Teny nampidirina farany

Redonina
[admin]
: (redona) mt, ih. (redony): Tenenina, hiraina indray miaraka: Noredonin'ny mpianatra rehetra ny "Ry tanindrazanay malala ô!" Ahitsio
Redona
[admin]
: a.: Fiaraha-miteny na fiaraha-mihira. - t.i.f.: Redonina,. aredona, tafaredona / mandredona, fandredona, mpandredona / andredonana, fandredonana, miredona, firedona, mpiredona 1 iredonana, firedonana J maharedona Iredondredona. Ahitsio
Rediredy
[admin]
: a.: Teniteny be tsy misy heviny; fimenomenonana tsy misy fiatoana: Ny andRangahy io koa, rediredy foana; aiza ka hamidiko aminy masonkarena, hono, ity xauatra nanahirana ahy izaitsizy ity! - t.i.f.: Rediredena, arediredy, voarediredy, tafarediredy J mirediredy, firediredy, mpirediredy I irediredena, firediredena I maharediredy. Ahitsio
Rediredena
[admin]
: (rediredy) mt. ih. (rediredeo): Tenitenenimpoana, tsy misy heviny. Ahitsio
Redareda
[admin]
: a.: Lelafo mirehi-be toa mahafinaritra ka maharitra. - t.i.f.: Aredareda, tafaredareda l mandredareda,fandredareda, mpandredareda J andredaredana, fandredaredana I miredareda, firedareda, mpiredareda J iredaredana, firedaredana I maharedareda. Ahitsio
Redaka
[admin]
: a.: Lelafo miredareda, afo manao rehi-be. - t.i.f.: Aredaka, voaredaka, tafaredaka I mandredaka, fandredaka, mpandredaka f andredahana, fandredahanaI miredaka, firedaka, mpiredaka I iredahana, firedahana I maharedaka. Ahitsio
Reboka
[admin]
: a.: Fihinanana an-kisesy amin-kasarotana na hatendana, famosibosehana. 1 p.t.: Mieboebo, mirehareha amin'ny fandanilaniana, amin'ny firaQaradana. - t.i.f.: Areboka, voareboka J mandreboka, fandreboka, mpandreboka I andrebohana, fandrebohana J mireboka, fireboka, mpireboka J mahareboka I rebodreboka. Ahitsio
Rebireby
[admin]
: a: Fitarihana mba hampivily lalana fa tsy amin' ny tokony ho izy. ~ Hevitra manodoka hamitahana; fanolikolena; fanadalana. - t.i.f.: Rebirebena, arebireby, voarebireby, tafarebireby J mandrebireby, fandrebireby, mpandrebireby / andrebirebena, fandrebirebena I mirebireby, firebireby, mpirebireby I ixebirebena, firebirebena I maharebireby. Ahitsio
Rebirebena
[admin]
: Arebireby (rebireby) mt. ih. (rebirebeo, arebirebeo): Tarihina mba hivilivily lalana fa tsy handeha amin'ny tokony ho izy: Aza rebirebena amin'ny tantara uala maty aho fa aoka aloha hiasa. 1 Adalaina, kolikolena, fitahina, amin'ny hevitra manodoka: Norebireben' ilay touolahy tamin'ny fitiauana ny zanany vavy ka tsy nahavita fianarana. Ahitsio
Rebika
[admin]
: a.: Dihy faly misy tsinjaka. - t.i.f•: Tafarebika / mirebika, firebika, mpirebika / irebehana, firebehana I maharebika / rebidrebika. - F,-p,: Mitotorebika: mandihy manipy sandry malefadefaka fa ny tongotra kosa mitoto, izay manao toy ny mively langorony, mitana ba, manamafy ny lamako. / Manao rebik 'ondry: (fihasimban'ny hoe ribik'ondry): mirohotra manao izay efa be mpanao. Ahitsio
Rebareba
[admin]
: a.: Akanjo na fitafiana lava be sy mitaritarika. i t.i.f.: Arebareba, voarebareba, tafarebareba / mirebareba, firebareba, mpirebareba / irebarebana, firebarebana / maharebareba. Ahitsio
Rebaka
[admin]
: ft.: Fihaingoana, fixaratana amin'ny akanjo malalaka mikobankobana sy mirefarefa. Ahitsio
Rebaka
[admin]
: p. t.: Noana, lanaka, tsy maharay tena noho ny harerahana. - t.i.f.: Arebaka / mandrebaka, mpandrebaka I andrebahana, fandrebahana I maharebaka J rebadrebaka. Ahitsio
Rea
[admin]
: (Ski) a.: Rivotra mifafy hita amin'ny tarehin'ny rano. Ahitsio
Re
[admin]
: a.: Ny feo faharoamanarakaraka ny do amin'ny ambaratongam-peo fito amin'ny gama. Ahitsio
Re
[admin]
: Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin'ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho e! Ahitsio
Re
[admin]
: sy Reny mt. ih. it.: Heno: Renao ve izany uorona mihira izany? t• Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto. 1 Tsapan'ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa uoan'ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin'ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy. ~ Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako! - t.i.f.: Mandre, fandre, mpandre / andrenesana, fandrenesana I mampandre / mifampandre / mahare / rare / faharenesana, fandrenesana. - F.-p.: Tsy re dona, tsy re kotroka, tsy re poka: tsy re velively, na kely akory aza. / Re siosio: enti-milaza zavatra heno amin'ny resaka tsy azo itompoana loatra, fa karazan'ny honohono. f Tsy re maty, tsy re velona: ilazana olona lasan-davitra ka tsy fantatra velively ny momba azy. f Tsy re tsaika: tsy heno izay nandalovany, na ny nahatongavany sy nialany. * Ohab.: Mitsako tsy re ka uoa uao "dony aho, ranaotra": entina handatsana ireo olona nanao zavatra an-tsokosoko ka nony tojo ny mafy vao mibabababa mitady vonjy. Ahitsio
Razorazo
[admin]
: a.: Rozaroza, raviravy, toetran'ny zavatra anankiray lava mikiraviravy; haosana. - t.i.f.: Arazorazo, voarazo- razo, tafarazorazo J mandrazorazo, fandrazorazo, mpandrazorazo I andrazorazoana, fandrazorazoana I mirazorazo, firazorazo, mpirazorazo I irazorazoana, firazorazoana / maharazorazo I mikirazorazo. Ahitsio
Razoky
[admin]
: a.: Teny iantsoana amim-panajana sy amim-pitiavan ny zokin'ny tena. Ahitsio
Razoka
[admin]
: na Razodrazoka ft.: Fahosaosana. - t.i.f.: Marazoka / faharazodrazoka. Ahitsio