Teny nampidirina farany

Romposana
[admin]
: (rompotra) mt. ih (romposy): Otazana eran-tanana. Ahitsio
Romotra
[admin]
: p.t.: Voan'ny haromotana, aretina izay mahatonga ho toa adala manaikitra am-pisafoahana izay sendra azy, gaigy: Alika romotra. • Misafoakan-katezerana: Vao mainka romotra izy nahita an-janany naniratsira azy. - t.i.f.: Romotana, voaromotra 1 mandromotra, fandromotra, mpandromotra 1 andromotana, fandromotana 1 romodromotra 1 miromodromotra, firomodromotra, mpiromodromotra / iromodromotana, firomodromotana / maharomodromotra / haromotana, faharomotana. Ahitsio
Romotana
[admin]
: (romotra) mt. ih. (romoty): Rambasana, rovitina amin'ny nify: Noromotan'ny alika ny pataloany. Ahitsio
Romoromoina
[admin]
: (romoromo) mt. ih. (romoromoy): Asiana romoromo amin'ny sisiny. Ahitsio
Romoromo
[admin]
: a.: Ambiny mitaritarika, amin-javatra nodidiana na nohetezana ka tsy nifarana tsara: Farano daholo ireo romoromo amin'ity jiafotsy ity fa maharatsy bika azy. • h.o.: Fahasosotsosorana, tsy fifanarahana: Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay hena matauy ampiandromoromo (ohab). * fi, f.: Romoromoina, aromoromo / miromoromo, firomoromo, mpiromoromo / firomoromoana / maharomoromo. Ahitsio
Romemy
[admin]
: Mitovy amin'ny Roimemy. Ahitsio
Rombotra
[admin]
: p.t. sy a.: Rovitra, rombina na silaka; faharovitana na faharombinana noho ny fisintonana an-keriny: Misy rombotra ny akanjonao. - t.i.f.: Rombotana, voarombotra / mandrombotra, fandrombotra, mpandrombotra / andrombotana, fandrombotana / mirombotra, firombotra, mpirombotra / irombotana, firombotana / maharombotra / rombodrombotra. Ahitsio
Rombotana
[admin]
: (rombotra) mt. ih. (romboty): Rombinana, rovitina. Ahitsio
Romboromboina
[admin]
: na Romboromboana (romborombo) mt. ih. (romboromboy): A-siana romborombo amin'ny sisiny. Ahitsio
Romborombo
[admin]
: a.: Rambondrambony na kitsambony amin'ny zavatra tsy voafarana tsara; ambiny mitaritarika na mitarozadrozaka amin'ny taratasy tsy voadidy tsara: Makà hety hanapahana ny romborombony amin' ity lamba ity. * tif: Romboromboina na romboromboana, aromborombo / mandromborombo, fandromborombo, mpandromborombo / andromboromboana, fandroboromboana / miromborombo, firomborombo, mpiromborombo / iromboromboana, firomboromboana. Ahitsio
Rombinana
[admin]
: (rombina) mt. ih. (rombino): Silahina asiana banga kely eo amin'ny molony. Ahitsio
Rombina
[admin]
: a.: Misy banga na silaka eo amin'ny molo-javatra iray: Rombina ity uilia ity fa soloy. * t. t. f.: Rom binana, voarombina / mandrombina, fandrombina, mpandrombina / andrombinana, fandrombinana / maharombina 1 rombindrombina. Ahitsio
Rombaka
[admin]
: a.: Fakana tampoka ny zavatra eny amin'ny hafa; fahamaimaizana hiteny ka mitsatsaingoka hilaza. * t. t. f. : Rombahina, voarombaka, tafarombaka / mandrombaka, fandrombaka, mpandrombaka / andrombahana, fandrombahana / mirombaka, firombaka, irombohana, firombohana / mifarombaka, mifandrombaka / maharombaka 1 rombadrombaka 1 firombaka. Ahitsio
Rombahina
[admin]
: (rombaka) mt, ih. (rombaho na rombahy): A-laina tampoka sy an-kery: Norombahiny ny uatomamy teny an-tanan-jandriny, • h. i.: Tapahina (tenin'olona): Aza rombahina ny teny fa mbola tsy anao ny fitenenana. Ahitsio
Romba
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry mantra. Ahitsio
Romaroma
[admin]
: Mitovy amin'ny Rem arem a. Ahitsio
Rokorokoina
[admin]
: Arokoroko (rokoroko) mt. ih. (rokorokoy): Atao maraorao, mandrotsirotsy. Ahitsio
Rokoroko
[admin]
: a.: Fivontovontosana kely majinika be dia be ao amin'ny vohon-javatra iray, hasaosao, haraorao. * t.i.f.: Arokoroko, rokorokoina / mirokoroko, firokoroko, mpirokoroko / marokoroko / faharokoroko, harokorokoana, faharokorokoana. Ahitsio
Rokina
[admin]
: (roky) mt. ih. (rokio): Tenenina na tononina tsy mahitsy tsara: Aza rokinao ny fitenenana fa tsy any ambaniuohitra akory isika. Ahitsio
Roky
[admin]
: a.: Fiteny na fanononan-teny tsy mahitsy. • Fodiana adala mba hanambakana. - t.i.f. : Rok?na, aroky, voaroky / mandroky, fandroky, mpandroky / androkiana, fandrokiana / miroky, firoky, mpfroky / irokiana, firokiana / rokiroky. Ahitsio