Sabilahina [admin] | : | (sabilaka) mt. ih. (sabilaho): Roritina hatraiza hatraiza. Ahitsio |
Sabebaka [admin] | : | p. t.: Teny ilazana endrika sady lehibe no mitapelaka: Sabebaka endrika (fiteny koa ny hoe tabebaka endrika). • f. t. m.: Ilazan' ny olona koa ny vehivavy lehibe ny fitombenany mba hanarabiany azy. Ahitsio |
Sabatra [admin] | : | a.: Fiadiana misy lelany lava maranitra, izay mahitsy na mivolantsinana mihantsika, fa ny fitanana azy mifaingoka sy fohy. - F.-p.: Tranon-tsabatra: ny fonon'ny sabatra. Ahitsio |
Sabata [admin] | : | (angl. sabbath) a.: Ny andro fahafito na andro fitsaharana teo amin'ny Jiosy ; Sabotsy amin'ny herinandro malagasy ary andro fahafito, Ahitsio |
Sabakaina [admin] | : | (sabaka) mt. ih. (sabakao): (tongotra) Ampihatahina. Ahitsio |
Sabaka [admin] | : | a.: Fampihatahana na fampanalavitana ny tongotra roa. • hi.: 1) Ilazana ny hazo misampana roa; 2) A-naran-tsilalaon'ankizy izay misy efitrefitra ka asabaka ny tongotra roa mba tsy hanitsaka ny soritra mampisaraka ireo efitrefitra ireo. - t.i.f.: Sabakaina, asabaka, voasabaka, tafasabaka / manasabaka, fanasabaka, mpanasabaka / anasabakana, fanasabakana / misabaka, fisabaka, mpisabaka / isabakana, fisabakana / mahasabaka % sabakabaka. Ahitsio |
Sabadiana [admin] | : | (Btm) a.: Vehivavy fohy, kely reny. Ahitsio |
Sababa [admin] | : | na Sababaka p. t.: Lehibe, malalaka loatra tsy mifanentana amin'izay nanaovana azy: Sababaka loatra iny satroka iny ho anao. Ahitsio |
Saba [admin] | : | a.: Vilany be vava boribory fandrahoana vary. Ahitsio |
Sa [admin] | : | ppt.: Ampiasaina hisolo ny "na" raha manontany, ka araka izany, dia entina hampisafidy amin'ny zavatra roa: Inona no tianao, zanaka sa harena? Ahitsio |
Sa- [admin] | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza asa misy fihetsehana: Sabaka (baka), safelika (felika). Ahitsio |
S [admin] | : | a.: Tarehintsoratra fahafito ambin'ny folo ary renisoratra fahatelo ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-min'ny fanakambanan-teny, ny s dia lasa ts: Zavatra soa < zavatsoa. Amin'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny kosa, ny s manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man+ soratra = manoratra. Ahitsio |
Rozirozy [admin] | : | a.: Havizanana, hasasarana. - t.i.f.: Mirozirozy. Ahitsio |
Rozatra [admin] | : | ft.: Roridroritra lava tsy misy fitsaharana (toy ny zazakely mandroridroritra ny nonon-dreniny); fanararaotana teny na hadisoana kely nataon'olona mba hitanarahana azy mandavan-taona, vazizotra. - t.i.f.: Rozatina, voarozatra / mandrozatra, fandrozatra, mpandrozatra / androzatana, fandrozatana / mirozatra, firozatra / maharozatra / rozadrozatra. Ahitsio |
Rozatina [admin] | : | (rozatra) mt. ih. (rozaty): Roridroritina, sintontsintonina: Mafy ny mahazo an'itsy uehivauy itsy fa rozatin-janany foana ny flocon y. ? h.i.: Averimberina lazaina tsisy farany mba hamelezana olona. Ahitsio |
Rozaroza [admin] | : | a: Toetran'ny zavatra lava sy miramborambo, mikiraviravy (mitovy hevitra sy fitanisana amin'ny Rozaka). - t.i.f.: Arozaroza, tafarozaroza / mandrozaroza, fandrozaroza, mpandrozaroza / mirozaroza, firozaroza, mpirozaroza / irozarozana, firozarozana / maharozaroza / mitarozaroza. Ahitsio |
Rozana [admin] | : | ft.: Fitavozavozana eo amin'ny adihevitra, tsy fifanarahana. - t.i.f.: Mandrozana, fandrozana, mpandrozana / androzanana, fandrozanana / mifandrozana 1 maharozana / rozadrozana. Ahitsio |
Rozana [admin] | : | a.: Fifanoherana. Ahitsio |
Rozaka [admin] | : | ft.: Toetran'ny zavatra lava miramborambo ka mikiraviravy. ? Fotoana lava loatra amin'ny fanaovan-draharaha. - t.i.f.: Arozaka / mirozaka, firozaka, mpirozaka / mitarozaka / mivarozaka. Ahitsio |
Rovitra [admin] | : | (rouita) a.: Sombinjavatra rotika: Notehiriziny ny rovitry ny saina, ? p.t.: Nisy sombin'ny tenany triatra ka niala, tataka, rotika: Rovitra ny lambako. Rovita alohan'ny aina, ? h,i,: 1) Simba, tapaka: Rovitra ny fihavanana. 2) Voasamatsamaka, misaritaka: Ho rouitra ny fanjakana raha mitohy izao tsy fifankahazoan'ny mpitondra izao. - t.i.f.: Rovitina, voarovitra / mandrovitra, fandrovitra, mpandrovitra / androvitana, fandrovitana. - Roui-damba ririnina (jer. Ririnina). ¶ M. h. : Triatra, riatra, mitsiaka, mitsiatsiaka, mitriatra, mitsefaka, misalasalaka, tata-ka, tata-bitrana, kotika, rota, rotika, mivorikitsay, tsy misy hitomboham-pilo. Ahitsio |