Teny nampidirina farany

Robona
[admin]
: a.: Voly tsara faniry ka midoroboka fatratra. * t.i.f. : Mandrobona, fandrobona / manorobona, fanorobona, mpanorobona / mirobona, firobona, mpirobona / robondrobona. Ahitsio
Roboka
[admin]
: a.: Fandentehana ao anaty rano: Ataouy tsara roboka ao anaty rano nato ny land y. • p. t.: Voangoly, voataona, voatarika hanao zavatra: Vao nahare ilay vola be ny anao lahy dia roboka. * t.i.f.: Robohina, robohana, aroboka, voaroboka / mandroboka, fandroboka, mpandroboka / androbohana, fandrobohana / miroboka, firoboka, mpiroboka / ?robohana, firobohana / robodroboka. Ahitsio
Robohina
[admin]
: (roboka) mt. ih. (robohy): Itana tsy mahalentika: Tsy azo robohina io rano io, Ahitsio
Robohana
[admin]
: (roboka) mt. pdr. (robohy): Enti-milaza izay andentehana zavatra: Robohan'ny olona tapa-kazo io rano io dia sotroiny. Ahitsio
Roboana
[admin]
: (robo) rat. ih. (ro-boy): Fitahina amin'ny teny mamy, dokadokafana: Noroboan'ny namany izy dia roso tokoa. Ahitsio
Robo
[admin]
: a.: Teny atao mba handokadokafana olona tiana hahazoan-javatra; fitaka amin'ny teny mamy; lainga entina mampirisika hanao ny tsy tokony hatao. * tif: Roboana, arobo, voarobo / mandrobo, fandrobo, mpandrobo / androboana, fandroboana / maharobo. Ahitsio
Robirobina
[admin]
: (robiroby) mt. ih. (robirob?o): Falifalina. Ahitsio
Robiroby
[admin]
: a.: Ilazana ny fiarahan'ny mpianakavy mifalifaly, miravoravo. * t.i.f.: Robirobina, arobiroby, tafarobiroby / mirobiroby, firobiroby / irobirobiana, firobirobiana / maharobiroby. Ahitsio
Robia
[admin]
: (fr. rubis) a.: Vatosoa. Ahitsio
Robaka
[admin]
: p. t.: Loaka hatrany am-badika, tanteraka, gorobaka. - t.i.f. : Robahana, voarobaka / mandrobaka, fandrobaka, mpandrobaka / androbahana, fandrobahana / mirobaka / maharobaka/ robadrobaka. Ahitsio
Robaina
[admin]
: (roba) mt. ih. (robay): Alaina ny azo entina ary ravana ny tsy azo: Norobain' ny mpirotaka ny tanàna. ? Entina, paohina, faohina: Norobain 'ny jiolahy ny zauatra rehetra tao an-trano. • Afitsaka, baboina, hosena: Norobain'ny fanjakana ny fananany rehetra. Ahitsio
Robahana
[admin]
: (robaka) mt. ih. (robaho): Loahana hatrany ambadika; gorobahana; tanterahina. Ahitsio
Roba
[admin]
: a.: Fangoronana an-keriny; fangalarana sy fanimbana. * t.i.f.: Robaina, voaroba / mandroba, fandroba, mpandroba 1 androbana, fandrobana / miroba, firoba, mpiroba / irobana, firobana / maharoba / robaroba. Ahitsio
Roazodafy
[admin]
: a.: Marolafy izay iraizotra tsiroaroa ny lafy aminy. Ahitsio
Roavoamena
[admin]
: a.: Voamena roa (0,40Fr). Ahitsio
Roatry
[admin]
: a. :Karazan' omby vahiny nampidirina. Ahitsio
Roatra
[admin]
: a.: Vorivory fotsy miforona eo ambonin'ny rano; tapoapoaka mitambolina mivoaka avy amin'ny rano midona mafy amin-javatra ka miverina mifanena, na avy amin'ny rano misy savony, na avy amin'ny vary andrahoina. * t.i.f.: Roatina, aroatra / mandroatra, fandroatra, mpandroatra / androatana, fandroatana / miroatra, firoatra, mpiroatra I iroatana, firoatana / maharoatra / roadroatra. Ahitsio
Roatina
[admin]
: (roatra) mt. ih. (roaty): Esorina ny roatrany: Roaty ny vary rankizy a. Ahitsio
Roanahana
[admin]
: Mitovy amin'nY Roahana. - t.i.f.: Aroandroana / miroandroana, firoandroana, mpiroandroana / iroandroanana, firoandroanana. Ahitsio
Roambinifolo
[admin]
: a.: Anarana ilazana ireo mpanjaka nolovan' Andrianampoinimerina ka voateniny matetika rehefa mahatsiaro ny razany izy: Rafandrana, Rafohy, Rangita, Andriamanelo, Ralambo, Andrianjaka, Andriantsitakatrandriana, Andriantsimitoviaminandriandehibe, Andriamasinavalona lehibe sy Andriamasinavalona zanany, An driantsimi t ov iam in andriana ary Andriambelomasina. (T.A.I. tak. 253) Ahitsio