Teny nampidirina farany

Rary
[admin]
: a.: Fanaovana ny ahitra na ny rindra mifampidipiditra mba ho tonga tsihy na satroka, fandrandranana ahitra na rindra. - t.i.f.: Ratina, voarary 1 mandrary, fandrary, mpandrary / andrariana, fandrariana 1 mirary, firary, mpirary 1 irariana, firariana 1 maharary I rarirary. - F.-p.: Rarim-pihauanana: firindran'ny fifanarahana amin'ny havana ary ny mpiara-monina. Ahitsio
Rary
[admin]
: a.: Hira vavaka fanaon' ny vehivavy ho fangatahampitahiana ho an'ny mpiantafika. - t.i.f.: Ruina 1 mirary, firary, mpirary 1 irariana, firariana 1 maharary. Ahitsio
Rary
[admin]
: ft.: Aretina, rofy, fanaintainana. 1 t.if.: Marary, farary, mparary 1 mankarary 1 ankarariana, fankarariana 1 maharary 1 harariana, faharariana. Ahitsio
Raratra
[admin]
: a.: Haingo, ravaka tsara. - t.i.f.: Voararatra, tafararaira 1 mandraratra, fandraratra, mpandraratra 1 andraratana, fandraratana 1 miraratra, firaratra, mpiraratra 1 iraratana, firaratana 1 mahararatra I raradraratra. Ahitsio
Rarangina
[admin]
: (rarangy) mt. ih. (rarangio): Lanjaina ka manao hazakazaka mafy ny mpilanja. Ahitsio
Rarangy
[admin]
: a.: Hazakazaka fanaon'ny mpilanja filanjana. ? h. i.: Hazakazaka mafy: 1-reo onja vauenty, toa reuo misangy, / Mamelon-drarangy. (J.N.) - t.i.f.: Rarangina. - F.-p.: Manao, mamely, mikatroka rarangy: mihazakazaka mitondra olona amin'ny filanjana (ny manao rarangy amin'ny mpilanja dia mitovy amin'ny manao faohàny amin'ny miaramila). Ahitsio
Rarana
[admin]
: (rara) mt. ih. (rarao): Sakanana, tsy avala: Rarana ny miditra ato. / Rarana tsy handeha eto ny mpianatra. Ahitsio
Raraka
[admin]
: a.: Teny ilazana rano na voan-javatra mianjera ka miparitaka, na fofona vaky ka miely, very: Raraka daholo ilay menaka uao nouidina. / Raraka tao amin'ny tany ny fotsimbary, 1 h,o.: Tsy afa-panadinana: Raraka indray Rabe tamin'ny fanadinana farany tao. - t.i.f.: Rarahana, rarafana, voararaka, tafararaka / mandraraka, fandraraka, mpandraraka / andrarahana, fandrarahana 1 miraraka, finira-ka, mpiraraka / irarahana, firarahana / mahararaka 1 raradraraka. - F.-p.: Atao vary raraka: ilazana ny teny misesy mifampitohitohy tsy misy fiatoana (na teny tsara lahatra izany na ompa sy ozona samihafa). / Aza atao raraka an-tan y: teny entina hanamafisana ny anatra sy ny hafatra omena, izay tsy tiana hisy hadino na hanalana, fa hotovina aradalàna avokoa. / Rano raraka tsy azo raofina: enti-milaza ny zavatra afoy tanteraka na tsy azo afody hiverina intsony. ¶ M. h.: Sira latsaka an-drano. / Raraka ivy: enti-milaza ireo izay tsy mahatana ny rora miraraka avy any am-bavany ny molony. / Voahangy raraka: ilazana ireo olona maro miasa eny an-tsaha amim-pifaliana amin'ny fotoana fanetsana ny varialoha. Ahitsio
Rarahana
[admin]
: Rarafana (raraka) mt. pdr. (raraho, rarafo): A-siana zavatra milatsaka mikorotsaka eo amboniny: Rarahana tain-kafe ny ngorodona alohan'ny hiborisiana azy. / Rarafana ranovoahasina ny mpiangona. Ahitsio
Rapeto
[admin]
: a.: Anaran'olo-malaza tamin'ny angano noho ny halavany. ? h.i.: Olona lava be. Ahitsio
Rapatsa
[admin]
: a.: Zavamaniry misy voniny mena. Ahitsio
Raparapa
[admin]
: a.: Famindrana fandeha tsy mahita izay hodiavina fa mitsapatsapa; fandeha mizotra fotsiny amim-pahamaikana ka tsy mihevitra izay ho vokatr'izany. - t.i.f.: Araparapa, tafaraparapa / miraparapa, firaparapa, mpiraparapa 1 iraparapana, firaparapana 1 maharaparapa. Ahitsio
Rapaka
[admin]
: a.: Fihinanana zavatra izay tonga dia any am-bava. ? h.o.: Fakana na fihinanana zavatra tsy mifidy fa izay rehetra hita dia alaina. - t.i.f.: Arapaka, voarapaka 1 mandrapaka, fandrapaka, mpandrapaka 1 andrapahana / mirapaka, firapaka, mpirapaka / irapahana, firapahana / maharapaka 1 rapadrapaka. ? F,-p.: Manao rapa-dango: mihinana mambosibosika izay rehetra hita, mandray tsy am-piheverana. Ahitsio
Rapaka
[admin]
: a.: Vatan-dravinala novakina sy novelarina mba hanaovana rindrin-trano sy ngorodona amin'ny trano falafa. Ahitsio
Raozy
[admin]
: (fr. rose) a.: Karazamboninkazo mahafinaritra mihorona boribory ny felany axy misy fotsy, mena, mavokely, ny lokony, fa ny tahony no misy tsllotsilony. Ahitsio
Raotra
[admin]
: a.: Fanongôtana na fakana an-keriny; fihinanan'ny biby (ahitra); fibangoana na fihogoanany volo. - t.i.f.: Raotina, araotra, voaraotra / mandraotra, fandraotra, mpandraotra / andraotana, fandraotana 1 miraotra, firaotra, mpiraotra 1 iraotana, firaotana / maharaotra I raodraotra / maraotra. Ahitsio
Raotina
[admin]
: (raotra) mt. ih. (raoty): Hanin'ny biby (ahitra, vilona): Noraotin'ny ombinareo ny katsako ka tsy manaiky aho. ? h,i.: Tapahina amin'ny antsy: Noraotin'ireo ankizy ireo ny vilona teto. 1 Hogoina, saratsarahina mba hitsikerakera: Noraotiny tamin'ny fandraotra ny volony talohan'ny hivoahany. ? h.o.: Tenenina, levilevena, kapohina mafy:Horaotiko mihitsy ilay karilahy iny raha vao tonga. Ahitsio
Raorao
[admin]
: (Ski) a.: Fofon-drivotra mangatsiaka alohan'ny orana. Ahitsio
Raorao
[admin]
: a.: Jer. Rao. Ahitsio
Raondriana
[admin]
: a.: Teny fanajana taloha raha miresaka amin' olona, mitovy amin'ny ankehitriny hoe "tompokolahy". Ahitsio