Teny nampidirina farany

Roaka
[admin]
: a.: Fampandehanana ny biby, vorona andrasana ho eo alohan'ny tena. ? T:'axnpialana handeha. ? Fanosehana handeha hihataka: Nataony roaka alika aho, sana-tria. * t.i.f.: Roahina, voaroaka / mandroaka, fandroaka, mpandroaka / androahana, fandroahana / miroaka, firoaka, mpiroaka / iroahana, firoahana I maharoaka / roadroaka. Ahitsio
Roahina
[admin]
: (roaka) mt. ih. (roahy): Ambenana ka arahina avy ato aoriana: Efa lasa noroahin'Ikoto any an-tsaha ny omby. ? Atosika handeha hihataka: Roahy any io alika io. ? Terena hiala, esorina: Noroahin'ny mpampianatra Ibalita fa sady tsy mahay no maditra. ? Atao sesitany: Noroahin'ny fanjakana izy fa nahavita heloka bava-va. Ahitsio
Roahana
[admin]
: ft.: Fisalasalana, hambahamba. * t.i.f.: Miroahana, firoahana, mpiroahana. Ahitsio
Roa
[admin]
: a.: Isa manarakaraka ny iray: Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina. ? p, i.: Iray miampy iray: Omby roa. (Fiteny matetika koa ny hoe anankiroa). * t.i.f.: Miros / indroa / indroasina, indroazina, indraosina 1 manindroa, fanindroa, mpanindroa / anindroasana, anindraozana, fanindraozana, fanindroasana, fanindraosana,fanindxoazana / tsiroaroa I roroa, mandroroa, fandroroa 1 m?roroa / mpiroroa. ? F.-p.: Antsy na sabatra roa lela na miroa lela: enti-milaza zavatra manana vokany na mety hisy asany roa mifanohitra. / Avo roa toko: entimilaza zavatra iray tonga te-Io. l Fola-droa: enti-milaza ny fitafiana lamba, izay akarina eo an-tsoroka havanana sy eo an-tsoroka havia ny lamba efa nasampina. / Manao tantanan-droa lela: entimilaza olona mahay mihatsaravelatsihy izay miseho ho mifankahazo amin'olona roa tsy mifanaraka. / Ny ela maharay roa: nj• fotoana maharitra mahatonga fifankazarana na fahazarana tsy arahimpieritreretana (tsy tokony hafangaro amin'ny hoe: "ny ela mahareroy": mampifankazatrâ fatiatra ny ela niarahana ka mahatonga tsy hifanaja fa mifanao "re roy"). / Roa sosona: roa mikambana, na mitambatra. / Roa vo-Io: enti-milaza ny olona efa lehibebe ka fotsy sasaka ny volony. ? h. i.: Enti-milaza zavatra mizara roa: "tsy tiako, hoy Andrianampoinimerina, Imerina raha manao akanga roa volo". / Tsy manan-droa hamolahana: (ray aman-dreny) tsy manan-janaka afa-tsy tokana, izay voatery hotsimbintsimbinina, fa raha nanan-droa manko izy, mety ho niseho ho henjankenjana. / Tsy mitondra roa: ratsy fitondra, tsy mitsitsy fa mamoapoaka. / Voa roa ohatra ny dakam-boriky: fahavoazana indroa miantoana. / Votso-droa: samy tsy misy azo ireo zavatra roa efa noheverina nan_antenaina. * Ohab.: Maty roa ohatra ny vary rahana der. Rahana). / Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina: enti-milaza ny firaisana, fifanampiana, fifanohanana, izay mahasoa. / Vary roa tanty (indroan'ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana: ilazana ny zavatra efa voakendry amin'izay iheverana azy avy. Ahitsio
Ro
[admin]
: a.: Ranon-kanina, indrindra ranon'anana masaka: Tsy mahalany vary mihitsy izy raha tsy misy rony. - F.-p.: Alain-dro: enti-milaza ny hena tsy ritina na endasina fa andrahoina mba hisy rony. / Misoko ohatra ny ron-gisa: fitenenana enti-milaza zavatra tsy ampoizina nefs misy asany. / Ro be maso: rony misy mena-ka misomidika ary matsiro be (hita mitsinkafona boribory mova tsy ny maso ny menaka). / Ro mafana: ilazana ireo vorona na akoho ataon'ny olona fanomezana ho an'ny olona hajaina sy nahavita soa azy. / Ro mangazafy: ro marihitra matsiro, fomba fahandroana vorona ka atao ketsaketsa rano fa tsy ritina. / Ro masaka: ro tsisy sira (natao fanomezana ho an'ny olona manamanjo taloha). / Ro masiaka: Ro be sira sy masiatsiaka natao mba hampahazoto homana. / Ro matsatso: rony tsy misy sira ary tsy mba misy menaka misomidika. / Ro mazava: ron-kena misy - anana. / Rom-patsa: ilazana ny vola enti-mamangy ny vehivavy tera-bao. / Ron-doha: fieritreretana mafy, fisahiranana, fiahiahiana: Lany rondoha taminao ny ray amandreninao. / Ro sompatra: ro be menaka izaitsizy, izay toa matsiro aoka izany nefa mety handoro ny vava na hankarary kibo. / Tsy rony tsy ventiny: enti-milaza hatezeran'olona iray izay tsy misy antony tokony ho nahatonga azy akory. / Vary misy ro ka haronina: enti-milaza olona manaonao foana, tsy mahalala fomba toy ny ankizy izay mangaron-tanana ny vary misy rony. * Ohab.: Ilay nahandro vato; raha ny rony dia masaka: enti-milaza olona efa nanao sy niezaka hatramin'ny ela, ne-fa tsy nahita vokany tamin' izany. / Mifady ventiny fa misotro ny rony: enti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafaY ka mifady anarany fotsiny. / Misy rony, miaramisotro; misy ventiny miaramihinana: fitenenana mampiseho fiaraha-miisalahy amin'izay misy, na soa izany na ratsy. / Ron'i Mandiauato; ny sisa tsy lany anasantongotra: ohabolana ilazana tsy fahaizan-javatra ka mahatonga ny zavatra hariariana foana, toy ireo olona voalaza eto izaY nanisy rano be loatra ny laoka ka nanjary tsy nisy tsirony ary tsy lany ilay laoka. Ahitsio
Rizavavy
[admin]
: s.o.: Entin'ny samy vehivavy mifampiantso: Andeha hanao fampitaha rizauavy a. Ahitsio
Rizatra
[admin]
: sy Rizadrizatra a.: A-diady sy fifamaliana mitohitohy; teny an-katezerana tsisy farany sady feno hasosorana. * t.i.f.: Mandrizatra, fandrizatra, mpandrizatra; mandrizadrizatra, fandrizadrizatra, mpandrizadrizatra / andrizatana, fandrizatana / mir?zatra, mirizadrizatra. Ahitsio
Rizareo
[admin]
: s.o.: Enti-manondro olona maro. Ahitsio
Rizana
[admin]
: Jar, Rozana. Ahitsio
Rizalahy
[admin]
: s.o.: Entin'ny lehilahy mifampiantso. Ahitsio
Rivotra
[admin]
: a.: Aera mihetsika mivoivoy eny amin'ny habakabaka. * t.i.f, : Mandrivotra, fandrivotra. - F.-p.: Hevitra rivotra: hevitra poaka aty, tsy misy antony. l Lalan-drivotra: ny fidiran'ny rivotra avy eo amin' ny vava na orona mankany amin'ny havokavoka. /Maka rivotra: miala sasatra fotoana fohy amin'ny toerana tsy mpisy ny tena. / Fakan-drivotra: fotoana omena ny mpianatra eny anelanelan'ny fotoana ianarany mba hahafahany milalao na miala sasatra. / Miala rivotra: mihataka amin'ny rivotra iainana andavanandro — miala amin' ny trano fonenana misy mosavy nataon'olona. / Mifofofofo ny rivotra: mitsokamafy dia mafy ny rivotra. /Milaza rivotra: milaza zavatra tsy mety ho marina. / Mivalan-drivotra: teny mihajahaja kokoa ilazana ny hoe mangetotra (mamoaka rivotra amin'ny vava fivalanana). / Rivo-balala: rivotra maimaina izay mialoha ny fiavian'ny valala ary heverin'ny olona. ho mitondra aretina (sery). / Rivo-doza: rivotra mafy fitsoka ary mazàna arahin'orana ka mandevona sy manimba zavatra maro. / Rivo-drano: ny rivotra mitsoka eny amoron-drano izay mandrakariva somary mamirifiry. / Riuo-mahery: rivo-doza. / Tafio-drivotra: karazan-drivodoza. / Tsiotsio-drivotra: rivo-malefaka mamelombelona aina. / Vava rivotra na ankotsio-drivotra: toerana ivantanan'ny rivotra. Ahitsio
Rivodahy
[admin]
: a.: Karazan-damisY izay ahodina amin'ny tady kely. Ahitsio
Rivo
[admin]
: ft.: Tsy halalina. * t.i.f:: Marivo, harivo / faharivo. Ahitsio
Rivirivy
[admin]
: a.: Kapoka mafy sady betsaka, vonoana mahery vaika. * t.i.f.: Mandrivirivy, fandrivirivy / mirivirivy, fixivixïvy. Ahitsio
Rivatra
[admin]
: (Btm) p. t.: Enti-milaza hazandrano lasa na afaka tamin'ny fintana fa tataka ny vavany. Ahitsio
Rivanina
[admin]
: (rivana) mt. ih. (riva-no): Rahonana mafy aminkatezerana. Ahitsio
Rivana
[admin]
: ft.: Fitrifanana sy fihenjanana ka tsy laitra tenenina; fihetsika feno fampitahorana sy fandrahonana. * t.i.f. : Rivanina / mandrivana, fandrivana, mpandrivana / andrivanana, fandrivanana / mampirivana / ampirivanana / rivandrivana. Ahitsio
Riva
[admin]
: (Ski) a.: Tendrombohitra vato any anaty ranomasina. Ahitsio
Ritsoka
[admin]
: a.: Teny na feo malefaka; bitsibitsika, resaka malemilemy ifanaovana (ny te-na endriny fahita amin'ity hevitra ity anefa dia ny hoe: Ritsodritsoka): Ritso-baliha. * Entina milaza koa ny famelezana amin'ny tsorakazo na karavasy. * t.i.f.: Ritsohina, voaritsoka, tafaritsoka / mandritsoka, fandritsoka, mpandritsoka / andritsohana, fandritsohana / miritsoka, firitsoka, mpiritsoka / iritsohana, firitsohana / maharitsoka / ritsodritsoka. Ahitsio
Ritsohina
[admin]
: (ritsoka) mt. ih. (ritsohy): Bitsihina. ? Itenenana mibitsibitsika. Ahitsio