, izay natao fanevan'ny tafika tany am-boalohany, ary tonga famantarana ny firenena tat? aoriana amin'ny lokony samy manana ny azy: Ny saina malagasy dia fotsy, mena, maitso. - F.-p.: Manangan-tsaina; m am p id in- tsa in a. Ahitsio
Saina
[admin]
: a.: Fitaovan'ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala: Tsy manan-tsaina ny biby ka tsy mahazo izay lazaina aminy. / Marani-tsaina itY zaza ity. • Eritreritra: Tsy tonga tao an-tsaiko izany. • Fitsarana zavatra: Tery saina ianao izany. - t.i.f. : Sainina, voasaina / m?saina, fisaina, mpisaina / isainana, fisainana / mahasa?na 1 saintsaina. - f.-p.: Ary saina, uory saina: afaka mandinika sy mihevitra ny tokony hatao. / Be saina: ampy fiheverana, tsy atoro amin'izay fialana olana, fa hendry sy be hevitra — (hevitra maneso): entimilaza olona mihevitra ny tenany ho mahay noho ny ha-fa ka tsy milefitra ary manao ny sasany ho tsinontsinona. / Haingan-tsaina: mahadinika avy hatrany ary mahatakajavatra eo no ho eo. / Kely saina: (jar. marivo saina). / Latin -tsaina: mahataka-javatra amin'izay mbola hiseho sy izay vokany. / Mahatsiaro saina: enti-milaza olona vao avy safotra ka manomboka hahalala ny mahazo azy sy ny manodidina azy. / Mahira-tsaina: mahataka-kevitra avy hatrany. / Mamonkintsaina: ilazana ireo izay tsy mba mety manambara ny heviny na dia fantany aza ny antony, fa aleony tsy mamosaka na inona na inona. / Manampa-tsaina: ilazana ireo mampiseho hafetsena tafahoatra hahazoana miala olana. / Manan-tsaina: afaka hahatakatra hevitra mora foana; na mora mahay zavatra ianarana. / Manao saina: enti-milaza fampiasana tetika hahazoana misafelika amin' izay heverina. / Mandevintsaina: tsy be teny amin' izay heviny fa mangina tanteraka. l Manolo-tsaina: manoro hevitra na mampiseho izay heveriny ho mety amin' ny tokony hatao. / Maranitsaina: mahataka-javatra sy haingam-piheverana amin'ny mety hatao. / Marino saina: tsy mahadinika firy, sady tsy ampy fisainana fa misafosafo fotsiny. /Melo- tsaina: man odinko din-tsaina ary misy familiviliana amin'izay atao./Miari-torin-tsaina: manao izay hampahazava ny hevitra ifandinihana na dia hamoizana ny torimaso aza. / Miki saina na maha saina: mieritreritra sy mandinika tsara ary manadihady sy mila hevitra amin'izay hatao sy efa natao. / Misaratsaina: enti-milaza olona maro tsy miray hevitra fa misy fisarahana sy elanelana ara-piheverana. / Miuerin-tsaina: olona be tanna tsy mahafantatra izay tokony hatao intsony fa efa sa-hala amin'ny zazakely indray. / Samy manao ny saimpantany: samy manao izay heveriny ho mety. / Saimpotsy: fiheverana maivana sy ataotao fotsiny ary tsy ahitam-bokatra tsara. / Saindratsy: fisainana mankamin' ny zava-tsy mendrika ary toetra maharikoriko. / Sain-jasa: fisainana fatra-panao trandrametaka sy peta-toko ary antematemaka. / Sainjaza maroroka: fisainana fatra-panao zavatra tsy voahevitra tsara. / Sain-kanina: saina tsy mihevitra afa-tsy ny hihinana ihany noho ny hatendana sy hasarotana. / Tery saina: olona tsy mba afaka manaiky hevitra ivelan'ny an'ny tena fa rehefa tsy mitovy amin'ny an'ny tena na mivoaka kely ivelany dia tsy leferina (mifanohitra aminy: malala-tsaina). / Very saina: tsy mahatsiaro tena hijery sy handinika ny manodidina, adala. l Votsa saina: ela vao mahazo izay lazaina na vao mahay izay ianarana. ¶ M. h.: Manan-tsaina, malady sains, kinga saina, haingan-tsaina, matsilo saina, mahiran-tsaina, malala-tsaina, la-va oroanana, marani-tsaina, mato-tsaina, manam-panahy, tangolo-tsopaka, laiin-tsaina, — Kely saina, fohy sains, tery saina, maivan-tsaina, maivan-doha, kely atidoha, mari-vo salosana, tanora fanahy, malady ofana. Ahitsio