Teny nampidirina farany

Rety
[admin]
: (Br) a.: Amalona lehibe. Ahitsio
Retareta
[admin]
: p.t.: Kely, ratsy toebatana, mitavozavoza. - t.i.f.: Aretareta 1 mixetareta,firetareta 1 maharetareta. Ahitsio
Retaka
[admin]
: sy Retany: Ry ireto a! (fitenin'ny samy vehivavy): Mangina, retaka. / (raha lehilahy kosa no mampiasa azy) Re: Nahoana retaka no dia manao ankasomparana? - t.i.f.: Retadretahina.Retaka ft.: Fikorotsahana na fikoavana sy firodanana; fiboretahana amin'ny tany tsy afa-miarina. - t.i.f.: aretaka, voaretaka, tafaretaka 1 mandretaka, f andretaka, mpandretaka 1 andretahana,fandretahanalmiretaka, firetaka, mplretaka I iretahana, firetahana I maharetaka I retadretaka. Ahitsio
Retadretahina
[admin]
: (retadretaka) mt. ih. (retadretaho): Atao hoe "retaka": Nahoana izahay no retadretahinao? Ahitsio
Resy
[admin]
: p.t. sady mt. ih, ft.: Voa tamin'ny ady na lalao fifaninanana: Resin'ny Fortior ny mpanao baolina avy tany Lesotho. 1 Maty (loka): Resy tamin'ny loka Rabe ka niozonozona tsy hamerina intsony, 1 Tsy nahazo rariny tamin'ny ady amin'ny fitsarana: Resy tamin'ilay ady lova Rakoto ka tsy manana na inona na inona intsony izao. 1 Tsy mahatohitra: Resin' alahelo izy. 1 Maty antoka: Alaovy ho anao valopolo io akoho io fa resy aho raha latsaka izany. - t.i.f.: Resena I mandresy, fandresy, mpandresy / andresena, fandresena 1 maharesy, faharesy, mpaharesy 1 aharesena, faharesena 1 haresena. - Lambo resy: anarambosotra omena ny kisoa izay tsy dia intsony fa efa ompiana. / Resim-bavy: lehilahy kelikely herin-tsaina ka ambakain'ny vadiny amin'izay ataony rehetra, koa dia ravehivavy no mandidy azy amin'izay ataony rehetra fa manao akohovavy maneno,/ Resin-tondro maso: very tohana tsy manan-kianteherana, fa tsy eo intsony ireo kiady sy voninahitra mpiaro ny tena. / Resy am-boninahitra: enti-milaza ireo izay efa nanao ny faran'ny azony atao teo amin'ny lalao na ady, kanjo dia mbola voa ihany. / Resy lahatra: tsy manankolazaina intsony amin'ny adihevitra fa efa voaporofo ny maha-diso ny hevitra tohanany. / Resy olo-narahina: ilazana ny tsy maha-eo intsony ilay andry niankinana, toy ny vady izany, fa maty. / Resy ny maty: anambarana fa tsy afa-miteny intsony ny maty ka manao izay tiany ny velona; ilazana indrindra ny olona maty, ka malady manambady ilay vadiny velona. / Resy tohika: tsy ahitan-teny intsony amin'ny adihevitra fa sendra ny marina na ny olona madi-doha nifanoherana. / Resy tosika: ilazana ny tafika nihemotra noho ny hamafin'ny ady na ny hery tsy mitovy — miala antsitrapo handao tsy fidiny ny toerana na tanàna nipetrahana na noho ny henatra na noho ny fanaovan'ny sasany toeran-tsy zaka. / Resy tsy miady: ilazana ireo kivy ambony ihany na tsy mbola nanao na inona na inona aza ka dia miala sy mihataka na mijanona mihitsy aza. * Ohab,: Angady mondro sy reniakoho; izay mananda no resy: enti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalozina dia resy izay manampy zavatra hafa. / Ny tia resy, ny manim-boafady: enti-milaza ny fandeferana Inhibe ananan'ny efa tia, ka tsy sahy mamalivaly na manohitra firy. ¶ M.h.: Resy tosika, maty an-daharana, voatosika, tsy mahazo an-tsahala, voasongona, sendra tolona tsy omby tratra, ambaka noho, latsaka ambany noho, tsy mahaleo, tsy mahasehaka, tsy mahovoka, tsy mahatohitra, milavo lefona, miamboho lahy, mifori-drambo, mandray sanga, mangataka ranomandry, resy tsy miady. Ahitsio
Resena
[admin]
: (resy) mt. ih. (reseo): Iadiana, tsindriana, toherina, atao resy: Reseo ny hakamoana. / Tokony horesena ny hatezerana. Ahitsio
Resaresa
[admin]
: a.: Fandeha miretareta sy tsy afaka mamindra fity (toyny an'ny ganagana); hakamoana, fiborerana, fitsimozimozy. - t.i.f.: Aresaresa, voaresaresa, tafaresaresa 1 mandresaresa, fandresaresa, mpandresaresa 1 andresaresana / miresaresa, firesaresa, mpiresaresa 1 ixesaresana, firesaresana I maharesaresa. Ahitsio
Resaka
[admin]
: a.: Teny ifanaovana: Araka ny resaka nifanaovantsika omaly, dia iny ny zanako haka ilay vola. 1 Teny ifanaovana momba ny zavatra anankiray voafaritra tsara: Resaka momba ny ady tany Vietnam no nandanian'izy ireo andro tao. 1 Teny ifamalian'ny mpifankatia momba izao sy izao: Saika tsy tapa-ka ny resakay raha tsY nanomboka naneno ny akoho. ¶ M. h.: Tafa, tafasiry, taria, koràna. - t.i.f.: Resahina, voaresaka, tafaresaka 1 miresaka, firesaka, mpiresaka I iresahana, firesahana I maresaka 1 maharesaka. - F.-p.: Ambentin-dresaka: zavatra tenenin-dava saika fsan'an dro. / Resa-be: teny maro ifanaovan'ny olona vitsivitsy ary feno fikasana tsy azo tanterahina. / Resa-behivauy: ilazana ny bitsibitsika ifanaovan'ny vehivavy na ny resaka lava be izay tsy maintsy fifosana no votoatiny. / Resaka mahabe loa-bary: teny famalifaliana na fandokafana amin'ny mpizara sakafo mba hahazoana tombony. / Resaka mandany labozia: resadresa-poana fa tsy araka izay tokony ho izy ka mandany fotoana fotsiny. I Resaka matou y: teny sy resaka manodoka manambara zavatra mahasoa sy mahafinaritra, nefa dia izay ihany fa tsy misy fahatanterahany. / Vaky ny resaka: niseho ny resaka ary ren'ny betsaka, fa tsy iray na roa intsony no mahalala azy, / Mampiady resaka: manao resaka hahitana izay mety sy tokony ha-tao, misarintsarina adihevitra. / Manga ny resaka: tsara ny dinika ary mahafinaritra izay notafaina. / Manokondresaka: miaraka vitsivitsy mitafa eo amin'ny toerana iray mifanatrika. ' * Ohab.: Be resaka ohatra an'Ambôsitra, fa tsy hahalafo an'Ambohinamboarina: enti-milaza fa na mahay miteny sy be resaka aza ianao, . dia tsy ho voambaka akory ny hafa. / Resaky ny mpisampina tsy hain'ny mpisikina: fitenenana ilazana olona roa samy manana ny tafany .sy ny fanaony, ka tsy tokony hifampidinika betsaka. ¶ M.h.: Tafa, dfnika, koràna, taria, karajia, tafasiry, dinidinika, tapatapakahitra, resaka mahabe loa-bary. Miresaka, mamboly resaka, manokon-dresaka, mitafa, mitafasiry, mikoràna, mitaria. Ahitsio
Resahina
[admin]
: (resaka) mt.ih. (resaho): Atao resaka: Inona no resahin-dRakoto sy Rabe teto? 1 Tenenina, lazaina: Noresahinao taminy angaha ilay zavatra? Ahitsio
Rerika
[admin]
: a.: Teny tsy fandre raha tsy amin'ilay fomba fiteny hoe "Very rerika": revo, sondriana amin'ny zavatra iray ka tsy mahatsiaro ny manodidina azy intsony, varivariana. Ahitsio
Rere
[admin]
: a.: Anaram-borona izay fantatra kokoa amin'ny anarana hoe vorondreo. Ahitsio
Rere
[admin]
: a.: Poa-basy maro atao indray mirefotra. ? F.-p.: Manao rere (miaramila maro) indray manapoaka ny basiny. Ahitsio
Rere
[admin]
: a.: Soka-dranomasina lehibe. Ahitsio
Rerarera
[admin]
: a.: Fiakanjo tsizarizary, miroradroraka; refarefa (enti-milaza ny elatry ny vorona na ny fitafiana mila tsy ho zaka); fitavozavozana sady mitaredretra. - t.i.f.: Arerarera, tafarerarera I mirerarera, firerarera, mpirerarera / irerarerana, firerarerana / maharerarera. Ahitsio
Reraka
[admin]
: p.t.: Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honinaaho ka reraka. / Mafy loatra ny osa'nataony ka reraka izy. 1 Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy aveian'ny dokotera iresahana intsony. 1 Maty: Tsy salama teny izy roa vola-na dia reraka. 1 Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin'izay nahauoazan'ny rivo-doza ny famboleny izay. 1 Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha reraka izy. - t.i.f.: Rerahina, vouera-ka 1 mandreraka, fandreraka, mpandreraka 1 andrerahana, fandrerahana 1 mireraka, fireraka, mpireraka 1 irerahana, firerahana / reradreraka 1 harerahana 1 faharerahana. - F.-p,: Rera-molotra: Inhibe sady toa miraviravy ny molotra ambany. l Rera-po: kivy sy ketraka. / Rera-tsaina: tena tsy mahasaina izay ha-tao fa kivy ambony ihany. / Vato reraka: vato-mizana tsy miasa. * Ohab.: Akanga reraka tsy mahasidina ambon y: ilazana ny akanga tsy afa-manidina avo noho ny hanoanana. / h.o.: enti-milaza ny tsy fahafahana manao zavatra noho ny harerahana. Ahitsio
Rerahina
[admin]
: (reraka) mt, ih. (reraho): Vahana dia borahana, ketrahina. ~ Atao izay hahaosa azy, trotrahina. 1 Lani- na harena. 1 Kivina, ketrahina. Ahitsio
Repoka
[admin]
: a: Ny fipiapiakan'ny voanjo tsakoina; ny fikepokepoky ny zavatra ketoketohin'ny nify. - t.i.f.: Arepoka, voarepoka, tafarepoka 1 mandrepoka, fandrepoka, mpandrepoka / andrepohana, fandrepohana I mirepoka, firepoka 1 maharepoka / repodrepoka. Ahitsio
Repirepy
[admin]
: a.: Vembena, vezimbezina, rondrona, 1 Toetran' ny olona miapanapana azon' ny tahotra mafy na alahelo lehibe sy fahasahiranana tsy eran'ny aina. - t.i.f.: Arepirepy, repirepena, tafarepirepy / mandrepirepy, fandrepirepy, mpandrepirepy 1 andrepirepena, fandrepirepena 1 mirepirepy, firepirepy / kepkepena, firepirepena I mampirep¢e-PY, Ahitsio
Repirepena
[admin]
: (repirepy) mt. ih. (repirepeo): Asaina mivembena, atao mirondrona. Ahitsio
Repika
[admin]
: (tsy fampiasa loatra) a.: Fihasimban'ny hoe Kepika. Ahitsio