Teny nampidirina farany

Saily
[admin]
: (Ski) a.: Laharan-tsikidy fahefatra ambin'ny folo, milaza ny reny na ny be sy ny maso. Ahitsio
Saikiró
[admin]
: na Saikoró (angl. screw) a.: Fantsika an-kodina misy rindrany; rindra. Ahitsio
Saikiny
[admin]
: (angl. second) a.: A-min'ny hira misy feo maro, ilay feo antsoina hoe faharoa, fizarana na paritra mazàna ataon'ny vehivavy iva feo indrindra. Ahitsio
Saikinany
[admin]
: p. mt.: Soa ihany fa: Saikinany nitondra e10 isika fa raha tsy izany kotsa taty am-pitsangantsanganana taty. Ahitsio
Saiky
[admin]
: Mitovy amin'ny Siky. Ahitsio
Saiky
[admin]
: na Saikiny a: Zavatra na olona ampiasaina ho solon'ny hafa izay toa tiana hotsitsina, na hotsimbinina sao halaky simba: Asiana saikiny ny faladian-kiraro mba tsy ho simba haingana. - t.i.f.: Saikena, asaiky, voasaiky / misaiky, fisaiky, mpisaiky / isaikena, fisaikena I mahasaiky / saikisaiky. - F.-p.: Saikim-paladia: ny faladian-kiraro nasiana arony mba hampahateza azy. / Saikim-pananana: fitsitsiana ny fananan'ny tena ka ny an'ny hafa aloha no ampiasaina. / Saikin-damba: lamba fitafy tsy dia tsars loatra ampiasaina mba hampahateza ny lamba fitondra vory vahoaka. / Manao saikiny: enti-milaza ny fananana izay tsy kasihina, fa ny an' olona no ampiasaina. ¶ M. h.: Sosona, latsy, tsikala, tamby, rikarika, fanampy, tohana, safy. Ahitsio
Saikena
[admin]
: (saiky) mt. ih. (sui-Iseo): Soloana hafa,asiana saikiny: Aoka tsy hosaikenao ny zanakao fa avala izy hiasa irery hatrany. Ahitsio
Saikatsaikatra
[admin]
: p. t.: Sanganehana menamenatra: Saikatsaikatra be ihany aho nasain'iny olona iny hisakafo any aminy amin'ny Alahady. Ahitsio
Saikatra
[admin]
: a.: Enti-milaza ny omby vositra. • h.i.: Sarindahy. • p.t.: Vary hevitra, toa misalasala: Saikatra izy, tsy hitany izay hatao, - t.i.f. : Mahasaikatra 1 saikatsaikatra. Ahitsio
Saika
[admin]
: na Saiky p. mt.: Kely foana no tsy...: Saika nianjera izy. ¶ M.h.: Kasa. • Manam-pikasana: Saika handeha aho raha vita ny resatsika. Ahitsio
Saika
[admin]
: a.: Fakana rano amin' ny zinga na siny izay tonga dia asoka ao anaty rano ka atao izay hahafeno azy avy hatrany. - t.i.f.: Saihina, asaika, voasaika / manasaika, fanasaika, mpanasaika / anasaihana, fanasaihana / misaika, fisaika, mpisaika / isaihana, fisaihana / mahasaika / saitsaika. ? F.-p.: Sai-dany: vary tondrahana rony ary hanina haingana sy an-kisesy. / Saidrano: fihinanana vary amin' ny rano; enti-milaza koa ny tanimbary ampidirana rano betsaka. Ahitsio
Sai-dany
[admin]
: Jar. Saika. Ahitsio
Saihina
[admin]
: (saika) mt. ih. (saiho): Alaina amin'ny zinga na siny izay asoka ao anaty rano: Tsy rano notouozina io fa rano nosaihina. Ahitsio
Sahotaka
[admin]
: a.: Fahataitairana sy fisavoritahana noho ny tahotra indrindra; fisafotofoto, fisaritaka. il t.i.f. : Misahotaka, fisahotaka, mpisahotaka / isahotahana, fisahotahana / sahotakotaka. Ahitsio
Sahondrandrambony
[admin]
: a.: Ny tendron'ny rambon'omby izay volovoloina. Ahitsio
Sahondrahondra
[admin]
: Mitovy amin' ny Hondrahondra. Ahitsio
Sahondra
[admin]
: a.: Karazana vahona any an'ala misy voniny mena na vony izay mirozaroza mahafinaritra. - F.-p.: Sahondran-drambony: ny loha rambon.'omby ilay be volo iny. * Ohab.: Tsy adala monina Ankaratra aho ka tsy hahalala sahondra ho uaky: olona mahalala ny ataoko aho. ¶ M.h.: Tsy soavaly vao aho ka tsy hahalala an'i Mahamasina. / Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo. Ahitsio
Sahondoroka
[admin]
: a.: Karazana sahona. Ahitsio
Sahonaka
[admin]
: p.t.: Vonto, bobo-ka, ampoka. - t.i.f. : Manasahonaka. Ahitsio
Sahona
[admin]
: a.: Karazam-biby mivelona eny amoron'ny farihy sy heniheny, be monto-maso, malamalama hoditra, ary lava ny tongony aoriana no-ho ny eo aloha ka mahay mitsambikina izaitsizy izy; ny sahona dia biby miofo ka raha mbola kely izy, ka atao hoe tsiboboka, dia hafa dia hafa ny bika aman'endriny. Ahitsio