Teny nampidirina farany

Roka
[admin]
: a.: Zezika, zezika miavosa kely na fotaka manampina ny vava lavaky ny foza. - F.-p.: Homan-droka: efa antitra dia antitra (ka miverina amin'ny fahazazana mitsimpona mihinana izay rehetra hitany na dia fakofako aza). Ahitsio
Rojo
[admin]
: a.: Karazam-bary lava madio ny voany: Vary rojo fotsy; rojo mena. Ahitsio
Rojo
[admin]
: a.: Masom-by na varahina na volafotsy na volamena mitohitohy ka zary fehy, hitanana mpangalatra na hiambozonan-javatra na hatao haingo: Tapaka ny rojompamantaranandroko. / Rojo vy. / Rojo vola. - F.-p.: Rojo taolan'amalona: rojo karazany hafa kely fa ny fitohitohizan'ny masom-by aminy dia toy ny taolan-dam osin' amalona. Ahitsio
Roimemy
[admin]
: na Romemy a.: Karazana roy izay mafy aoka izany ny hazony (Mimosa la-t isp in osa). Ahitsio
Roimainty
[admin]
: a.: Voarointsaka dia. Ahitsio
Roifantaka
[admin]
: a.: Karazana roy mafy hazo. Ahitsio
Roibevavy
[admin]
: a.; Karazana roibe lehibe. Ahitsio
Roibelahy
[admin]
: a.: Karazana roibe kelikelY. Ahitsio
Roibe
[admin]
: a.: Karazana roy misy voninkazo mitapelaka, ary ny hodiny anaovan'ny ankizy antsamOtady. Ahitsio
Roy
[admin]
: a.: Karazan-kazo kely madinidinika misy tsilotsilony ary fihinam-boa: Ny uoan' ny roy no atao hoe uoaroy. (Maro karazana ny roy: roibe, roibelahy, roibevavy, roifantaka, roimainty, roimemy; samy jereo amin'ny toerana tokony hisy azy avy ireo). Ahitsio
Roy
[admin]
: Kianteny entina manolo ny anaran'olona tsy tiana hotononina, ary matetika mifamaly amin'ny hoe "lahy". Ahitsio
Rohotra
[admin]
: na Rohitra a.: Fiaraha-mandeha ataon'ny olona maro be ; fizorana miara-be. - t.i.f.: Mirohotra, firohotra, mpirohotra / irohotana, firohotana / maharohotra / rohodrohotra. Ahitsio
Rohontany
[admin]
: a.: Fomban-tany na fomba irohonan'ny be sy ny maro ka mahatarika izay miara-mitoetra aminy hanaraka izany. (Oh. olona zatra ny madio any an-tanàn-dehibè, nefa nony tonga monina any an-tsaha lasa tsy mahavatena manaraka ny rohon-tany). Ahitsio
Rohona
[admin]
: a.: Kotroka mamoaka feo midaondaona any lavitra any; fipoahan-javatra miraondraona sy mampihovitrovitra na dia akaiky aza. - t.i.f.: Tafarohona / mandrohona, fandrohona, mpandrohana / androhonana, fandrohonana / mirohona, firohona, mpirohona, / maharohona / rohondrohona. Ahitsio
Rohizana
[admin]
: (rohy) mt. ih. (rohizo): Fatorana amin'ny mahazaka: Rohizo io lakana io fa sao lasan'ny rano. ? (omby) Samborina amin'ny fanipazana tady eny amin'ny tandrony na eny amin'ny tongony: Norohizan-dRakoto ny ombiny. ? h.o.: Tana-na, hazonina: Tandremo ny teny atao fa sao rohizan'ny olona amin'ny uauanao ianao. Ahitsio
Rôhy
[admin]
: (Tsm) a.: Zanak'omby sarahina amin-dreniny mandritra ny alina mba hahazoana mitery ny reniny ny ampitso. Ahitsio
Rohy
[admin]
: a.: Famatorana amin' ny tady, fanagiazana amin' ny kofehy: Ataouy rohy foza izay mpangalatra tratra. * Fatotra: Ratsy rohy an-gamba ilay omby matou afanan dos i tra. * t.i.f.: Rohizana, arohy, voarohy, tafarohy / mandrohy, fandrohy, mpandrohy / androhizana; fandrohizana / mirohy, fixohy / irohizana, firohizana / maharoy / rohirohy. Ahitsio
Rohanina
[admin]
: (rohana) p. t.: Mararin'ny rohana. Ahitsio
Rohana
[admin]
: a.: Aretina manaintaina sy mampangotsokotsoka any amin'ny famavanin'ny taolana. - t.i.f.: Rohanina. - F.-p.: Roha-nendra, rohankatina, rohan-tety: fanaintainana na fivontosana avy amin'ny aretina samihafa, toy ny nendra, hatina... / Miala rohana: mihetsiketsika mba hanala sasatra ny hozatra. Ahitsio
Rohae
[admin]
: (Ski) a.: Enti-milaza ny tany mainty miparasadrasaka toy ny lavenona, na toy ny main'ny afo tany aloha ela. Ahitsio