Teny nampidirina farany

Raondraona
[admin]
: a. : Jer. Raona. Ahitsio
Raona
[admin]
: na Raondraona a.: Feon-javamaneno maro miaraka mahafinaritra, redona. 1 t.i.f.: Miraondraona, firaondraona. Ahitsio
Raokandro
[admin]
: a.: Zavamaniry a-tao fanafody na tambavy alafna vao maraina, amin'ny andro vao miposaka. Ahitsio
Raoka
[admin]
: a.: Fakana zavatra, ka izay mahafeno ny tanana, na ny tanana anila na ny tanana anankiroa; fandraisana zavatra indray miaraka. - t.i.f•: Raofina, araoka, voaraoka / mandraoka, fandraoka, mpandraoka I andraofana, fandraofana / miraoka, firaoka / maharaoka / raodraoka. Ahitsio
Raofina
[admin]
: (raoka) mt. ih. (raofy): Angonina amin'ny tanana: Raofy ireo tsaramaso ireo. ? Paohina, faohina, atao majifa: Noraofin'ny mpangalatra ny lamba rehetra tao an-trano. ? Baboina: Noraofin'ny fanjakana ny fananany. ? Samborina indray miaraka:Noraofin'ny poiisy ireo mpangalatra niafina tao anaty zohy. Ahitsio
Rao-dia
[admin]
: (raoka dia) a.: Fandraofana tany indray mitsingina amin'ny tany nohitsahin'olona iray mba hamosaviana azy. Ahitsio
Raobine
[admin]
: (fr. robinet) a.: Famohana na fanidian-drano araka izay tiana, mipetaka amin'ny vatan'ny fitehirizandrano na amin'ny fantsondrano iray; tsirlrY. Ahitsio
Raoatry
[admin]
: (fr. pat. rouar) a.: Karazan'omby vahiny nampidirin'i Jean Laborde teto Madagasikara. Ahitsio
Rao
[admin]
: sy Raorao a.: Toetran' ny zavatra misy marokoroko ny ivohony, hasaosao, harokoroko. 1 h.o.: Adiady, fifandirana, tsy fifanarahana: Hialako io raharaha io fa toa be raorao be ihany. - t.i.f.: Marao, maraorao. Ahitsio
Rantsantongotra
[admin]
: a.: Anarana ilazana ireo fisandrahaky ny tongotra dimy, mifamaly amin'ny rantsantanana. Ahitsio
Rantsantanana
[admin]
: a.: Anarana ilazana ireo fisandrahaky ny tanana dimy, izay ampiasain' ny olombelona amin'ny fandraisan-javatra, dia ny ankibe, ny fanondro, ny fanondroadala, ny manarapoana ary ny ankikely. Ahitsio
Rantsankazo
[admin]
: a.: Fisampantsampanan'ny taho lehibebe izay misandrahaka indray kosa avy amin'ny vatan-kazo; sampaho mitondra ny voa. Ahitsio
Rantsanina
[admin]
: (rantsana) mt. ih. (rantsano): Kitihina (vakha), rontsonina. Ahitsio
Rantsanana
[admin]
: (rantsana) mt. ih, (rantsana): Tapahina ny rantsany: Rantsanana ny voaloboka eo amin'ny uolana jiana. Ahitsio
Rantsana
[admin]
: a.: Ny sampan'ny hazo: Tokony hotapahina ny rantsana maty. ~ Ny iray amin'ireo fisampanana dimy amin'ny tendron'ny tanana na ny tongotra tsirairay avy: Lazao auy ny anaran'ny rantsana dimy. - t.i.f.: Rantsanana, rantsanina, voarantsana 1 mandrantsana, fandrantsana, mpandrantsana 1 andrantsanana, fandrantsanana / mirantsana, firantsana 1 maharantsana / rantsandrantsana / miraistsandrantsana. - F.-p.: Felatana-mangaika ny rantsana: enti-milaza ny olona tonian-draharaha izay mampitambatra ny maro amin'ny fiaraha-miasa. / Rantsambatana: ireo tanana aman-tongotra sy ny hafa koa miray amin'ny vatana./Rantsankazo: ny sampan'ny hazo maniry. ( Rantsantanana: ireo rantsana folo amin'ny tanana. / Rantsantongotra: Ireo rantsana folo amin'ny tongotra. Ahitsio
Rantsambatana
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny tanana roa sy ny tongotra roa izay toa misampana avy amin'ny vatana. Ahitsio
Rantovina
[admin]
: mt. ih.: Jer. Rantoina. Ahitsio
Rantoina
[admin]
: na Rantovina (ranto) mt. ih. (rantoy, rantouy): Alaina, karohina any an-tany lavitra: Norantoiko tany an-tSakalaua ireo omby ireo. / Fahaizana norantouiny tany ampitan-dranomasina izany ka tsy ariariany foana. Ahitsio
Ranto
[admin]
: (Ski) a.: Tany misy fui-ka fotsy madinika dia madinika ary midobodoboka raha hitsahina. Ahitsio
Ranto
[admin]
: a.: Fandehanana any an-tany lavitra hivarotra na hikaro-java-tsoa. - t.i.f.: Rantoina, rantovina, voaranto I mandranto, fandranto, mpandranto 1 andrantoana, fandrantoana 1 firantoana 1 maharanto / rantoranto. Ahitsio