Teny nampidirina farany

Sabilahina
[admin]
: (sabilaka) mt. ih. (sabilaho): Roritina hatraiza hatraiza. Ahitsio
Sabebaka
[admin]
: p. t.: Teny ilazana endrika sady lehibe no mitapelaka: Sabebaka endrika (fiteny koa ny hoe tabebaka endrika). • f. t. m.: Ilazan' ny olona koa ny vehivavy lehibe ny fitombenany mba hanarabiany azy. Ahitsio
Sabatra
[admin]
: a.: Fiadiana misy lelany lava maranitra, izay mahitsy na mivolantsinana mihantsika, fa ny fitanana azy mifaingoka sy fohy. - F.-p.: Tranon-tsabatra: ny fonon'ny sabatra. Ahitsio
Sabata
[admin]
: (angl. sabbath) a.: Ny andro fahafito na andro fitsaharana teo amin'ny Jiosy ; Sabotsy amin'ny herinandro malagasy ary andro fahafito, Ahitsio
Sabakaina
[admin]
:(sabaka) mt. ih. (sabakao): (tongotra) Ampihatahina. Ahitsio
Sabaka
[admin]
: a.: Fampihatahana na fampanalavitana ny tongotra roa. • hi.: 1) Ilazana ny hazo misampana roa; 2) A-naran-tsilalaon'ankizy izay misy efitrefitra ka asabaka ny tongotra roa mba tsy hanitsaka ny soritra mampisaraka ireo efitrefitra ireo. - t.i.f.: Sabakaina, asabaka, voasabaka, tafasabaka / manasabaka, fanasabaka, mpanasabaka / anasabakana, fanasabakana / misabaka, fisabaka, mpisabaka / isabakana, fisabakana / mahasabaka % sabakabaka. Ahitsio
Sabadiana
[admin]
: (Btm) a.: Vehivavy fohy, kely reny. Ahitsio
Sababa
[admin]
: na Sababaka p. t.: Lehibe, malalaka loatra tsy mifanentana amin'izay nanaovana azy: Sababaka loatra iny satroka iny ho anao. Ahitsio
Saba
[admin]
: a.: Vilany be vava boribory fandrahoana vary. Ahitsio
Sa
[admin]
: ppt.: Ampiasaina hisolo ny "na" raha manontany, ka araka izany, dia entina hampisafidy amin'ny zavatra roa: Inona no tianao, zanaka sa harena? Ahitsio
Sa-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza asa misy fihetsehana: Sabaka (baka), safelika (felika). Ahitsio
S
[admin]
: a.: Tarehintsoratra fahafito ambin'ny folo ary renisoratra fahatelo ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-min'ny fanakambanan-teny, ny s dia lasa ts: Zavatra soa < zavatsoa. Amin'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny kosa, ny s manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man+ soratra = manoratra. Ahitsio
Rozirozy
[admin]
: a.: Havizanana, hasasarana. - t.i.f.: Mirozirozy. Ahitsio
Rozatra
[admin]
: ft.: Roridroritra lava tsy misy fitsaharana (toy ny zazakely mandroridroritra ny nonon-dreniny); fanararaotana teny na hadisoana kely nataon'olona mba hitanarahana azy mandavan-taona, vazizotra. - t.i.f.: Rozatina, voarozatra / mandrozatra, fandrozatra, mpandrozatra / androzatana, fandrozatana / mirozatra, firozatra / maharozatra / rozadrozatra. Ahitsio
Rozatina
[admin]
: (rozatra) mt. ih. (rozaty): Roridroritina, sintontsintonina: Mafy ny mahazo an'itsy uehivauy itsy fa rozatin-janany foana ny flocon y. ? h.i.: Averimberina lazaina tsisy farany mba hamelezana olona. Ahitsio
Rozaroza
[admin]
: a: Toetran'ny zavatra lava sy miramborambo, mikiraviravy (mitovy hevitra sy fitanisana amin'ny Rozaka). - t.i.f.: Arozaroza, tafarozaroza / mandrozaroza, fandrozaroza, mpandrozaroza / mirozaroza, firozaroza, mpirozaroza / irozarozana, firozarozana / maharozaroza / mitarozaroza. Ahitsio
Rozana
[admin]
: ft.: Fitavozavozana eo amin'ny adihevitra, tsy fifanarahana. - t.i.f.: Mandrozana, fandrozana, mpandrozana / androzanana, fandrozanana / mifandrozana 1 maharozana / rozadrozana. Ahitsio
Rozana
[admin]
: a.: Fifanoherana. Ahitsio
Rozaka
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra lava miramborambo ka mikiraviravy. ? Fotoana lava loatra amin'ny fanaovan-draharaha. - t.i.f.: Arozaka / mirozaka, firozaka, mpirozaka / mitarozaka / mivarozaka. Ahitsio
Rovitra
[admin]
: (rouita) a.: Sombinjavatra rotika: Notehiriziny ny rovitry ny saina, ? p.t.: Nisy sombin'ny tenany triatra ka niala, tataka, rotika: Rovitra ny lambako. Rovita alohan'ny aina, ? h,i,: 1) Simba, tapaka: Rovitra ny fihavanana. 2) Voasamatsamaka, misaritaka: Ho rouitra ny fanjakana raha mitohy izao tsy fifankahazoan'ny mpitondra izao. - t.i.f.: Rovitina, voarovitra / mandrovitra, fandrovitra, mpandrovitra / androvitana, fandrovitana. - Roui-damba ririnina (jer. Ririnina). ¶ M. h. : Triatra, riatra, mitsiaka, mitsiatsiaka, mitriatra, mitsefaka, misalasalaka, tata-ka, tata-bitrana, kotika, rota, rotika, mivorikitsay, tsy misy hitomboham-pilo. Ahitsio